Milaza Inona -Momba Antsika Sy Ny Tambajotra Sosialy Ny Fandraràna Ny Zavakanton'ny Fitanjahana?

Ventana Vista Hacia La Sucre. Imagen por Erika Ordosgoitti.

Varavaran-kely ahitàna an'i Sucre. Sary nalain'i Erika Ordosgoitti.

Ny Fitanjahana, iray amin'ireo lohahevitra tranainy indrindra sy tena miverimberina be eo amin'ny tontolon'ny Zavakanto, no nitondra ho amin'ny fampiantoana kaonty Facebook betsaka nandritra ny taona maro. Iray amin'ireo ohatra tsy ela akory izay ary notaterina be ny kaontin'i Jerry Saltz, mpitsikera zavakanto avy amin'ny Gazety boky New York Magazine.  Ny volana lasa teo, naato ny kaontiny satria nizàra sary izay nolazaina fa tsy mendrika izy, raha araka ny famaritana ny fepetra fampiasàna ilay tambajotra.

Eo amin'ny tontolon'ny media dizitaly, midika fitanjahana ny hoe tsy mendrika/tsy mifanaraka. Ny an'i Saltz izao, nosokajiana ho mihantsy sy mamoafady mihitsy ilay sary navoakany, araka ny nambaran'ny  ArtsBeat, ilay blaogin'i New York Times. Kanefa dia mason-tsivana nitovy tamin'izay  no nampiatoana sary maro, manomboka amin'ny  amin'ny sarinà reny mampinono hatramin'ny asan'ireo artista  maneho loha-nono, maha lehilahy, ary indrindra ny mahavehivavy. Ny taovam-pananahan'ny vehivavy dia toy ny zavatra rehetra ihany, fa kosa tsy azo resahana anaty aterineto, eny fa na dia ny amin'ilay raharaha ho famerenana ilay hosodoko “Ny Fiantombohan'Izao tontolo izao an'i Gustave Courbet 1866 aza.

Ilay Venezoeliana  Erika Ordosgoittiosgoitti, izay mpanakanto mpanao fampisehoana mifantoka voalohany indrindra amin'ny vatan'ny vehivavy dia ohatra iray hafa amin'ireo olona nisedra fanamby isan-karazany noho ny namoahany ny asatanany maneho fitanjahana tao amin'ny media sosialy. Anatin'ireo asa hafa navoakany, efa in-dimy nosivanin'ny Facebook ihany koa ilay sariny mitanjaka.

Captura de pantalla del proceso de denuncia de contenido pornográfico en Facebook. Compartido por Erika

Dikasarin'ny tatitra iray momba ny votoaty mamoafady tao amin'ny Facebook milaza fa mamoafady tao ka nofafana ny sarin'i Erik. Nozarain'i Erika Ordosgoitti.

Ny lahatsoratra etsy ambony, manazava ny antony namafàna ilay sary, dia mivaky hoe :”Naverinay nodinihina ilay sary izay lazaina fa mahakasika ny fitanjahana na mamoafady. Koa satria mandika ny Fitsipiky ny Tolotray, dia nesorina izany. Misaotra tamin'ny fampahafantarana. Efa nampahafantarinay i Erika Ordos fa nofafàna ilay sary navoakany, fa tsy nolazainay kosa hoe iza no nametraka ny fitoriana. Tsy hamoaka velively ny mombamomba ilay olona nanao fitarainana ny Facebook.”

Nangatahan'ny Global Voices i Ordosgoitti hilaza amintsika momba izay zavatra niainana niaraka tamin'ireo sehatry ny tambajotra sosialy. Ka tamin'izany no nanombohanay nandinika mikasika ny fomba anamoran'ireo mpandrindra ny rafitra ary ny mpampiasa azy ny sivana.  Ity lahatsoratra ity dia fiantombohan'ireo lahatsoratra maro mbola hivoaka hiresaka ireo fomba samihafa hiatrehana ny fanivànana ny Zavakanto, miainga amin'ny tantaran'i Erika Ordosgoitti sy ireo Artista maro voafehin'ny fitsipika mifehy ny tolotra ary ny lalànan'ny fiarahamonina.

