- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Global Voices Miara-miombon'Antoka Amin'ny Tranonkalam-Baovao Thailandey Prachatai

Sokajy: Azia Atsinanana, Thailandy, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka
prachatai [1]

“Prachatai dia manohitra ny fanonganam-panjakana. Mandrisika ny mpanongam-panjakana izahay hamerina avy hatrany ny fahefana amin'ny vahoaka Thailandey”. Sary avy ao amin'ny pejy Facebook-n'i Prachatai

Ny mpiara-miombon'antoka amin'ny Global Voices vaovao amin'ny famoahana vaovao mahaleotena dia ny Prachatai [2], gazety an-tserasera iray tsy mitady tombom-barotra avy ao Thailandy.

Ny Prachatai dia naorin'ny [3] mpanao gazety zokiolona sy ny mpitarika ONG tamin'ny 2004 mba hanolotra tati-baovao mirazotra sy ny zava-mitranga ao Thailandy amin'izao fotoana izao. Tao anatin'ny folo taona farany, mifantoka amin'ny resaka zon'olombelona sy ny fisoloam-bava mampalaza ny fikambanana sy hetsiky ny fiarahamonim-pirenena ihany koa izy.

Prachatai, izay midika hoe ‘Vahoaka Afaka’ amin'ny Thailandey, dia nampiroborobo ny fahalalaham-pitenenana ao Thailandy. Tamin'ny 2011 ny taleny no nosamborina [4] tao amin'ny seranam-piaramanidin'i Bangkok noho ny famelany ivoahan'ny fanehoan-kevitra ‘manimbazimba’ ataon'ireo mpamaky tsy fantatra anarana ao amin'ny tranonkala.

Nihantsy ny fahefana ny Prachatai tamin'ny fijoroana manohitra ny lalàna miaramila [5], izay nambaran'ny tafika herintaona lasa izay. Nampihatra fameperana henjana tamin'ny fampitam-baovao ny mpanongam-panjakana, saingy mbolanotohizan'ny Prachatai ny andraikiny mampafantatra [6] amin'izao tontolo izao ny toe-draharaha ao Thailandy sy ny ezaka isan-karazany ataon'ny olom-pirenena Thailandey hamerina ny demaokrasia ao amin'ny firenena.

Amin'ny alalan'ity fiaraha-miombon'antoka ity ny Global Voices no hifantoka amin'ny famoahana ireo vaovao sy fanehoan-kevitra tsy sahin'ny gazety be mpanaraka ao Thailandy ny mamoaka azy araka ny tokony ho izy noho ny fitsipika apetraky ny governemanta tohanan'ny miaramila amin'ny fampitam-baovao. Hotohizanay ny famoahana ny feon'ireo mpanohitra ny fanonganam-panjakana sy fijery hafa izay na gejaina, na ampanginina na aolan'ny mpanivana.