- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fantaro Ilay Lehilahy Mpikambana Kongresy Te-Hahakristiana ny Aterineto

Sokajy: Amerika Latina, Brezila, Fivavahana, Mediam-bahoaka, Politika
Photo: Valter Campanato/ Agência Brasil

Eduardo Cunha, Filohan'ny Antenimieran'ny Solombavambahoaka. Sary: Valter Campanato/ Agência Brasil [1]

Toa mankafy ny ho hitam-bahoaka i Eduardo Cunha, lehiben'ny antenimimeram-pirenena ao Brezila.

Nampitahain'ny gazetiboky Breziliana iray amin'ilay Frank Underwood [2] olona iray, makiavelika, ao amin'ny sarimihetsika House of Cards, [3] fantatra amin'ny fanakaikezana [4]ny sasany amin'ireo olo-malaza ara-pivavahana mampiady hevitra indrindra ao amin'ny firenena i Cunha, ary lasibatra maharitry ny hetsiky [5]ny mpikatroky ny zo sivily sy ny LGBT noho ny fijeriny tafahoatra amin'ny fomba fijeriny araka nenti-paharazana mahasorena.

Nisongadina tamin'ny lohatenim-baovao indray i Cunha noho ny adihevitra hafa: tamin'ny volana Aprily, namoaka ny lisitry ny anaran-tranonkala 288 [6] nosoratana amin'ny anarany ny habatranonkala Pastebin, ka momba an'i Jesoa Kristy ny 154 amin'izany.

Mba hihazonana ny anaran-tsehatra, toy ny jesusfacebook.com.br, gmailjesus, googlejesus, messengerjesus, youtubejesus sy ny jesusblackberry, mandany [7] eo amin'ny 8,000 reals (eo amin'ny 2600 dolara Amerikana eo) isan-taona i Eduardo Cosetino da Cunha, araka ny filazan'ny gazety O Estado de São Paulo. *

Hatramin'izao dia tsy mety maneho hevitra mikasika ny tatitra momba ireo anaran-tsehatra ireo ity lehilahy mpikambana ao amin'ny kongresy ity, izay nilaza teo aloha fa mitady ny aterineto “hoan'ny Kristianina ihany” izy.

Mandatehezana ho an'olona Mpitarika

Manana endrika ara-politika be dia be ny zotom-po ara-pivavahan'i Cunha. Anisan'ny ao anatin'ilay antsoina hoe Mandan'ny Parlementera Evanjelika [8]: vondrona manambatra ireo mpikambana evanjelika ao amin'ny kongresy avy amin'ny antoko samihafa i Cunha, izay mamaritra ny tenany ao amin'ny Twitter [9]ho “Evanjelika, mpahay toe-karena, mpiaro ny fiainana sy ny fianakaviana”.

Raha mpikambana ofisialy ao amin'ny Antokon'ny Mpiasa, antokon'ny fitondran'ny
Filoha Dilma Rousseff i Cunha, ny Manda misy azy no fahatelo lehibe indrindra [10]ao amin'ny antenimiera raha toa ka ekena ho toy ny antoko ara-dalàna. Araka izany, dia haika lehibe eo amin'i Rousseff sy ny hafa eo amin'ny tontolo politika ao Brezila izany

Photo: Eduardo Cunha's Official Website

Cunha mitarika fivavahana ao anatin'ny tranoben'ny Kongresy. Sary: Eduardo Cunha's Official Website [11]

Isa-kerinandro, mivory ao amin'ny iray amin'ny efitry ny lapan'ny kongresy ny Mandatehezana ry zareo hivavaka. Raràn'ny Lalàmpanorenana Breziliana [12], izay miantoka ny firenena laika izany fomba fanao izany, saingy nodinihana indray [11]rehefa voafidy ho Filohan'ny Antenimieran'ny Solombavambahoaka tamin'ny volana Febroary teo i Cunha.

Mitsipaka [13]ny fankatoavana ireo fomba fijery hafa momba ny zon'ny LGBT, ny fanalan-jaza na ny politikan'ny zava-mahadomelina ny Mandatehezana, ary niaro ny fampidinana ny taona mahatompon'andraikitra amin'ny heloka bevava ho 16 taona. Na dia teo aza izany toe-javatra mampiadihevitra izany, niakatra [14] 14% [14] ireo mpikambana ao amin'ny Mandatehezana [14]taorian'ny fifidianana kongresy tamin'ny taon-dasa.

Eduardo Cunha is called "The Republic's Saboteur",  in a magazine cover comparing him to the House of Cards' character Frank Underwood.

Antsoina hoe Mpanimban'ny Repoblika i Eduardo Cunha, ao amin'ny fonon-gazety iray mampitaha azy ao amin'ny House of Cards’ amin'ilay Frank Underwood.

Tamin'ny tatitra nataony momba ny anaran-tsehatra novidian'i Cunha (ao anatin'ny taona voafetra), nilaza [15]ny gazety espaniola El País amin'ny teny Portiogey fa fiangonana evanjelika maro no mandrisika ireo mpikambana ao aminy hividy anaran-tsehatra amin'ny aterineto ho fomba fiarovana sy fampitomboana ny finoana.

Nilaza ihany koa izy ireo fa natao hanakanana ny “cybersquatting [16]” [fonenana an-tsokosoko ao amin'ny serasera] izany, izay araka ny Lalàna Amerikana dia midika ho “manoratra anarana, miditra an-tsokosoko na mampiasa anarana sehatra aterineto [17]amin'ny fikasana ratsy [18] haka tombontsoa amin'ny fikasana tsaran'ny anara-marika [19] iray an’olon-kafa“.

