- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Hafatra Hoan'ilay Bilaogera Ethiopiana: Mahlet Fantahun, Tsy Irery Ianao

Sokajy: Etiopia, Fahalalahàna miteny, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Sivana, Zon'olombelona, GV Mpisolovava
Mahlet Fantahun and Edom Kassaye, the female members of the group.

Mahlet Fantahun (faharoa avy any ankavanana) miaraka amin'i Edom Kassaye, mpanoratra gazety voafonja.

Talohan'ny nisamborana azy, manam-pahaizana momba ny tahirin-kevitra nomerika tao amin'ny Minisiteran'ny Fahasalamana ao Ethiopia i Mahlet Fantahun, [1] bilaogera Ethiopiana. Anisany ao anatin'ny vondrona famahanam-bilaogy iombonana antsoina hoe Zone9 [2], i Mahlet. Nalaina avy amin'ny fonjan'ny fanjakana Ethiopiana ao Addis Abeba antsoina hoe Kality, izay manana faritra valo ny anaran'ny vondrona. Nomen'ireo bilaogera anarana ny hoe Zone9 (Faritra faha-9) ny tetikasan'izy ireo, amin'ny hevitra hoe “fonja onenan'ny Ethiopianina rehetra.”

Manoratra ity lahatsoratra bilaogy ity ho firaisankina amin'i Mahlet Fantahun sy ny vondrony, Zone9 aho.

A  quick drawing of Mahlet Fantahun by Melody Sundberg

Sarin'i Mahlet Fantahun nataon'i Melody Sundberg

Tsy mbola tany Ethiopia aho. Saingy efa niaina nandritra ny taona maro tany Afrika Atsinanana na dia izany aza, ary fantatro tsara fa samihafa tanteraka amin'ny fiainana iainako ny fiainana andavanandron'i Mahlet sy ny loza atrehiny. Olona ametrahako fanajana ambony indrindra ny olona tahaka an'i Mahlet izay misafidy hiatrika izany risika izany, na dia eo aza ny fiantraikany.

Tsy fantatro hoe manao ahoana izany mandany andro maro any am-ponja Ethiopiana izany. Azoko an-tsaina fa tena ratsy kokoa ny andro sasany noho ny hafa. Azoko an-tsaina fa iray amin'ireo zava-tsarotra indrindra ny tsy fahafantarana mazava hoe firy andro no hijanonanao any am-ponja. Azoko an-tsaina fa iray amin'ireo ratsy indrindra ny fahatsiarovanao ny fianakavianao sy ny namanao, izay miahiahy ny amin'ny fahasalamanao sy ny hoavinao. Azoko sary an-tsaina ny fahasorenana amin'ny rafi-pitsarana. Ny fahasorenana fa naiditra am-ponja noho ny fanaovana zavatra izay tena tokony mahasoa ny fiarahamonina: andraikitra ara-tsosialy sy ny fandraisana andraikitra hoan'ny hoavin'ny firenena.

Tamin'ny volana Aprily, nandray anjara tamin'ny fihaonambe tao Copenhagen tamin'ny Global Media Freedom (Fahalalahan'ny Media Manerantany) [3]miaraka amin'ireo mpanoratra gazety sy mpiantsehatra amin'ny haino aman-jery manerantany maherin'ny 100 aho. Niverimberina ny fanontaniana iray tamin'izany fotoana izany.

Firaisankina no teny miverimberina foana ao amin'ny #mediafreedom2015 [4] izay ain-dehiben'ny fahaleovantena maharitry ny media. Manao ahoana izany raha amin'ny fampiharana?

Tsy voavaly ny fanontaniana, farafaharatsiny tsy tamin'ny antsipirihany. Saingy nilaza ny fomba fiasan'izy ireo amin'ny fanentanana mikasika izay mitranga ao Ethiopia ny solontena iray avy ato amin'ny Global Voices nandritra ny fihaonambe tao Copenhague. Ahoana no hanaovana hetsika ao anaty firaisankina. Misy hatrany ny zavatra azonao atao.

Tsy hamotsotra an'i Malhet sy ireo bilaogera hafa any am-ponja ny fanoratana lahatsoratra bilaogy iray. Fa natao izany tsy hahamaty momoka ny tantara. Mba tsy hijanonana mangina.

Resaka fijoroana sy fandraisana andraikitra no nataon'ny bilaogeran'ny Zone9. Fanaovan-javatra, tsy ho amin'ny tombotsoan'ny tsirairay ihany fa hoan'i Ethiopia. Izany hoe miasa ho amin'ny fiovàm-pananganana ara-tsosialy.

Amin'izao fotoana izao, tiako ho fantatr'i Mahlet sy ny Vondrona Zone9 fotsiny fa tsy irery izy ireo.