- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Toy Izao No Mitranga Rehefa Nisy Nilaza Hoe Niteny Ny Mozisiana Iray Fa Ambany Noho Ny Vehivavy Fotsy Ireo Ogande

Sokajy: Afrika Mainty, Oganda, Foko sy Fiaviana, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Mozika, Vehivavy sy Miralenta
10407029_432138270295343_7798469059842224196_n

Coco Finger, Ogande mpiangaly mozika. Sary avy amin'ny  pejy Facebook ofisialin'i Coco Finger's official Facebook page.

.

Tao anaty tafa iray ho an'ny gazety Ogande The New Vision [1], (Fijery Vaovao) i Okori Moses (iray  amin'ireo mozisiana sangany amn'ny hira fampandihizana, fantatra loatra amin'ny hoe Coco Finger [2]) no niteny momba ny fifandraisany amin'ny vehivavy, nilazàny zavatra betsaka tena ratsy momba ny vehivavy Ogande. Manambara i Moses fa tsy vitany mihitsy ny miraiki-po aminà vehivavy mainty ka fifanomezam-potoana hanao firaisana fotsiny no ataony amin'izy ireny.

Hoy izy [3]:

Tsy mora ny vehivavy, izay no azoko  lazaina. Vitsy no mba mahataka-javatra ary izany no antony tsy hiraiketako aminà sipa Ogande. Aleoko ny fotsy.

Ary notohizany tamin'ny filazana hoe [3]:

………………………tsy fifandraisana matotra fa resaka firaisana ara-nofo fotsiny no mety hifanaovako fotoana aminà sipa Ogande.

Nampisafoaka ny  Ogande ireny fanambaràna ireny, hatramin'ireo marobe mpamaky ny The New Vision, izay sady namelively ny gazety no namely  koa ilay mpiangaly mozika.

Tokony ho menatra amin'ny tenany ihany i Moses, hoy i Martha Kebirungi nanoratra [4]:

inona no heverina ho dikan'ity?? fa inona no andraisany anay sipa ogande!!!! sahala amin'ny hoe sady tsy manaja ny reniny sy ny anabaviny ny firesany (na kely aza). tokony ho menatra ny tenany ihany izy. ahoana raha toa ka resaka firaisana ihany koa no ilan'ireny sipa fotsy ireny azy? mety ho zakany ve? izany eo ihany, raha hiteny izy fa zakany, dia olona tsy misy lanjany izy izany.

Nanontany tena i [5] Zera Alba ny amin'izay antony mba nahazoan'ny olona tahàka ireny sehatra eny anaty media:

Fa dia nahoana no manome toerana voalohany ho an'ny olona tahaka ireny ny tonian'ny famoahan-dahatsoratry ny gazety ?

Nampitandrina [6] ny sipa Ogande i Angelo Bosa mba hiala lavitra an'ireo olona toa an'i Coco Finger, satria dia mazava izao, hoy izy, fa tsy manao afa-tsy ny mampiasa azy ireo fotsiny ny lehilahy tahàka an-dranamana io:

Ugandan galz muwulila.let him go find white gals.temumuwa wade nakatono.

Ry sipa Ogande, henonareo?  Avelao izy handeha hikaroka sipa fotsy any. Na singany kely amin'ny vatanareo aza tsy mila omena azy akory.

Namoaka fampitandremana i [7] Kiyemba Harunah ho an'ireo vehivavy maniry hifanao fotoana amin'ireny olo-malaza ireny :

Ry vehivavy mbola maniry ny hifanao fotoana amin'ireny te-ho olo-malaza ireny, ity ny tantaran'i Coco finger, fa izao aloha nampahatsiahy ahy ny bandy akama fa tsy lery no sipan'i Wagio chic ilay maty tamin'ny taona lasa ???? Ohhhhhh

Allan John Damulira, izay niara-lehibe tamin'ilay mpihira, nihevitra [8] ilay tantara ho ketrika nataon'ilay gazety :

Ilay Coco Finger niara-lehibe tamiko, ilay lehilahy niara-namonjy sekoly tamiko,ilay raim-pianakaviana mirehareha amin'ny zanaka vaviny sy ny vadiny Okori Gloria [9] tsy ho afaka hiteny zavatra mitapitapy tahàka izany VELIVELY. Velively.