Araka ny filazan'ny El País ihany, tsy afaka nividy ny nuevotiempo.com ohatra ny fiangonana evanjelika Espaniola Nuevo Tiempo satria efa nanana tompony ilay izy - izay mangataka 80.000 dolara raha te-hahazo izany.

Ao Brezila, mbola tsy voafidy ny lalàna entina misoroka izany fomba fanao izany [20] hatramin'ny nanolorany azy voalohany tamin'ny 2011. Hiditra amin'ny fandràrana ny tetikasa natolotry ny solombavambahoaka Claudio Cajado :

(…) o registro de nomes de domínio de internet nas categorias sob o domínio .br idênticos ou bastante similares a nomes de marcas, de empresas ou de pessoas previamente conhecidas, sem autorização do titular. Também não serão registráveis expressões contrárias à moral e aos bons costumes, que ofendam a honra ou imagem de pessoas ou atentem contra a liberdade de consciência, crença e culto religioso.

) Ny fandraketana ny anaran'ny sehatra aterineto amin'ny sokajy ambanin'ny .br mitovy na mitovitovy amin'ny marika, orinasa na anaran’olona efa fantatra teo aloha, tsy misy fahazoan-dalana avy amin'ny tompon[‘anarana]. Ireo fiteny mifanohitra amin'ny fitondran-tena sy ny fahamendrehana, izay manevateva ny voninahitra sy ny momba ny olona na fikasana manohitra ny fahalalahan'ny feon'ny fieritreretana, ny finoana na fomba ara-pivavahana.

Malina tanteraka i Eduardo ka mandrakitra ny anaran-tsehatra amin'ireo fiovaovana .net sy .com.br. Ankilan'ny Jesoa, mifandraika amin'ny onjam-peony (melodiafm) ihany koa ny anaran-tsehatr'i Cunha sy amin'ireo anaran-tsehatra fivarotana mitodika amin'ny vahoaka kristianina, tahaka ny “compradecrente”, izay midika hoe “tsenan'ny mpino”.

Ny mahavariana, miresaka aterineto hoan'ny Kristianina ihany” i Cunha tamin'ny fotoana nanaovana ny fandraketana anarana tamin'ny 2012 raha nandray anjara tamin'ny “Diabe hoan’i Jesoa” izy.

Nitanisa [15] fanehoan-kevitra nataon'ireo fampahalalam-baovao hafa tamin'izany fotoana izany ny El País:

Em 2012, quando muitos desses registros foram feitos, aproveitando a mobilização de uma Marcha para Jesus, o deputado explicou à revista Época a iniciativa. “Disponibilizaremos contas de e-mails, teremos um buscador, recolheremos doações para igrejas, transmitiremos cultos, comercializaremos produtos cristãos, teremos uma rede social, em suma, é uma internet só para cristãos”, disse à coluna de Felipe Patury. À Folha de S.Paulo, Cunha declarou à época que mirava a “maior audiência evangélica do país”.

“Hanao kaonty mailaka azo ampiasaina izahay, hanana milina fikarohana izahay, hanangona fanomezana hoan'ny fiangonana izahay, handefa fandaharana ara-pivavahana izahay, hivarotra vokatra kristianina, hanana tambajotra sosialy, raha fintinina [hanana] aterineto ho an'ny Kristianina ihany izahay. “[…] Nanambara i Cunha tamin'izany fotoana izany fa ny kinendriny dia ireo ‘mpivavaka evanjelika betsaka indrindra ao amin'ny firenena” .


Ary tsy mitsaha-mitombo ny isan'ny mpanaraka. Na dia mbola firenena manana mponina Katolika betsaka indrindra manerantany aza i Brezila, nitombo haingana ny isan'ireo fiangonana Pentekotista amin'ny endriny vaovao sy ny olona lazaina fa evanjelika.

Nahitana fiakarana 61% ny isan'ireo mpivavaka evanjelika nandritra ny folo taona farany araka ny hita tamin'ny fanisam-bahoaka farany [21] . Araka fitsapan-kevitra tamin'ny 2013 [22] nataon'ny Datafolha, ivon-toeram-pikarohana iray, dia evanjelika avokoa ankehitriny ny 28%n'ny Breziliana.

Toa mahay mamaky izany tranga izany tsara kokoa noho ny maro hafa i Eduardo Cunha. Fotoana fohy talohan'ny naha-voafidy azy hitarika ny antenimieran'ny solombavambahoaka, nanomboka nanalavitra ny tenany tamin'ny fiangonana evanjelika iray, Sara Nossa Terra [23] (Sitrano ny taninay), izay nahampikambana azy nandritra ny 20 taona izy ary nanomboka hita tamin'ny fotoam-pivavahan'ny Assembleia de Deus [24], [Fiangonan’ Andriamanitra] iray amin'ireo anaram-piangonana evanjelika taloha indrindra sy iray amin'ireo manana mpanatrika betsaka indrindra ao Brezila. Ireo fiangonana roa ireo dia samy tantanin'ireo mpitarika manana fahefana goavana [25] amin'ireo tsongoin'olom-bolo ara-politika ao amin'ny firenena.

Nahazo ity tarehimarika ity ny gazety O Estado de São Paulo tamin'ny alalan'ny Registro.com, [26] fikambanana tompon'andraikitra amin'ny fandraketana anaran-tsehatra habaka ao Brezila.