Fitomboan'ny Fitokonana Amin'ny Asa Any San Quentin, Meksika

Imagen de una de las recientes protestas de los  jornaleros de San Quintín por mejoras laborales.

Fitokonan'ny mpiasa any San Quintin mba hanatsaràna ny fepetran'ny asa. Sary zaraina ao amin'ireo tambajotra sosialy.

Teny amin'ireo lohatenim-baovao maneran-tany ny faritry ny morontsirak'i San Quentin any Baja Kalifornia hatry ny atsasaky ny volana Martsa, noho ny fifandirana amin'ny asa ataon'ireo mpiasa amin'ny fambolena.

Nitatitra ny tambajotram-baovao Rosiana RT fa mpiasa miisa 50.000 no manao hetsi-panoherana ireo fepetra tsy ara-drarin'ny asa, nitondra tamin'ny herisetra. Araka ny Ivontoerana Kanadiàna ho an'ny Fikarohana momba ny Fanatontoloana, nanakorontana ny fiotazana, famonosana, ary ny fandefasana ireo korizety, voatabia, voankazo, ary ireo vokatra hafa ho any amin'ireo toeram-pivarotana sy toeram-pisakafoanana any Etazonia, ilay fitokonana. Mitaky ny hiakaran'ny karama ary ireo tombotsoa voalazan'ny lalàna ireo mpiasa, ao anatin'izany ny fiahiana ara-tsosialy.

Toa hita mihitatra mihoatra ny fifandirana amin'ny asa fotsiny ankehitriny ilay olana, nivoatra haingana nankany amin'ny olana amin'ny resaka fifindrà-monina ary ireo teratany. Nilaza i Andrew Selee, filoha lefitra mpanatanteraka ao amin'ny Wilson Center any Etazonia, fa nahazo sehatra vaovao ilay fifandirana:

En su mayoría los trabajadores son de origen indígena mixteco de Oaxaca y Guerrero.

Este movimiento ha cobrado dimensiones trasnacionales con la marcha de los huelguistas a la frontera México-EU la semana pasada, en donde se encontraron con otros trabajadores agrícolas indígenas que se dirigieron a la frontera desde el otro lado para apoyarlos. Se reunieron en un parque cerca de la playa para tener un mitin binacional, con manifestantes de ambos de la frontera, dividido por el cerco que separa los dos países pero une sus esperanzadas para un futuro mejor.

Olona teratany manana fiaviana indizena “Mixtèque” avy any Oaxaca sy Guerrero ny ankamaroan'ireo mpiasa.

Nahazo vahana manerana ny firenena samihafa mihitsy ilay hetsika, miaraka amin'ireo mpitokona nanao diabe teny amin'ny sisintany iraisan'i Meksika sy Etazonia ny volana Aprily 2015, izay nihaonan'izy ireo tamin'ireo indizena hafa mpiasa amin'ny fiompiana sy fambolena, izay nandeha teny ampitan'ny sisintany mba hanohana azy ireo. Nihaona tao amin'ny kianja iray manakaiky ny morontsiraka izy ireo mba hanaovana fivorian'ny roa tonta, miaraka amin'ireo mpanao hetsika avy any amin'ireo lafy roan'ny sisintany, nosarahan'ny fefy manasaraka ireo firenena roa, nefa kosa nampiraisin'ny fanantenana ho an'ny ho avy tsaratsara kokoa.

Ao amin'ny ilany atsimon'i Meksika no misy ireo firenena Oaxaca sy Guerrero, izay midika fa misy fifindrà-monina anatiny eo amin'ny asa, raha any amin'ny ankamaroan'ny faritra avaratr'i Meksika no betsaka kokoa ny mpiasa avy amin'ireo faritra ireo.

Mbola nandeha lavidavitra kokoa aza ilay vohikala Animal Politico, nampitaha ilay olana tamin'ny fanandevozana, nitanisa ny Tondron'ny Fanandevozana Maneran-tany, tatitra isan-taona avoakan'ny “Walk Free Foundation”. Nitatitra anefa ny Animal Politico fa eo amin'ny laharana faha 18 no misy an'i Meksika amin'izany tondro izany, kanefa ny tena zava-misy dia any amin'ny faha 111 izy. Mbola mampivarahontsana ny tatitra momba an'i Meksika, raha tsy mijery an'io aza, satria vinavinaina ho 266.900 no isan'ireo olona any Meksika ankehitriny miaina anatin'ny “fanandevozana amin'ny endriny vaovao”. Milaza ny Walk Free Foundation fa ireo vehivavy, ireo ankizy ary ireo vazimba teratany no vondrona tena marefo indrindra amin'izany.

Raha tena nampikoropaka be ireo hetsika tany San Quentin, nanainga fanontaniana maro ihany koa ireo fihetsiky ny olona tao amin'ny Aterineto. Araka ny vohikala Sopitas, nanokatra pejy iray ao amin'ny Facebook ireo mpampiasa azy io ka ao noandefasan'ireo olona ny teny feno fankahalàna mikendry ireo mpiasa mitokona :

“Son peor que las cucarachas”, dicen en la fanpage llamada “Exterminio de Oaxacos en B.C.”.

“Ratsy lavitra noho ny kadradraka izy ireo” hoy ilay pejy [Facebook], antsoina hoe “Fandringanana ireo Oaxacos any Baja Kalifornia.”

Teny fampiasa entin'ireoolona any avaratra hanambaniana ireo olona avy amin'ny firenena atsimo (tsy voatery hoe avy any Oaxaca) ary avy any afovoany ny hoe “Oaxaco”. Ara-poko dia manakaiky ireo Teratany Amerikàna ny ankamaroan'ireo olona ireo, ahitàna ireo foko maro samihafa ary ireo fomba fiteny maro karazana.

Miatrika olana lehibe momba ny tsy fitoviana ary fanavakavahana saranga ara-tsosialy ny fiarahamonina Meksikàna, izay trotrahan'ny karama ambany fotsiny. Ny karama ambany indrindra ohatra, dia dimy dolara isan'andro.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.