Ao anivon'ny fitomboan'ireo kabary miaty fankahalàna, fanavakavahana, ary herisetram-piarahamonina manerana ny firenena dia misy fanentanana [2] iray ao Myanmar hampiasàna ny selfie hampiroboroboana ny fifandeferana sy ny finamànana.
Tanora avy ao Yangon, ilay tanàna lehibe indrindra ao amin'ny firenena, no mitantana ilay pejy Facebook, ary tamin'ny Aprily lasa teo izy io no natomboka [3] tamin'ny fangatahana ny olona haka sary selfie miaraka amin'ireo namany avy amin'ny foko na finoana hafa.
Ny tenifototra #myfriend sy #friendship_has_no_boundaries (tsy misy fetra ny finamànana) no nampiasain'ilay fanentanana.
Hatramin'ny 2012, misy fifandonana [4] tsindraindray eo amin'ireo Bodista sy ny Miozolmana vitsy an'isa [5] ao amin'ny faritra afovoany, andrefana, ary avaratr'i [6] Myanmar, tafiditra amin'izany i Meikhtila ao Myanmar afovoany [7], toerana izay nandoroana [8] ny tranon'ireo vondrom-piarahamonina Bodista sy Miozolmana, ary an'aliny ireo olona nafindra fonenana. Ny herisetram-piarahamonina henjana indrindra dia ny tamin'ny Oktobra 2012 tao amin'ny fanjakàn'i Rakhine [9] any andrefan'i Myanmar, toerana nonenan'ireo Miozolmana Rohingya tanaty toby fialokalofana tany akaikin'ny tanànan'i Sittwe. Raisin'ny governemanta ao Myanmar ho mpifindra monina tsy ara-dalàna ireo Rohingya.
Mandritra izany fotoana izany, niparitaka nanerana ireo media sosialy tao Myanmar ny sotasota sy ny kabary feno fankahalàna [10] tety anaty aterineto, niteraka rivotry ny tsy fifandeferana sy ny fifanavahana ara-poko.
Ireto ambany ireto ny sary vitsivitsy avy amin'ilay fanentanana #MyFriend hanaporofoana fa ireo olona ao Myanmar, indrindra fa ny tanora, dia resy lahatra hanatsahatra ny fankahalàna amin'ny alàlan'ny fanehoana fanajàna sy finamànana.
Han Seth Lu, Miozolmana iray, nampakatra [11] saripika iray niarahany tamin'ilay Bodista nàmany:
Rody Din, Kristiana, mizara [12] saripika iray miaraka amin'ilay Bodista nàmany avy any Thailand:
Su Yadanar Myint, Miozolmana iray, mirehareha [13] amin'ny fanànany ny nàmany Sikh iray: