- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

“Voaozona Hohadihadiana ny Uber ao Shina”

Sokajy: Azia Atsinanana, Shina, Fanoherana, Mediam-bahoaka, Toekarena sy Fandraharahàna
Photos showing a street confrontation between Uber drivers and traffic police on May 10 in Chengdu. Photos taken by Weiboer Wong Pok. [1]

Sary mampiseho ny fifanandrinana teny an-dalambe teo amin'ireo saoferan'ny Uber sy ny polisy misahana ny fifamoivozana tamin'ny 10 Mey tao Chengdu. Sary nalain'ilay mpisera Weibo, Wong Pok.

Nahatonga ny vahoaka hitsikera ny manampahefana Shinoa ao an-toerana indray ny bemidina farany tamin'ny 6 mey tao amin'ireo birao Taxi malaza Uber tantanin'ny Amerikana, tao an-tanàna atsimo-andrefan'i Chengdu. Niampanga ireo manampahefana ho mampiseho tombotsoa manokana amin'ny indostrian'ny taxi sy tsy miraharaha ny tolotra ratsy avy amin'izany indostria izany ny sasany, ny hafa kosa talanjona mahita ireo manampahefana manasazy indray ny orinasan'ny aterineto vahiny hafa.

Tanàna Shinoa teo amin'ny 10 teo no nametrahana ny Über. Nanomboka tao Guangzhou ny fangejana ireo biraony, ka nakan'ny manam-pahefana avy ao amin'ny sampan-draharahan'ny fitaterana an-tanàna, ny polisy sy ny sampan-draharaha mpanome fahazoan-dalana ara-pandraharahana ireo finday sy fitaovana hafa, ary avy eo izy ireo niparitaka tany amin'ireo tanàndehibe hefa.

Nilaza ny manampahefana ao amin'ny vaomieran'ny fifamoivozana ao an-tanànan'i Chengdu fa ny bemidina natao dia ao anatin'ny famotorana lalina amin'ny andraikitry ny Uber [2] eo amin'ny sehatr'asan'ny taxi tsy miankina tsy manana fahazoan-dalana. Nandràra ireo fiara tsy miankina tsy hanao raharahan'ny taxi amin'ny alalan'ny fampiharana finday ny governemanta Shinoa tamin'ny volana Janoary.

Ankoatra ny bemidina tany amin'ireo birao, nikendry ireo saoferan'ny Uber ny polisy misahana ny fifamoivoizana. Wong Pok, mpanolo-tsaina ara-piofanana namariparitra tao amin'ny Weibo (mitovy amin'ny Twitter) ny fifandonana hitan'ny masony tamin'ny 10 Mey tao Chengdu :

【成都Uber不哭】今晚成都牛市口海椒市附近,交警吊销Uber司机的驾照并没收手机,众多Uber司机到现场声援斥责钓鱼及暴力执法。顺便提一句,今晚#张惠妹成都演唱会#结束,诸多歌迷打不到车,有出租司机喊出不打表百元起价。世间总有一些事,转发也是力量。我下周将申请成为Uber司机,就这样。

Aza mitomany ry Uber ao Chengdu: Androany hariva tao akaikin'i Nuishikuo sy Haijiaoshi ao Chengdu, nalain'ny polisy misahana ny fifamoivoizana ny taratasy fahazoan-dàlana hamily fiara (Über) sy ny finday. Maro tamin'ireo saoferan'ny Über no tonga tao an-toerana mba hanohitra ny “bemidina fanjonoana” [polisy manampahefana manao fitafiana sivily mody manao mpanjifa mba hamitahana ireo saofera ao amin'ny aterineto]. Nitranga izany rehefa vita ny fampisehoan'i Chang Hui Mei ary tsy nahita taxi intsony ireo mpankafy an'i Chang. Nisy ireo mpamily fiarakaretsaka sasany nitaky RMB100 [tokotokony ho 16 dolara] ho vola miditra voalohany tsy misy rosia. Amin'ny tontolo toy izany, fampisehoana tanjaka ny tohiny. Amin'ny herinandro ambony, hanatevin-daharana ny Uber amin'ny maha-mpamily ahy aho. Dia izay.

Vetivety dia voafafa ny lahatsoratra, saingy efa taorian'izy nahazo fanehoan-kevitra tokony ho 1.000 ary efa nisy an-jatony nampita azy.

Na dia iray tamin'ireo voalohany nifampizarana toerana anaty fiara aza ny Uber dia tratra aoriana miohatra amin'ireo Shinoa mpaka tahaka izay niroborobohaingana sy nahazo fanohanana avy amin'ireo mpampiasa vola goavana.

Na izany aza, tsy midika izany fa tsy nitaraina [3] mikasika ny famoretana ireo mpiserasera habaka. Nilaza ireo mpaneho hevitra maromaro fa tokony handrisika ny fanaovana zava-baovao, manamora ny fitaterana sy manatsara ny faharatsian'ny tolotra eo amin'ny orinasan'ny fiarakaretsaka ny andraikitry ny governemanta, kanefa toa manakana ny zava-baovao mba hiarovana ny tombontsoan'ny fandraharahana sasany indray ireo manampahefana.

Tsy faly [4] momba ny zava-misy eo amin'ny orinasan'ny fiarakaretsaka i MRJERRYZHOU, manam-pahaizan'ny fiara

ZF应该赶紧出台一些游戏规则来合法化这个产业,而不是让某组织通过知法犯法的下三滥手段来执法,在人民心中的标准不是Uber,而是便捷和温馨,如果还是那些拒载、脏乱差、爆粗口的出租车来垄断这个行业,那我(ren)们(min)只能力挺Uber!

Tokony hamoaka fitsipika vaovao ny governemanta mba hanamarinana ny indostrian'ny fiarakaretsaka, fa tsy mamela ireo manampahefana sasany hampihatra lalàna diso. Ny ilain'ny vahoaka dia tolotra tsara sy sahaza eo amin'ny taxi. Isika vahoaka dia hanohana ny Über ihany raha mbola atao ampihimamba ny raharahan'ny taxi, izay matetika manome fiara maloto sy tolotra mahatsiravina ary matetika mandà na manararaotra ireo mpanjifa ny mpamily.


Nihevitra [5]i Zhu Hai fa niasa ho amin'ny tombontsoan'ny orinasan’ny fiarakaretsaka ny manampahefana ao an-toerana :

①Uber动了一些地方政府的奶酪,于是被查;②利用权力是地方政府获得利益的最有效方式;③专车打破旧秩序时,不愿失去利益的旧势力进行抵抗

1. Nohadihadiana ny Uber satria manohintohina ny tombontsoan'ny manampahefana ao amin'ny indostrian'ny taxi;

2. Ny fanamparam-pahefana no fomba mahomby indrindra ataon'ny manampahefana eo an-toerana mba hahazoana izay tiany;
3. Te-hiady amin'ny fanovana ny fahefan'ny taxi nentim-paharazana raha mandrava ny ampihimamba ireo fiara manokana.

Ny sasany kosa nanontany raha anisan'ny fikasan'ny governemanta hametra bebe kokoa ny fidirana amin'ny aterineto ao amin'ny firenena na koa hananganana “intranet” (aterineto anatin'ny fanjakana) ny fangejana, ka ny Uber amin'ny maha- orinasan'ny aterineto vahiny azy no lasibatra voalohany. Nizara [6]ny heviny ny mpisera Weibo iray, Atoa Tuixiang Moda :

继广州Uber被查封之后,成都Uber也刚刚被查封,很多人将之归结于地方交管部门的利益,也有人阴谋论为其国内竞争对手的图谋,但从更大的背景来看,杜绝国外互联网应用的壮大,扶持本土替代应用,乃是国家互联网长期战略,其最终指向的是国家局域网,从这一角度来看,Uber在劫难逃!

Nitsidika ny biraon'ny Uber ao Chengdu ny polisy Shinoa taorian'ny bemidina tao Guangzhou. Maro ny olona milaza izany ho tombotsoan'ireo mpandrindra ny fitaterana ao an-toerana, ny hafa kosa mandray izany ho hetsika avy amin'ny mpifaninana amin'ny Über ao Shina. Na izany aza, amin'ny fomba fijery mivelatra kokoa, mety niainga avy amin'ny paikady ara-aterineto fanaon'i Beijing izany izay manao izay hampitsontsorika ny fiharian-karenan'orinasan'aterineto vahiny sy manohana ireo vahaolana hafa avy ao an-toerana. Mety hitarika mankany amin'ny tambajotra anatin'ny fanjakana izany rehetra izany. Ka voaozona hohadihadiana ao Shina ny Uber!

Azo antoka fa tsy vao voalohany no nisy orinasa an'aterineto vahiny niatrika fanenjehana. Taloha ny governemanta Shinoa efa nampiato ny fidirana amin'ny Google, Facebook, Twitter, ary ankehitriny Über indray.