- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mpiasa Mankalaza Ny Fetin'ny Asa Amin'ny Fanatevenana Laharana Ny Fihetsiketsehana an-Dalambe Manerana an'i Azia Atsimo Atsinana

Sokajy: Azia Atsinanana, Filipina, Kambodza, Malezia, Singapaoro, Fampandrosoana, Fanoherana, Fitantanam-pitondrana, Mediam-bahoaka, Politika, Sendikà, Tanora, Toekarena sy Fandraharahàna, Vehivavy sy Miralenta, Zon'olombelona
Filipino workers march in Manila to campaign for higher wages. Photo from Facebook page of Buhay Manggagawa [1]

Milahatra ao Manille, renivohitr'i Filipina, ny mpiasa filipiana ho fitakiana fisondrotan-karama. Sary avy amin'ny takelaka Facebook-n'i Buhay Manggagawa

Manerana an'i Azia Atsimo Atsinanana, an'arivony ny mpiasa nandray anjara tamin'ny filaharambe nandritry ny fankalazana ny fetin'ny asa ny Zoma 01 May lasa teo : tany Kambodza, namerina ny fitakiany hanondrotana ny karama isam-bolana farany ambany 128 dolara Amerkana ho 117 dolara Amerikana ny mpiasa. Tany Filipina, nikendry ny politikan'ny fanondranana mpiasa ny mpanao fihetsiketsehana. Nandritra izany fotoana izany, tany Malezia, nihoatra ny 10.000 ny olona namonjy ny fihetsiketsehana ho fanoherana ny fampiharana ny hetra vaovao amin'ny entana jifaina. Ary tany Singaporo, navoitran'ny sendikà ny olana mikasika ny tsy fitovian'ny karama.

Mangataka ‘Fisondrotan-Karama’ Ny Mpiasa Kambodziana

Maro ny hetsika fitakiana nokarakarain'ireo [2] sendikà ho fanamafisana ny fangatahan'izy ireo fanondrotana ny karama [3] ho 117 dolara. Maro tamin'ireo nandray anjara tamin'ny filaharambe no vehivavy miasa amin'ny sehatry ny akanjo [4] izay nanambara koa ny fanoheran'izy ireo ny volavolan-dalàna “manaporitra” ny sendikà. Nizotra tamim-pilaminana ny fihetsiketsehana na dia teo aza ny tsy naneken'ny manampahefana ao amin'ny tanànan'i Phnom Penh (renivohitr'i Kambodza) hanome alàlana ireny hetsika ireny.

A worker wearing a sticker that features the logos of major apparel brands, including H&M, Walmart, Levi’s, Gap Puma, C&A, Adidas and Zara, that outsource their production in factories in Cambodia. Photo from the Facebook page of Licadho, a human rights group [5]

Mpiasa iray mitondra fandraikitra izay manasongadina ny mari-pamantarana ireo orinasa malaza amin'ny sehatry ny fitafiana, anisan'izany H&M, Walmart, Levi's, Gap Puma, C&A, Adidas ary Zara, izay manapariaka ny famokarany ivelany amin'ny alalan'ireo orinasa ao Kambodza. Sary avy amin'ny takelaka Facebook-n'ny Licardho, fikambanana miaro ny zon'olombelona

Women workers join a rally in support of the living wage demand. Photo from the Facebook page of Licadho, a human rights group [6]

Namonjy filaharambe ny vehivavy mpiasa ho fanohanana ny fitakiana fisondrotan-karama. Sary avy amin'ny takelaka Facebook-n'ny Licadho, fikambanana miaro ny zon'olombelona

Mikendry ny Politikan'ny Fanondranana Mpiasa any ivelany ny Mpiasa Filipiana

Nilahatra teo akaikin'ny lapam-panjakana ao Manille ny mpiasa Filipiana mba hitakiana ny hanomezana karama farany ambany ao amin'ny firenena. Nangataka koa izy ireo ny hijeren'ny governemanta bebe kokoa ny famoronan'asa ao an-toerana mba hanatsaràna ny toe-karem-pirenena, toy izay hamporisika ny olona handao ny firenena. Efa mihoatra ny 12 tapitrisa ny mpiasa filipiana lasa any ampitan-dranomasina. Maro amin'ireo mpiasa ireo no ampijaliana ary ny sasany aza ianjadian'ny fivarotan'olona toa an'i Mary Jane Veloso, izay nigadra [7] tao Indonezia nohon'ny heloka momba ny fivarotana zava-mahadomelina. Mampiseho ny fahasahiranana mihatra amin'ny mpiasa maro any ampitan-dranomasina ny mahazo azy ; ary mampitombo ny fahantrana tsy ankijanona any amin'ny faritra ambanivohitra izay manery ny mponina hiondrana any ivelany sy hitady ny tsaratsara kokoa.

