Vao teo ampiarenana hiverina amin'ny andavanandrony mihitsy i Nepal taorian'ilay horohorontany nanana hery 7.8 nandravarava ny firenena tamin'ny 25 Aprily, dia horohorontany faharoa indray nanana hery 7.3 no namely ny firenena [2] tamin'ny 12 May.
Journalist Narendra Raule nibitsika hoe:
Many people in the street. Big earthquake in #Nepal [3]. #EarthquakeAgain [4] #Nepal [3] #NepalQuake [5]
— Narendra Raule (@NRaule) May 12, 2015 [6]
Olona marobe no eny an'arabe. Horohorontany goavanaaty #Nepal #HorohorontanyIndray
Andro fiasàna tamin'ity indray mandeha ity. Andro Sabotsy ny 25 Aprily, [7] ary tany an-tranony daholo ny olona. Fa ny 12 May, tany amin'ny toeram-piasany ny ankamaran'ny olona. Ambony ambany ny zavatra hita teny amin'ny fifamoivoizana teny taorian'ilay horohorontany.
Olona maherin'ny 8.000 no maty tamin'ilay hovitrovitra tamin'ny 25 Aprily. Fahafatesana niisa fito ambidimampolo [8] hatreto no voalazan'ny tatitra tamin'ity horohorontany ity, miaraka aminà olona maherin'ny arivo naratra. Ny distrikan'i Dolakha no tena voa mafy [9], olona 34 no voalaza fa maty ary 90 isanjaton'ny trano no nirodana, raha ny vaovao vonjimaika nangonin'ny Polisy ao Nepal.
Nandefa saripika avy amin'ireo toerana samihafa ao Kathmandu i Kashish Das Shrestha sy ireo mpampiasa media sosialy.
#NepalEarhquake [10] April 25 (above) and May 12. pic.twitter.com/ZUHEOstnXr [11]
— Kashish Das Shrestha (@kashishds) May 12, 2015 [12]
#NepalEarhquake [10] 25 Aprily (ery ambony) sy 12 May
This building collapsed in Naya Bus Park today's quake; Nepali security forces working to rescue elderly woman inside pic.twitter.com/B1W4yW5rJc [13]
— Kashish Das Shrestha (@kashishds) May 12, 2015 [14]
Nirodana ity trano ao Nayay Bus PArk ity tamin'ny horohorontany androany; Miasa mamonjy vaviantitra iray tavela ao ny mpitandro filaminana Nepali
Another #EarthquakeInNepal [15] shocking images from helicopter heading towards #Everest [16] region pic.twitter.com/lrDzaL6mAX [17]
— DOCTORS FOR NEPAL (@DoctorsForNepal) May 12, 2015 [18]
Saripinà #HorohorontanyAoNepal mahavaky fo avy eny ambony angidimby handeha ho any amin'ny faritr'i #Everest
Mbola nijaly tamin'ity fanindroany ity indray ny distrikan'i Sindhupalchok [9], izay niharan'ny donan'ilay horohorontany tamin'ny 25 Aprily. Sivy no voalaza fa maty tany.
Scenes from Chautara, Sindhupalchowk after today's #NepalQuake [5]. Pics @tinokreutzer [19] pic.twitter.com/SYoTmv2vQ5 [20]
— Ujjwal Acharya (@UjjwalAcharya) May 12, 2015 [21]
Sehatra avy ao Chautara, Sindhupalchowk taorian'ny #horohorontany androany
Toy izany koa, vao mainka nanaratsy ny fiainana ao Bhaktapur [22] ilay horohorontany faharoa, izay tanàna nahitàna ny faharavàna goavana be tamin'ilay horohorontany teo aloha.
Niverina nankany amin'ireo tranolay nisy azy teny an-tany malalaka ireo olona nandao ireny tranolay vonjimaika ireny mba nandeha nody tany an-tranony.
#Kathmandu [23] going back to the tents post #NepalEarthquakeAgain [24] pic.twitter.com/WCYCvF3gZM [25]
— myRepública (@RepublicaNepal) May 12, 2015 [26]
#Kathmandu [23] mandeha miverina any an-tranolay taorian'ilay #HorohorohontanyTaoNepalindray [24]
Here we go again. As people were only about to get normal, #NepalEarthquakeAgain [24] pushed them out of their house. pic.twitter.com/XgkGzugW6h [27]
— Templ_Monk (@Templ_Monk) May 12, 2015 [28]
Lasa indray izany isika izao. Raha efa saiky niverina amin'ny andavanandrony ny olona, natosik'ilay #HorohorohontanyTaoNepalindray [24] hivoakany ny tranony
Couldn't dare to stay inside! Back to tent to live wid nature- open field, starry night, mosquitoes… #NepalEarthquake2 [29]
— Smita Poudel (@Smita_Poudel) May 12, 2015 [30]
Tsy sahy mijanona ao anatiny! Miverina eny anaty tranolay hiaina anivon'ny natiora, alina ravahan'ny kintana, ny moka
Nandefa saripika mitantara [31] ny manjo ny olona mandany ny alina manao tafo lanitra ilay vavahadin-tserasera Onlinekhabar.
Tamin'ny herinandro lasa, nangataka fanampiana [32] avy amin'ny any ivelany ny governemanta ao Nepal ary niverina tany amin'ny fireneny ireo mamponjy voina satria efa nanombokaniverinaho amin'ny andavanandrony ny toe-draharaha ary efa azon'ny governemanta noraisina an-tànana ny tohiny. Niaraka tamin'ny fodian'reo andiany avy amin'ny firenena maro ireo, ho asa sarotra ny asa famonjena sy fanampiana.
#Nepal [3] jumped the gun by sending home foreign help. Relief will be an even more arduous task now. #NepalEarthquakeAgain [24] #NepalQuakeRelief [33]
— Mistress of Vices (@cyclopsee) May 12, 2015 [34]
Nandia lalan-tsarotra i #Nepla tamin'ny fandefasana nody ireo vahiny mpanampy. Ho asa sarotsarotra kokoa izao ny asa famonjena
Voatery tohizana hakatona mandritry ny tapabolana indray [35] ireo sekoly izay efa tokony ho novohana tamin'ity herinandro ity. Any amin'ny 30 May izy ireny vao hanomboka hisokatra [36], raha ny torolàlana navoakan'ny Minisitry ny Fanabeazana.
Nanomboka niverina tamin'ny fiainany isanandro ireo Nepalis, niarina sy namerina nanorina, saingy miaina anaty tahotra indray taorian'iny horohorontany faharoa iny.
Kashish Das Shrestha nibitsika hoe:
Any sense of calm that may have been restored amongst Nepalis has perhaps just collapsed with today's terrifying and long earthquake.
— Kashish Das Shrestha (@kashishds) May 12, 2015 [37]
Nirodana fotsiny izao izay rehetra fahatsapana fitoniana mety ho niverina tany anivon'ireo Nepalis taorian'ity horohorontany lavabe sy nampivarahontsana androany ity