Toy izany koa, heverin'i [10] Nicholas Opiyo ho nodisoina ilay tafatafa :

TSIA TSIA TSIA RESAKA RONONO AN-TAVY ITY
Manambady afrikana tsara tarehy be izao ary niteraka iray i Ing. Moses okori [Coco Finger]. Ka iza ireto olona mamorona vaovao tsy misy fotony toy izany ireto.
Avelao zareo mba hanandrana handresy an'i coco amin'ny mozikany fa tsy ny lainga afafy erantany amin'izany fomba izany.

Tao amin'ny Twitter, ilay zokiolona mpanao gazety, Grace Natabaalo nanontany hoe [11],

Fa nahoana no namoaka fakon-javatra tahaka izao e?—->Aleoko fotsy, mifanao fotoana amin'ny sipa Ogande mba hanao firaisana fotsiny aho – Coco Finger

Harriet Anena, bilaogera, niantso [13] ilay tafatafa ho “tay”:

Aleoko fotsy, mifanao fotoana amin'ny sipa Ogande mba hanao firaisana fotsiny aho – Coco Finger > Tay mifotetaka eo ambonin'ny taratasinareo

Ny Ogande sasany naneho hevitra tao amn'ny tranonkalan'ilay gazety. Mpamaky iray antsoina hoe  Dave no nihevitra [15] an'i Moses ho tsy ampy fandinihana, tsy matotra, ary angamba mila fanarahamaso ara-pitsaboana :

Oadraayy……tanora, tsy ampy fandinihana ary diso tongotra nentina nanomboka namindra. Tsy azoko inoana hoe izany ihany no mba hany ananana sy azon'ny andian-taranaka tanorantsika atolotra. Tia fotsy i Coco, oaaaooooo, tena tsy misy ilàna azy! ary ny vehivavy lafatra aminy dia tsy maintsy manana “endrika”! tena zavatra roa mifanohitra tsy afaka miaraka ireo.
Ny hitako dia olona iray tsy matotra, mikorontan-tsaina, maharikoriko, izay antenaiko fa indray andro any ny lehilahy, hijery ny tenany ao anaty fitaratra ary hanenina amin'ny teny nataony androany. Raha tsy mbola nahita ny hakanton'ny vehivavy mainty ianao, dia lany andro nivezivezy tany! tsy fahamatorana tanteraka ary tsy fahalalàna no hita asehon'ity tovolahy ity.
Ry tovolahy, manana olana amin'ny vehivavy ingahy, ary raha izaho no tamin'ny toeranao, nanatona manampahaizana mpitsabo aretin-tsaina aho fa tsy hanao angoan-tenda hikaroka mpisolo vaika ny ankalana amin'ny fanomezana tsiny ireo anabavintsika Ogande!
Halemanao ny tsy fahafahanao manao izay hahatakaran “izy ireo” fa tsy azy ireo!
Mandiniha tena ry zanakolahy !

Endrika fankahalàna tena no nandraisan'i [16] JK ireo fanehoankevitra:

Ilokako fa naniry ny ho nateraka fotsy hoditra lery saingy ratsy noho izay…. amin'ny hevitro manokana dia fankahalàna tena io, tsy fanomezan-danja ny kely anànana, fanjaitra kely ikatsahana fanekena avy amin'ny “firazanana ambony”. Saingy izao, mety ho diso aho.

Taty aoriana kely, tonga hiaro ny tenany i Moses, namela fanehoankevitra iray tao amin'ny pejy Facebook-n'ilay gazety tamin'ny nilazàny [17] hoe ilay gazety no mitady izay handetehana azy satria aleony nisafidy ireo vehivavy Ogande mainty:

Tsia tsia tsia tsia tsia tsia tsia tsia tsia tsia tsia tsia tsia tsia tsia tsia tsia tsia tsia tsia tsia tsia tsia  azafady. Tsy marina io, na iza na iza nametraka an'io tao anaty gazety dia mikatsaka fotsiny ny fomba handetehana ahy saingy, tsia, tsy hahavita izany ianareo. amin'ny anaran'Andriamanitra. . . . . . . Afrikana mainty manana ny reharehako aho ary mirehareha amin'ireo vehivavy mainty hoditra. manana ankohonana sambatra miaraka aminà vady mainty hoditra ary mirehareha fa notahiana ka manana zanaka vavy mahafatifaty. Ny marina dia aleoko vehivavy Ogande Mainty toy izay fotsy. Teboka famaranana.

Tsy mbola nahitana valinteny aloha ny The New Vision hatreto amin'ny filazàn'i Moses hoe tsy nanakiana velively ireo vehivavy Ogande izy tao anatin'ilay tafatafa nataony.