- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ny Tolo-Kevitry Ny Nosy Marshall Hampihena Ny Famoahana Etona Avy Amin'ny Fitaterana An-dranomasina

Sokajy: Oseania, Vondronosy Marshall, Mediam-bahoaka, Tontolo_iainana
A large cargo ship full of shipping containers sailing into port. Photo: stockarch.com [1]

Sambo lehibe mpitondra entana feno kaontenera an-dranomasina hamonjy  seranan-tsambo. Sary: stockarch.com. CC BY 3.0

Ity lahatsoratra ity dia mifototra amin'ny tantara [2]nosoratan'i Aaron Packard ho an'ny 350.org, fikambanana mamoaka ireo hetsika momba ny toetr'andro manerantany, ary navoaka indray ato amin'ny Global Voices noho ny fifanarahana fifampizarana votoaty

VAOVAO FARANY: Nampiato ny tolokevitra tamin'ny 13 Mey ny Fikambanana Iraisam-pirenen'ny Fifamoivozana An-dranomasina rehefa tsy nahavita nahazo fanohanana betsaka [3]teo amin'ireo fanjakana mpikambana.

Mivory ao Londra ny Fikambanana Iraisam-pirenen‘ny Fifamoivozana An-dranomasina (IMO) amin'ity herinandro ity mba handinika ny tolo-kevitra avy amin'ny Repoblikan'ny Nosy Marshall miantso ny hampihenana ny famoahana etona avy amin'ny fifamoivozana an-dranomasina manerantany. Taorian'ny taona maro nisian'ny hetsika miadana amin'ny fampihenana ny famoahana etona avy amin'ny fifamoivozana an-dranomasina, nitondra ezaka vaovao ao anatin'ny fotoan-tsarotra ny tolo-kevitra.

Etsy andaniny, mahaliana ny toerana misy ny Nosy Marshall noho izy mitana ny laharana fahatelo manerantany amin'ny fifamoivozana an-dranomasina, etsy ankilany kosa, mety hidiran-doza izy noho ny famoahana etona tsy voaara-maso avy amin'ny fifamoivozana an-dranomasina. Nanazava izany tao anatina fambarana ny Minisitry ny Raharaham-bahiny Tony de Brum:

We are an island nation and shipping is one of our lifelines. At the same time, carbon emissions, including those from shipping, pose an existential threat to our people and our country.

Firenena nosy izahay ary iray amin'ireo fiainanay ny fifamoivozana an-dranomasina. Ao anatin'izany, loza mitatao hoan'ny vahoakanay sy ny firenenay ny famoahana etona, anisan'izany ireo avy amin'ny fifamoivoizana an-dranomasina (sambo mpitondra entana).

 


Nanomboka tamin'ny 1990, nitombo teo amin'ny 70% teo ny famoahana etona avy amin'ny fifamoivoizana an-dranomasina, ary 2,7% amin'ny famohanana CO2 rehetra manerantany tamin'ny 2012. Raha taterina tahaka ny firenena izany famoahana etona izany, dia i Japana sy Alemaina no mitana ny lohalaharana amin'ny fitaterana an-dranomasina mpamoaka CO2 be indrindra. Saingy tsy notondroina ho tompon'andraikitra ao amin'ny Fifanekenan'ny Firenena Mikambana momba Fikorontanan'ny Toetr'andro ity karazana famoahana etona ity, ary milaza ny vinavina fa mety hitombo haingana kokoa ao anatin'ny taom-polo izany famoahana etona izany raha tsy voafehy. Navela ho anjaran'ny IMO no miresaka fivoarana, izay miadana loatra - araka ny asongadin'ity sary eto ambany avy amin'ny Fitaterana & Tontolo iainana ity, mampiseho ireo fikambanana mpiahy ny fampandrosoana maharitra sy ny tontolo iainana Eoropeana
.

International-Maritime-Organisation-Timeline22

Raha lanin'ny IMO amin'ity herinandro ity ny tolo-kevitry ny Nosy Marshall, mety hitondra fandrosoana lehibe hoan'ny fampihenana ny fandefasana etona avy amin'ny fitaterana an-dranomasina, ary mihoatra noho izany, fotoam-pananganana lehibe ho entina amin'ny fivorian'ny Firenena Mikambana miresaka momba ny toetr'andro ao Paris amin'ny faramparan'ity taona ity.