- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Odia Wikipedia: Hankalaza Ireo 13 Taona Be Voninahitra Nisian'ny Fandraisana Anjara An-tsitrapo!

Sokajy: Azia Atsimo, India, Fiteny, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Siansa, Vaovao Tsara, Zavakanto & Kolontsaina, Rising Voices
"Odia Wikipedia 13" event banner that has a quote "This (Odia Wikipedia) largest online Odia encyclopedia can be edited by you and us". By Subhashish Panigrahi, under CC-by-SA 4.0. [1]

Fanevan'ny hetsika “Odia Wikipedia 13″ izay misy soratra hoe “Ity (Odia Wikipedia) no encyclopedia Odia lehibe indrindra ety anaty aterineto azontsika sokafana/kitihana”. Avy amin'i Subhashish Panigrahi, eo ambanin'ny CC-by-SA 4.0.

Ny 3 Jona, vonona ny hankalaza ireo 13 taona be voninahitra nisian'ny fandraisana anjara maimaimpoanan'ny fahalalàna ny Odia Wikipedia [2], iray amin'ireo teny Indiana marobe voalohany [3] ao amin'ny tetikasa Wikipedia.

Nanomboka ny 2002 — taona iray taorian'ny nanombohan'ny Wikipedia lehibe indrindra erantany amin'ny teny Anglisy — nitombo lasa ho ny mpametraka votoaty midadasika indrindra ny Odia Wikipedia, amin'ny teny Odia [4] azo sintonina amin'ny tarehintsoratra Unicode [5]* ao amin'ny Aterineto.

Misy eo amin'ny 17 eo ny tonian-dahatsoratra mavitrika [6] (fantatra koa amin'ny hoe “uikiali”) miparitaka any amin'ny faritra samihafa ao India sy avy any ivelany, ary mihoatra ny 8.800 ny lahatsoratra, lasa nihoatra lavitra noho ny maha-encyclopedia azy ilay tetikasa. Niezaka ny vondrom-piarahamonin'ireo mpirotsaka an-tsitrapo nanao izay hakàna [7] votoaty sarobidy misy lisansa Creative Commons [8] (CC), tamin'ny fandresena lahatra ireo tompony na ireo mihazona ny fizakàmanana, mba hamerina hametraka lisansa CC amin'ireny votoaty ireny.

Miara-mihosona amin'olona maherin'ny 2.000 koa izy amin'ny alàlan'ny fikarakarana fandaharanasa fanapariahana isankarazany, tafiditra amin'izany ilay fandaharanasam-pampianarana Wikipedia Education Program [9] (WEP) eken'ny rehetra erantany.

Ho an'ny faha-13 taonany dia miomana ilay vondrom-piarahamonina ny hamoaka fandikàna voanteny, izay manome toky ny famohàna midanadana ireo votoaty marobe avy amin'ireo vavahadin-tseraseran'ny governemanta ka hatramin'ireo gazety sy gazetiboky izay tsy mampiasa ny tarehintsoratra Unicode mba hamoahany ny votoatiny ka manakana ireo mpampiasa aterineto manao fikarohana ary mamerina azy ireny mampiasa votoaty nadika tamin'ny fomba dizitaly.

Unique page views of Odia Wikipedia (2008-2015).

Fijery tokana ny Odia Wikipedia (2008-2015).

Maherin'ny 40 tapitrisa [7]ireo olona miteny ny fiteny Odia ao anatin'ny fanjakana Indiana Odisha (ny faha-9 [10] lehibe indrindra [10] amin'ireo fanjakana Indiana raha ny haben'ny faritany), ireo fanjakana mpifanila vodirindrina aminy sy ireo zanaka ampielezan'ny Odia miaina any ivelan'i India.

Miaraka amin'ireo 5.000 taona [11] mahery nisian'ny lova ara-literatiorany, izy no fantatra fa teny tranainy indrindra amin'ireo tany any Azia Atsimo ary nomen'ny governemanta Indiana ny sata hoe “teny nentim-paharazana [12]”.

Kanefa, tsy dia nahavita loatra naka vàhana araka ny tokony ho izy tamin'ny fipetrahana ety anaty aterineto ilay teny.

Saiky ireo gazety rehetra ety anaty aterineto amin'ny teny Odia no, na amin'ny tarehintsoratra tsy Unicode, na  mampiasa fomba fiarovana narafitry ny tompony, na amin'ny endrika sary. Ireny dia mahatonga azy ireo ho tsy ho hita raha ireo fitaovana fikarohana no asiana resaka.

Mitombina koa ny toy izany ho an'ireo vavahadin-tserasera ofisialin'ny governemanta, izay na tsy ampy ny votoaty amin'ny teny Odia, na mampiasa ny lova navelan'ny fametrahana votoaty nasiam-piarovana. Hiatrehana ireny olana ireny, dia napetraka ao amin'ny Odia Wikipedia ny fehezana famadihana tarehintsoratra [13] izay mamadika ireo lahatsoratra nosoratana tamin'ny fomba samihafa tsy mampiasa ny Unicode mba ho lasa Unicode.

Miaraka amin'ity fitaovana vaovao ity, kendren'ilay vondrom-piarahamonina ny hanaovana famadihana faobe ho lasa Unicode ireo votoaty rehetra avy amin'izay loharano rehetra azo alaina — avy amin'ny gazety sy gazetiboky ka hatramin'ireo vavahadin-tserasera sy gazetim-panjakana — amin'izay ilay votoavy mba azo ampiasaina hampanan-karena ny Odia Wikipedia sy hanatsara amin'ny ankapobeny ny fampiasàna ilay teny ety anaty aterineto.

Tsy dia mbola nanan-karena tamin'ny votoaty loatra ny Odia Wikipedia hatramin'ny fiantombohan'ny 2011, fotoana nanombohan'ny hetsik'ireo tonia nandray ny asany.

Nanomboka teo dia nivelatra be ny votoatiny, nisy lohahevitra niainga avy amin'ireo zavatra tena ilaina amin'ny siansa ara-pitsaboana [14] ary tonga hatramin'ny haify/nahandro Odisha [15].

Ny fitomboan'ny isan'ny mpamaky an'ilay tetikasa dia ohatra goavana amin'ny fomba nitantanana ny votoaty tety anaty aterineto. Tetikasa iray izay tsy fantatra tamin'ny tontolo virtoaly akory taona vitsy lasa izay, zara raha nahitàna mpitsidika an'arivony isam-bolana, no nahazo mpitsidika 8.008.834  tamin'ny Martsa 2015 [16] monja.

Hifamory ao Bhubaneswar renivohitr'i Odisha ny vondrom-piarahamonina Wikimedia amin'ity 3 Jona ity mba hankalaza ny fidiran'ny Odia Wikipedia ao anatin'ny fahatanoràna.

Andinindininy momba ny hetsika: https://or.wikipedia.org/s/sml [17]

* Wikipedia sy vavahadin-tserasera maro no manohana sy mampiroborobo ny Unicode [5], fenitra iray ekena maneran-tany ho fanoratana tarehintsoratra izay manome fitoviana sy tsy mahavery ny vaovao manerana ireo sehatra rehetra, satria izy izao no fomba fanoratana ‘code’ tsara indrindra ho fidirana, fikarohana votoaty ary famerenana mampiasa izany.