Oganda: Ben'ny Tanàna Manana Karapanondrom-Pirenena Roa. Tsy Fambara Tsara Ho An'ny Fifidianana Izany

2 National Identity cards of Kampala Mayor Erias Lukwago with same biometric data ith the same biometric data but different serial numbers and expiration dates. Image shared of his Facebook page.

ireo karapanondrom-pirenena roa amin'ny anaran'ny Ben'ny tanànan'i Kampala, Erias Lukwago, azony avy amin'ny mombamomba azy tsy nisy hafa fa tokana ihany, saingy samy manana laharana sy fetrandro fahataperana ho azy. Sary nozarainy tao amin'ny pejiny Facebook.

Tamin'ny taona lasa, ao anatin'ilay Rafitra Fanangonam-Baovao ho amin'ny Filaminam-pirenena, natomboky ny governemanta Ogande ny dingan'ny fanoratana ny Ongande rehetra ary namoaka karapanondro ho azy ireny. Ny 20 Aprily 2015, nambaran'ny Kaomitim-pifidianana fa ireny karatra ireny ihany no ho ampiasaina mandritry ny fifidianana solombavambahoaka amin'ny 2016.

Fanapahankevitra notoherin'ireo politisiana avy amin'ny mpanohitra, tamin'ny filazana fa nandritra ilay fanoratana dia nisy ny tsy Ogande nefa voasoratra. Nisy ihany koa ahiahy mikasika ny fisian'ireo miaramila be dia be ao amin'ny fitarihana ilay Rafitra Fanangonam-Baovao ho amin'ny Filaminam-pirenena, izay midika fa mety hanimba ny fizotry ny fifidiianana ho avy ny fahatahorana ny tafika.

Iray amin'ireo mpanohitra ilay tetikasa Karapanondrom-pirenena ny Ben'ny Tanànan'i Kampala Erias Lukwago. Tamin'ny fampiasàny ny pejiny Facebook, navoitrany ny kileman'ilay rafitra, tamin'ny famoahana ireo karatra roa azony avy amin'ny mombamomba azy tsy nisy hafa fa tokana ihany, saingy samy manana laharana ho azy. Takiany amin'ny Ministeran'ny Atitany- Jeneraly Nyakairima- sy ny Kaomitim-pifidianana ny hanomezana azy ny anton'ny namoahana karapanondro roa ho azy :

Firenena iray manana rafitra tokana ity, raha tsy izany, mampisalasala ahy hoe ilay ho antsoina atsy ho atsy ho ”Kaomity tsy miankina hiahy fifidianana” sy/na ilay Jeneraly efa hisotro ronono avy amin'ny UPDF- Nyakairima [Minisitry ny Atitany] dia mety hanome fanazavana mitombona ho ahy amin'ny antony namoahana karapanondrom-pirenena ROA ho ahy, niainga avy amin'ny mombamomba ahy tsy nisy hafa fa tokana ihany saingy samy manana ny laharany sy fetrandro fahataperana ho azy sns… Manontany tena koa aho raha toa koa nampitomboina ho roa ny ”votability”-ko (heveriko fa ny Eligibility – fahafahako mirotsaka hofidiana io tian-dry zareo lazaina io)?

Niteraka fanehoankevitra nifamahofaho avy amin'ireo Ogande tao amin'ny Faceboook ny lahatsoratra nalefany.

Raha ben'ny tanàna iray aza afaka mahazo karatra roa, hoy i Brian Nandala, tokony ho afaka mahazo misimisy kokoa ihany koa izy, izay olon-tsotra iray :

haha araka izany dia manana karatra roa ingahy Ben'ny Tanàna ka heveriko fa tokony hahazo 7 aho

Nahita matoatoa i  Didas Kisembo :

Hehehe… @Erias Lukwago Izao no fomba mahatafiditra ireo matoatoa mpifidy ho ao anaty lisitra

Emmy Otim niangavy ny Kaomitim-pifidianana hanazava ilay olana :

Laza ratsy ho an'ny maha-azo antoka ny lisi-pifidianana 2016 sy ny Kaomitim-pifidianana io. Mpitarika ny mpanohitra nomena karapanondrom-pirenena roa misy anarana sy andro nahaterahana mitovy saingy samihafa ny laharana sy fetrandro fahataperany. Firy ireo Ogande no nahazo karapanondro mihoatra ny iray saingy tsy miteny. Tsy maintsy hazavain'ny EC [Kaomitim-pifidianana] haingana araka izay azony atao io…

Denis Indani nihanihany hoe :

Tsy nahalala aho hoe nanana rahalahy kambana aminy ny Ben'ny Tanàna. mifampizara anarana mitovy amin'ny azy !!!!!!!!

Kanefa, tsy ireo rehetra naneho hevitra tamin'ny lahatsoratra nalefany no nitovy hevitra taminy. Agaba Jebedian Jonan, ohatra, niteny fa voarohirohy amin'ny fanaovana hosoka ilay ben'ny tanàna:

ny marina dia tokony hamaly ny antony nahazoany karatra roa i Lukwago, izay midika fa tafiditra amin'ny resaka hosoka izy

Nohazavain'i Mugisha Andrew ny antony nahazoan'ny ben'ny tanàna karatra roa, tamin'ny filazàny fa tsy manankery ny iray amin'ireo:

ny karatra voalohany nisoratany tamin'ny 2011 tao anatin'ilay tetikasa andrana VIP, azo lazaina izany miainga avy amin'ny laharan'ny andian'ilay karatra…avy eo ireny karatra ireny nambara fa tsy manankery, ilay karatra faharoa no manankery, na i lukwago tenany aza anie ka mahafantatra fa tsy manakery ny iray e, te-hanandrana fotsiny izy hitady kianja hanakorontanana ny fifidianana ho avy io, amin'ny alàlan'ny  fiampangàna tsy marina….raha maharay ny karapanondrom-pirenenao ianao dia ampitahao ny laharan'ny andian'ny karatra roa ary lazao iza no manankery ary iza no tsy manankery…

Patrick Senyonga nanontany ny antony mahasamihafa ny sary ao anatin'ireo karatra roa, amin'ny fiheverany azy ho nanao fisoratana indroa:

Ary nahoana no misy sary tapaka roa samihafa ao anatin'ireto karatra…nisoratra in-droa ve lery

Tsy resy lahatry ny tantara naroson'ingahy ben'ny tanàna i Cosmas Kabona. Nohamafisiny fa nanao heloka bevava ny ben'ny tanàna :

Tsy resy lahatra aho. Lava be ahitàna hatramin'ny fanaovana sonia sy lavotondro ao anatin'ny rafitra sy zotra hakàna io karatra io. Ahoana no nahafantaran'ny ben'ny tanàna fa nisy karatra roa tamin'ny anarany tao anatin'ny baoritra raha tsy in-droa nisoratra izy? Ny fandehananao in-droa mankany mba hangataka karatra iray efa nomena anao dia azo adika ho heloka bevava

Ao anatin'ny hetsika famerenana ny fitokisana ireo rantsana mpikarakara fifidianana, miezaka manatsara ny endriny ankehitriny ny Kaomitim-pifidianana, izay tonga hatramin'ny fanovàna ny anarany ho “Ny Kaomity Miahy Tena Ao Oganda misahana ny Fifidianana”.  Isaky ny aorian'ny fifidianana ao Oganda, efa mahazatra ny mpanohitra ny manakiana ny kaomity noho ny faharesen-dry zareo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.