- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Manangon-tsonia Ho An'ny Facebook ny Okraniana Sy Rosiana Mba “Hampiato Ny Fibahanana Ara-politika”

Sokajy: Eoropa Afovoany & Atsinanana, Okraina, Rosia, Ady & Fifandirana, Fahalalahàna miteny, Fanoherana, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Politika, Sivana, Akon'ny RuNet
Title image from the Change.org petition page, displaying headlines of media coverage of the Facebook bans.

Lohatenin-tsary avy amin'ny pejy fanangonan-tsonian'ny Change.org, maneho ireo lohatenin'ny haino amanjery mikasika ny fandraràn'ny Facebook.

Vondrona iray ahitàna ireo mpampiasa Aterineto sy media ara-tsosialy izay milaza tena ho “ny vondrom-piarahamonina maneran-tanin'ny Okraniana sy Rosiana mampiasa FB” no nanomboka nanangona sonia tao tamin'ny tranonkala Change.org mba hanohitra ny izingizinin-dry zareo ho fandraràna mitanila, tsy azo antoka, mitohy manjo ireo mombamomba ny Facebook-n'ny Okraniana sy Rosiana.

Nanome famintinana ny  sasany tamin'ireo tranga vao haingana tena nalaza be nandraràn'ny Facebook ireo mpampiasa ao Rosia sy Okraina ilay fanangonan-tsonia, nampitondraina lohateny hoe “Ajanony ny fibahanana ara-politika ao amin'ny Facebook [1],” sady mitanisa azy ireo ho toy ny porofo fa “lasa fitaovana mahomby ho an'ny Kremlin ny Facebook “. “Tahaka izay hita vao haingana ny volana Desambra 2014 teo, nanakanana [2] ny pejy manohana an'i Alexey Navalny, Rosiana iray mpitarika ny mpanohitra, famotehana vao haingana [3] ireo lahatsoratra sy kaonty aterineton'ny olo-malaza Rosiana tahàka an'i Rustam Adagamov, Anton Nossik, sy Sergey Parkhomenko [4]mpanao gazety, teo koa ny kaontin'ireo Okraniana mpanao gazety malaza, Vakhtang Kipiani sy Yuri Butusov, ary ny poety vantambantam-piteny Andriy Bondar.”

Maneho alahelo ireo mpanoratra ilay fanangonantsonia hoe tsy noraisin'ny Facebook ho raharaha “azo lazaina ho manahirana” ilay toe-draharaha (niresaka ampahibemaso momba ny sasany tamin'ireo olana [5] i Mark Zuckerberg, mpanorina ilay tambajotra sosialy , saingy nanilika kosa ireo fiampangana ho mitanila “ara-politika”) ary miantso [1] fampiatoana ny fanakanana ny kaonty Rosiana sy Okraniana, mandra-pametraka amin'ny toerany ny “rafitra iray vaovao, notefena hahatohitra ireo fanafihan'ny troll andoavam-bola sady hanakanana ny fomba ratsy hanatanterahana tanjona ara-politika.

 

Tsy haintsika hoe nahoana ny Facebook no toa maniry mafy hanakana ny olona tsy hanohitra ny politikan'ny governemana Rosiana. Angamba tsy ampy fahalalaàna loatra ny tarika mpandrindra  ao aminy, tsy mivelatra tsara, na koa mitanila ara-politika. Saingy na inona na inona antony, hain'ny governemanta Rosiana ny manimba ny rafitra misy ankehitriny sy manararaotra mampiasa izany ho tombontsoany ara-politika.
[…]
Mety ho toy ny hoe olana ho an'ny ampahany kely amin'ireo mpampiasa Facebook fotsiny no fomba ijerena ireo fanafihana ety anaty Cyber miainga avy any Rosia ary mikendry indrindra indrindra ireo Rosiana sy Okrainiana. Na izany aza, raha tsy atrehina  ankehitriny io olana io, rahampitso mbola io tetika io ihany no ampiasain'ny governemanta sy ireo hetsika ara-politika manerana izao tontolo izao mba hampanginana ireo mpanohitra azy. Nandritra ny Lohataona Arabo, nanjary mitovy lanja tamin'ny fahalalahana miteny ny Facebook. Hampalahelo tanteraka izany raha toa izy ka mivadika ho mariky ny fanafoanana azy io.

Nahatratra sonia miisa 1,700 ny fanangonan-tsonia, [1] nanomboka ny 26 May, nandritra ny ora folo voalohany taorian'ny nandefasana azy, anisan'izany ireo olo-malaza Rosiana sy Okraniana.

Teo aloha dia efa tafalatsaka nanao hadisoana vitsivitsy [6] ny Facebook teo aloha rehefa nanaisotra ireo votoaty nolazaina fa nandika ny lalànany momba ny fenitry ny vondrom-piarahamonina, [7] saingy manitrikitrika fa tsy azo heverina ho “mari-pandrefesana tsara” [8] ny fitakiam-bahoaka ho entina milaza fa mandika, na tsia ny politikan'ilay tranonkala ny lahatsoratra iray.