- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Tajikistan: Natiora Mangatsakatsaka sy Akon'ny Tantara

Sokajy: Tajikistan, Hevitra, Mediam-bahoaka, Saripika, Tsidika, Zavakanto & Kolontsaina
Irkht, Badakhshan. Photo by Bakhritdin Isamutdinov

Irkht, Badakhshan. Saripikan'i Bakhriddin Isamutdinov

Avy amin'ny mpanoratra [teny anglisy] avokoa ny sary rehetra na nahazoana alalana.

Tajikistan, toerana be tendrombohitra avo sady ahitana farihy mora levon'ny hafanana ny 93% dia toy ny toerana masina ho an'ireo tia ny natiora, raha mahazaka ny haratsin'ny lalana sy ny havesatry ny fanjakam-birao ry zareo.

Satria ianao efa nandoa ny zotra an'habakabaka miampita matetika vao tonga ao an-drenivohitra Dushanbe ary efa nandrotsaka enimpolo dolara na mitovitovy amin'izany hahazoana visa mpizahatany, dia miandry anao ny lalana maro dia maro tsy dia mahazatra.  

Maro amin'ireo mahita an'i Tajikistan ao amin'ny sarintany ka manapa-kevitra ny hizahazaha any dia tonga mba hianika [tsy hazo fa tendrombohitra]. Saingy ho an'ireo izay tsy ampy fahakingana sy fitaovana hianihana tendrombohitra, lalana ivezivezena dia efa manampoiza ny handany be dia be noho izay noeritreretinao.

Ny Lalambe Handehanana haingana ao Pamir dia tafiditra fahatelo amin'ireo folo voalohany tsara tsidihana ho an'ireo toerana tany amin'ny Firaisana Sovietika taloha nandritra ny fampilaharana nivoaka tamin'ny Mey 2015 avy amin'ny National Geographic Traveler [1] ary heverin'ny maro ho iray amin'ny lalana mampientam-po sy mampivadim-po indrindra manerantany.

Koa satria ny jeep mamakivaky ny lalana mampitohy an'i Dushanbe sy Murghab [2] any atsinanana, dia mety ho hitan'ny mpandeha amin'ny lalambe ny tanànakely Afghan maro manamorona ny reniranon'i Amu-Darya. Misaraka amin'ny Firaisana Sovietika teo aloha amin'ny alalan'ny rano miolikolika aoka izany; dia tahaka ny tontolo hafa mihitsy ry zareo.

Any amin'ny toerana sasany eny an-dalana ianao mety hahatsikaritra ny Tendron'i Ismoil Somoni [3], tendro fahatelo avo indrindra tao amin'ny Firaisana Sovietika teo aloha. Mety te-hivavaka eo amin'ny tempoly Zoroastriana [4] iray fahagola ianao ary hamaky petroglyphs. Any amin'ny fahatongavana ao Murghab ny mpizaha tany no mety hiletra yak [karazan'omby bevolo sy bevozona] avy amin'ny mpiompy amin'ny foko Kyrgyz amin'ny ankapobeny.

Dushanbe ihany koa dia azo ampiasainaho toby fiaingana mankany amin'ny tanàna faharoa lehibe indrindra ao amin'ny firenena — Khujand [5] — hanaovana fitsangatsanganana iray hafa lavitr'ezaka ihany koa, ary amin'ity kosa dia mamakivaky ny Tangoron-tendrombohitra Fan [6] any avaratra sy andrefan'ny firenena.

Mountain climbing. Photo by Bakhriddin Isamutdinov

Fianihana tendrombohitra. Saripikan'i Bakhriddin Isamutdinov

Afghan villages on other side of the river. Photo by Abdulfattoh Shafiev

tanàna Afghan ampitan'ny renirano. Saripikan'i Abdulfattoh Shafiev

Road to Badakhshan. Photo by Abdulfattoh Shafiev

Lalana mankany Badakhshan. Saripikan'i Abdulfattoh Shafiev

Zarafshan valley. Photo by Abdulfattoh Shafiev

Lohasahan'i Zarafshan. Saripikan'i Abdulfattoh Shafiev

Ziddeh village in Varzob. Photo by Bahrom Jalilov

Tanàna kelin'i Ziddeh any Varzob. Saripikan'i Bahrom Jalilov

Any amin'ny lohasahan'i Zarafshan manaraka iny lalana iny no ahitana ny sasantsasany amin'ny farihy mahafinaritra indrindra ao Azia afovoany. Iskandarkul [7], misy ifandraisany amin'ny anarana sy ny anganon'i Alexander ilay Lehibe, dia miorina any amin'ny 2195 metatra ambonin'ny haavon'ny ranomasina. Avy amin'ny zoro ankavanana ianao no mety hahita ny farihy ho fitaratry ny natiora manodidina azy, mitaratra ny tendron'ireo tangorombohitra mahasondriana an'i Fan ao anaty fahadiovana mahasarika. Manaraka izany ihany koa ny tontolo hafa mihitsy misy ny farihy fiton'i Shing [8], antsoina indraindray hoe printsesy  Shing.

