Tantara tamin'ny 14 Mey 2015
Ny ‘Hakanton'ny’ Tsy Fahazakàna Lahy Tia Lahy Na Vavy Tia Vavy, Rosiana
Nitondra ny lohateny hoe "Olona Tsara Tarehy sy ny Zavatra Nolazain'izy Ireo Ahy," ilay fikatrohana mafàna fo miaro ny zon'ny LGBT. Lena Klimova, dia nandefa ireo sarin'ireo olona tsirairay amin'ireo fiainany andavan'andro, sy ireo hafatra mandrahona nalefan'izy ireo ho azy tao amin'ny aterineto.
Fitomboan'ny Fitokonana Amin'ny Asa Any San Quentin, Meksika
Mijery ny hetsi-panoheran'ireo mpiasa amin'ny toerana fambolena sy fiompiana any San Quintin sy ny fanamby lehibe kokoa ao Meksika amin'ny fifandirana ara-poko sy ara-tsosialy ny Global Voices.
Mandrahona Mpanao Kisary Maneso Ao amin'ny Aterineto Ny Filoha Ekoatoriana
Tao amin'ny fanehoan-keviny tsy tapaka tamin'ny fahitalavitra--onjam-peo, vao haingana no nasongadin'i Correa ny CrudoEcuador, tamin'ny filazàny fa ampahany amin'ny tambanjotra "karamain'ny mpanohitra mba hanalam-baraka ny fitondram-panjakana" io. Nandrahona mihitsy aza i Correa ny hampiharihary ny mombamomba ireo mpanoratra ao amin'ny CrudoEcuador.