An infographic by a labor research institution about the issue of labor migration in the Philippines. Photo from Facebook page of Carlos Maningat. [8]

Sary namboarina tamin'ny solosaina nataon'ny ivontoerana fikarohana momba ny fifindrà-monin'ny mpiasa ao Filipina. Sary tao amin'ny takelaka Facebook-n'i Carlos Maningat

Activists decry the Philippines' labor export policy. Photo from the Facebook page of Mykel Andrada [9]

Manameloka ny politikan'ny fanondranana mpiasa ao Filipina ny mpikatroka mafàna fo. Sary avy amin'ny takelaka Facebook-n'i Mykel Adrada

Fanoherana ny Hetra Midangana sy ny Famoretana Ara-Politika ao Malezia

Tao Malezia, nihoatra ny 10.000 ny olona (mihevitra ny mpikarakara fa nahatratra hatramin'ny 20.000 ny isan'ny olona nandray anjara) no namonjy [10] ny hetsika fanoherana ny fanapahan-kevitry ny governemanta hampitombo ny Haba amin'ny Entana sy ny Asa atao (GST) na dia teo aza ny fahasahiranana ara-toekarena mahazo ny mpiasa tsotra. Nampiharina nanomboka ny 1 aprily lasa teo ny GST [11]. Nilaza ireo mpanohitra izany fa ny GST dia mitarika fisondrotan'ny vidim-piainana ka mampijaly ny sahirana

Fa lasa tondro hafa ahitana ny fiharatsian'ny [12] famoretana ara-politika ao an-toerana ny filaharambe rehefa nosamborin'ny polisy ny olona 36 nohon'ny fivorivoriana sy fikomiana tsy ara-dalàna. Tamin'ny fanehoankevitra momba ilay fisamborana,  nametra-panontaniana [13]ny Foibe Miady amin'ny Kolikoly sy ny Fanaovana Kiantranoantrano hoe: “Ahoana ny mikasika ny tamberin'andraikitry ny fanjakana sy ny volampanjakana, heverina ho mitarika fanonganam-panjakana ?”

Manohana [14] ny fihetsiketsehana i Charles Santiago, mpikambana ao amin'ny Parlemanta :

Manampy trotraka ny fahavoazan'ny sarangan'olona salantsalany sy mpiasa madinika ny fisondrotry ny vidim-piainana tsy ankiato ny fidangan'ny vidin'entana tena ilaina, ary ny fiakaran'ny GST mifandray amin'ny vidin'entana.

Ny vahoaka nidina an-dàlambe io Zoma io dia nanao izany hitondrana ireo olana maika ho eo anatrehan'ny governemanta mba handraisany ny fepetra ilaina hanamaivanana ny fahorian'ny sahirana.

Protest against the Goods and Services Tax in Kuala Lumpur, Malaysia's capital. Photo by Adam Solvieg, Copyright @Demotix (5/1/2015) [15]

Fihetsiketsehana manohitra ny haba amin'ny Entana sy Asa atao ao Kuala Lumpur, renivohitr'i Malezia. Sary avy amin'i Adam Solvieg, Fizakàmanana @Demotix (5/1/2015)

Manohitra Mafy ny Tsy Fitovian'ny Karama ny Singaporeana

Manodidina ny 40.000 ny Singaporeana namonjy ny fihetsiketsehana tamin'ny Fetin'ny Asa tao amin'ny kianja iray ho an'ny daholobe mba hanoherana ny tsy fitovian'ny karama, ny faneriterena ny media, ary ny politikan'ny governemanta izay mamporisika hatrany ny fampidirana mpiasa vahiny. Nanome tolo-kevitra ihany koa [16] ny mpikarakara ny tokony hametrahana rafitra hametrahana ny karama farany ambany ho an'ny mpiasa Singaporeana. Nandritry ny famaranana ny hetsika, ny mpitarika sendikà dia nampiseho ny firaisankinany tamin'ny tovolahy iray izay miatrika [17] fiampangana maro momba ny heloka bevava tamin'ny nanaovany “video” nitsikera ny praiministry ny fanorenana ny firenena.

Tamin'ny alalan'ny @sexiespider [18]: #AmosYee [19] ny akondro no nampiasaina ho toy ny fanevan'ny fivoriambe amin'ny fihetsiketsehana isan-taona ataon'ny @GohGilbert [20] ny 1 may ao amin'ny Kianja Hong Lim. pic.twitter.com/LK0w64JVUO [21]