Kiobà : Ny Dihy Araka ny Fitsipiky ny Ocha-Ifá, Fombam-Pivavahana Afro-Kiobàna

Oshun y Yemaya, las dueñas de las aguas. Obra de Annie Gonzaga Lorde. Reproducida con su autorización.

Oshún sy Yemayá, tompon'ny rano. Sangan'asan'i Annie Gonzaga Lorde, nahazoana alalanany famoahana azy indray.

Ity lahatsoratra ity no voalohany amin'ny andiany momba ny fanehoana ara-mozika sy dihy mirindra kiobàna, ao anatin'ny andiany iray momba ny vakoka afrikana ao Amerika Latina ihany koa izy ity. 

Iray amin'ny lovan'i Kiobà ho an'ny kolontsaina manerana izao tontolo izao ny mozikany, ary manaraka ho azy ihany koa ny dihy. Atombotsika ity andiany momba fanehoana ara-mozika sy dihy mirindra ity izay nivelatra tao amin'ny lasitry ny Fitsipik'i Ocha-Ifá, na Santería, avy amin'ny fombam-pivavahana afro-kiobàna, tsy ara-panahy ihany, fa mitondra tarazo sy fomba manamarika ny mari-panondroam-pirenena.

Horaisintsika ho teboka fiaingana ny tahirin-tsary sy feo ifampizarana ao amin'ny tambajotra sosialy mampiseho ny fahamaroana ao amin'ny kolontsaina afro-kiobàna. Avy eo dia idirantsika ireo andriamanitra, aseho amin'ny alalan'ny ballets sy ny fianarana ny tontolony izay kitro ifaharany.

Araka ny fahalalànay dia tsy misy ny fanadihadiana manondro ny isan'ny olona manaraka ny fombam-pivavahana avy any Afrika natao tao Kiobà, saingy, azo atao ny manamafy fa ampahibemaso ny fahalalàna momba an'izany ary ampitaina isan-taranaka satria tsy voatery tontosaina izy io.

Raha lazaina amin'ny fomba manokana kokoa, ny fiavian'ny antsoina ankehitriny hoe Fitsipik'i Ocha-Ifá, dia tahaka ny any amin'ny faritra hafa ao amin'ny kaontinanta amerikana tatsimo ihany, dia fampitàna ataon'olona nohandevozina, avy amin'ny foko yoruba, izay avy ao Nigeria amin'izao fotoana izao indrindra indrindra. Ny toe-piainana anaty fanandevozana no miteraka ny karazana fampifangaroana nampiasaina ho tetikadim-pifikirana hijoro, mba ahafahana mampiara-monina ny finoana katolisisma amin'ny an'ny yoruba.

Tsy maintsy lazaina ihany koa fa izay misy ao Kiobà amin'izao fotoana, dia efa tsy finoana afrikana intsony fa efa niofo ho zavatra hafa, kiobàna manokana, tahaka ny hafa any amin'ny kaontinanta, tahaka ny an'ny breziliana izay tsy isalasalàna fa mitovy fiaviana, saingy nanabe voho ny fototra yoruba tamin'ny voalohany.

Ary izany no nohazavain'i Lázara Menéndez ao amin'ny asa-sorany Kinkamaché to gbogbo oricha:

La santería le brinda al sujeto la posibilidad de una constante, flexible y dialogada interacción con lo sagrado; a nivel individual o en el reducido entorno de la familia ritual, la Regla Ocha-Ifá le permite al individuo estar en estrecha relación con la recreación y reconstrucción del legado que se asume como tradicional, estar en contacto con herencias culturales disímiles que coexisten y confluyen en la práctica y favorecen la voluntad de asumir premeditadamente un cambio.

Ny “santería” no manome fotoana ho an'ny tsirairay fifampiresahana maharitra sy milefitra rehefa mifampikasokasoka amin'ny zavatra masina ; eo amin'ny olona iray na ao anaty vondron'olona voafetra miray fomba. Ny fitsipik'i Ocha-Ifá no ahafahana mifandray akaiky amin'ny famoronana indray sy fananganana indray ny lova raisina ho nentim-paharazana. Izy no mifandray amin'ny lova ara-kolontsaina tsy mitovy miara-monina sy mifampidipiditra, manome vahana ny sitrapo hanaiky mialoha ny fiovana

Manana anjara fotoana lehibe ao amin'ny Santeria ny fanompoana ny Orishas amin'ny alalan'ny fanatitra sakafo, mozika ary  dihy, sns. Tsy isalasalàna fa ny dihy no mampisongadina indrindra ity fivavahana ity, ary ny fampisehoana no mahaliana ireo olona tsy mpanao izany matetika.

Koa atolotray anareo ny lahatsary ahitanareo ireo singa ahafantarana ireo andriamanitra iray amin'ny alalan'ny akanjo,ravaka,mozikaary dihy hanomezam-boninahitra azy ireo .

Ny mpandihy klasika kiobàna Yusimí Moya Rodríguez, ao anatin'ny fiaraha-mientana ara-bakodrazana nasionaly, no nampiditra an-tserasera dihy mirindra miavaka iray ao amin'ny fantsona YouTube izay mampiseho ireo andrimanitra fanta-daza indrindra ao amin'ny fianakavian'andriamanitra Yoruba: Eleggua, Oggún, Oshosi, Yemayá, Oshún, Oyá, Shangó y Obatalá.

Araraoty ary! ¡Ashé!

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.