Kharikul, Jirgatal. Photo by Bahriddin Isamutdinov

Kharikul, Jirgatal. Saripikan'i Bahriddin Isamutdinov

Haftkul lake in Zarafshan valley. Photographer: Nozim Qalandarov

Farihy Haftkul ao amin'ny lohasahan'i Zarafshan valley. Mpaka sary: Nozim Qalandarov

Iskandarkul lake in Zarafshan valley. Photographer: Nozim Qalandarov

Farihy Iskandarkul ao amin'ny lohasahan'iZarafshan. Mpaka sary: Nozim Qalandarov

Mino ny Tajika fa ny anganon'ny tantaran'ny tanànan'i Bukhara [9] sy Samarkand [10] dia azy ireo ara-kolontsaina, saingy nomena an'i Uzbekistan ireo tany lonaka ankebekebaky ny tany ngazana anatin'ny Lalan'ny Lasoà ireo rehefa nanoritsoritra ho repoblika sovietika tsy ampy fahalalàna ny mari-panondroam-pirenen'ireo mponina ao an-toerana ny Bôlsevika.

Saingy na tsy manana ireo perla fahagolan'i Azia, araka ny iantsoana azy ireo tsindraindray aza i Tajikistan dia manana toerana manatantara. Mandan'i Hisor [11], 20 kilometatra monja avy amin'ny renivohitra manarana ny lalambe vao naorina vao haingana avy ao Dushanbe no fanorenana tokana fahagola mampahatsiahy ny Fanjakana Shuman, izay mankalaza ny tsingerintaona faha-3000 amin'ity taona ity.

Hisor Fortress. Photographer: Nozim Qalandarov

Manda Hisor. Mpaka sary: Nozim Qalandarov

Reconstructed Hulbuk Palace, Khatlon. Photo by Abdulfattoh Shafiev

Lapan'i Hulbuk voaorina indray, Khatlon. Saripikan'i Abdulfattoh Shafiev

Khujand city museum. Photo by Abdulfattoh Shafiev

Mozean'ny tanànan'i Khujand. Saripikan'i Abdulfattoh Shafiev

Amin'ny tantara any avaratra, dia azonao tsidihana ihany koa ny moskea Sheikh Muslihiddin [12] any Khujand sy ny tanànan'i Istaravshan [13] naorin'i Alexander ilay Lehibe izay nomena anarana teo aloha ho Alexandria. Ny atsimo kosa amin'izany fotoana izny dia manana ny  Monasitera Bodista Ajina-Tepe [14] izay namoahana avy any anaty tany tamin'ny taona 1966 tsangambaton'i Buddha [15] lehibe indrindra ao Azia Afovoany. Nohavaozina nanomboka teo amin'ny valahana no miakatra, miorina ao amin'ny Mozeam-Pirenen'ny Antikiten'i Tajikistan ao Dushanbe izy io amin'izao fotoana izao.

Yamchun fortress, Wakhan Corridor. Photo by Bahriddin Isamutdinov

Mandan'i Yamchun, lalantsara Wakhan. Saripikan'i Bahriddin Isamutdinov

Murghob. Photo by Abdulfattoh Shafiev

Murghob. Saripikan'i Abdulfattoh Shafiev

Murghob. Photo by Bahriddin Isamutdinov

Murghob. Saripikan'i Bahriddin Isamutdinov

Ankoatra ny famerenana amin'ny ampahany ireo Buddha, dia ahitana zavatra maro [16] ihany koa ao Dushanbe [17] ka anisan'izany ny andrin-tsaina faharoa avo indrindra manerantany. Ankoatra izany, raha mitsidika fanindroany indray ny firenena ianao ao anatin'ny roa taona, dia hahita ny moskea lehibe indrindra ao Azia Afovoany ankoatra ny efitrano fanaovana tantara tsangana lehibe idrindra ao amin'ny faritra.

Koa aoka tsy hampihemotra anao ny fandaharana ny firenena ho faha-109 [18] amin'ny firenena 141 amin'ny sehatry ny Fandehanana Lavitra sy ny Fizahantany nokarakarain'ny World Economic Forum. Mitsangatsangàna any Tajikistan!

Night vision of Dushanbe city. Photo by Bahrom Jalilov

Jery amin'ny alina ny tanànan'i Dushanbe. Saripikan'i Bahrom Jalilov

Nawrooz Palace in Dushanbe city. Photo by Bahrom Jalilov

Lapa Nawrooz ao an-tanànan'i Dushanbe. Saripikan'i Bahrom Jalilov

The second tallest flagpole in the world. Dushanbe. Photographer: Nozim Qalandarov

Andrin-tsaina faharoa avo indrindra manerantany. Dushanbe. Mpaka sary: Nozim Qalandarov

Tajikistan is known for colourful handicraft production. Photo by Bahriddin Isamutdinov

Tajikistan malaza amin'ny asa-tanana maroloko. Saripikan'i Bahriddin Isamutdinov