- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ny Fitiavan-tanindrazana Ahazoan-tombon'ny Fifankatiavan'i Vladimir Poutine Sy Ireo Mpitondra Môtô

Sokajy: Eoropa Afovoany & Atsinanana, Alemaina, Okraina, Polonina, Rosia, Ady & Fifandirana, Fifandraisana iraisam-pirenena, Mediam-bahoaka, Akon'ny RuNet
The Night Wolves ride their growing renown all the way to the bank. Image edited by Kevin Rothrock.

Night Wolves (Amboadian'ny Alina) mandeha mitondra ny lazany tsy mitsaha-mitombo ho any amin'ny banky . Sary nataon'i Kevin Rothrock.

Miaraka amin'ny anarana mitovy amin'ny azy ireo, miandry zavatra lehibe tokoa ianao avy amin'ny “Night Wolves,” fikambanan'ireo Rosiana mpitondra môtô, izay lasa nalaza be maneran-tany noho ireo zava-nitranga nataony nitory fitiavan-tanindrazana, sy ny fanohanany hatramin'ny farany an'i Vladimir Poutine, ary ireo fandehandehanan'i Rosia tany ivelany vao haingana tany Okraina.

Marina fa tsy tena vaovao ny fifankatiavan'i Poutine sy ireo mpitondra môtô. Niditra voalohany tao amin'ilay vondrona izy tamin'ny fandehandehanana [1] ny volana Aogositra 2011, narahana kidaombaramita be mihitsy. Tamin'ireo taona nanaraka izany, matetika i Poutine no mihaona amin'ny Night Wolves, vokany dia indraindray hita taraiky [2] amin'ny fihaonana miaraka amin'ireo.

Hatry ny nahazoan'i Rosia an'i Krimea indray sy nanombohany nanohana ireo mpisintaka any Okraina atsinanana, lasa fikambanana politika misokatra kokoa ireo Night Wolves, izay tarihan'i Alexander Zaldostanov (fantatry ny maro amin'ny hoe “ilay Mpandidy”), izay milaza ny heviny [3] fa lasa “fitaovana ankatoavin'ny fanjakana maneho ny diplômasiam-bahoaka” ny fikambanany.

Ny volana Martsa, tamin'ny voalohandohan'ity taona ity, nanambara tetikasa handeha hanavatsava an'i Moscow ka hatrany Berlin ny Night Wolves, ho fanomezam-boninahitra ny fankalazàna ny faha-70 taonan'ny fandresen'ny Firaisana Sovietika tamin'ny Ady Lehibe Faharoa. Nomanina [4] hiainga any Moscow ny 25 Aprily ny ekipan'ny mpitaingina môtô, ary manaraka ny làlan'ny Tafika Mena, any Bielôrosia, Pôlônina , Slovakia, ny Repoblika Tchèque, ary Aotrisy, alohan'ny hahatongavany ao Alemàna ny 9 May.

Tamin'ny filazàn'ny Praiminisitr'i Pôlônina azy io ho fihantsiana, dia niampanga [5] avy hatrany ilay tetikasa izy, tamin'ny fitanisàny ny fanohanan'ny Night Wolves ireo hetsik'i Rosia ataony any Okraina. Ny 27 Aprily, nosakanan'ny manampahefana Polone ireo Night Wolves ampolony  tany amin'ny sisintany iarahany amin'ny Bielôrosia. Telo andro taty aoriana anefa, nanambara [6] i Zaldostanov fa nahavita niditra tao Pôlônina ny sasany amin'ireo mpikambana ao amin'ny vondrona, ary nahavita nanohy ny làlany ho any Alemàna ihany ny farany ireo mpandeha môtô.

Ny 6 May, taorian'ny fisalasalàna maro, nilaza [7] ireo tompon'andrakitra Alemàna fa tsy misy antony ara-dalàna mihitsy afaka mandrara ny zon'ny Night Wolves mba handeha hanavatsava an'i Berlin, izay nataon'ilay vondrona ny 9 May, raha nankalaza ny Andro Fandreseny i Rosia.

Nisintona ny fijerin'ny maro ny Night Wolves tao amin'ny media sosialy, izay nisy ireo mpampiasa Aterineto maro nirohotra tao amin'ireo vondrom-piarahamonina [8] ao amin'ny VKontakte natao ho an'ireo fikambanana mpitondra môtô, mba hirary soa azy ireo hahatanteraka soa ny diany, ary hiarahaba ilay ekipa any Berlin. Ny sasany nilaza ny hasosorany tamin'ny fomba nandraisana ireo mpitondra môtô ireo tany ivelany, mahita izany ho fanafintohinana [9] ny fankalazana fahatsiarovana ireo matin'ny ady tao Rosia.

Nilaza i Zaldostanov fa mieritreritra ny hitondra ny vondrony hankany Okraina Andrefana avy eo, izay nampanantenainy fa hanamboaran-dry zareo ireo tsangambato fahatsiarovana ny Ady Lehibe Faha-II  voalaza fa nosimbàn'ireo Okraniana nasiônalista.

Tsy ny fitiavana ny Night Wolves ihany anefa no misy ao amin'ny Aterineto. Ny 5 May, ny andro nialoha ny nahazoan'ireo mpitondra môtô alalana hanavatsava an'i Berlin, navoakan'ny mpikatroka mafana fo manohitra ny kolikoly, Alexey Navalny, ny porofo fa nahazo vola maherin'ny 56 tapitrisa robla (1,1 tapitrisa dolara) tao amin'ny volam-panjakana ny Night Wolves, hatry ny taona 2014. Efa ho ny ampahatelon'io vola io no nampiasaina tamin'ny fampisehoana môtô tany Sébastopol ny volana Jolay 2014, nahazo ny alalana avy tamin'ny Minisitry ny Kolontsainan'i Rosia.

Ny 13 May, nifoha tamin'ireo vaovao tsara maro ny Night Wolves tany Sébastopol, izay nanomezan'ireo manampahefana teo an-toerana ireo mpitondra môtô tany mirefy 227 hektara (eo amin'ny 560 acres) mba hampiroboroboana ny fanatanjahantena, ary ny “fampianarana fitiavan-tanindrazana ara-tafika [10].” Manofa mora be ilay tany ilay vondrona, mandoa 0,1 isanjaton'ny tetibidin'ireo toerana fotsiny, izay tombanana ho 1,2 lavitrisa robla (24,4 tapitrisa dolara).

Tena ahitan-tombony kosa ny fitiavan-tanindrazana sandaina vola! Nomena tany 227 hektara ao Krimea ny “Night Wolves”.

Nitondra ny anjarany tamin'ity lahatsoratra ity i Kevin Rothrock.