Ny fampirantiana farany nataon'i Ordosgoitti, mitondra ny lohahevitra hoe Comida de moscas (Sakafo ho an'ny Lalitra ), nomaneho hevitra maro mikasika ilay sivana nihatra taminy ary niezaka ny nikaroka.

Tandremo : ity sary manaraka ity dia ahitàna fiteny mivantambantana/mahery setra.

Los primeros años fue un fenómeno de redes. Continuamente me cerraban la cuenta, me bloqueaban, me advertían; yo deliberadamente insistía. Recibí muchos insultos y algunas pocas amenazas de muerte.

Nandritra ireo taona voalohandohany, niparitaka be tety anaty aterneto ilay pejy. Nakaton'izy ireo isaky ny mihetsika ny kaontiko, bahanany aho ary nomeny fampitandremana, kanefa mbola fanahiniako notohizina nakarina ihany ny asako. Naharay ompa maro sy fandrahonana ho faty aho.

Captura de pantalla 2015-03-18 a las 11.21.31

Lahatsary sy fanehoan-kevitra manivaiva voarain'i Ordosgoitti tamin'ireo mpampiasa aterineto. Sary nozarain'ilay artista ary nahazoana alalana ny famoahana azy.

Sendra ny toy izany ihany koa ilay Venezoeliana artista, Eliseo Solis Mora, tsy ela akory izay. Nakaton'ny Facebook ny kaontiny noho ny nizarany ny sariny— mitanjaka aty anoloana izay ampahany aminà fampisehana zavakanto. Hoy izy nanoratra  :

Las redes hoy son un medio complejo. Me han censurado en varias de ellas por los contenidos de mis fotos. En Facebook  publiqué una imagen de Esther Ferrer y me bloquearon. Me volvió a ocurrir con un desnudo que luego dediqué a Ai Weiwei. En Instagram borraron automáticamente una imagen mía que fue denunciada…

Mpanelanelana iray saro-takarina ny tambajotra amin'izao androntsika izao. Noraràna aho noho ny sariko.Tao amin'ny Facebook, nampakatra ny sarin'i Esther Ferrer aho dia nobahanan-dry zareo. Mbola nitranga ihany izany tamin'ilay sary nitanjaka natokako ho an'i Ai Weiwei. Tao amin'ny Instagram, nofafan'izy tamin'izao fotsiny ny sary iray nisy nanao tatitra.

Mijanona ho tsy fantatra anarana ireo mpitory

Milaza i Ordosgoitti fa matetika bahanana na sivanina ireo artista noho ny fitarainana voaray avy amin'ireo mpampiasa afaka mahita ny kaontiny.

He tenido ya unas siete cuentas diferentes en Facebook. En la actualidad conservo dos, una oficial y otra alternativa, por lo general una de ellas está bloqueada, entonces uso la otra para superar el bloqueo

Manana Kaonty fito samihafa ao amin'ny Facebook aho. Amin'izao, kaonty roa sisa no velona : Kaonty ofisialy ary kaonty iray fanolo, matetika ny iray amn'ireo no voabahana, noho izany, ampiasaiko ny iray hialako amin'izany.

Ambaran'ilay artista fa tsy rariny sady mitanila ny fampiharana io fepetra fanivànana io. Nomarihany ihany koa fa tsy misy fanamelohana atrehan'ireo mpampiasa aterineto mametraka fitoriana tsy rariny ireo :

Responsabilizo de esta censura en primer lugar a Facebook porque sus políticas promueven conductas de sapeo [delación] anónimo. Considero que esta política es injusta, porque no me da derecho de saber quién me está denunciando ni sus razones […] Al denunciante se le agradece, sin saber si su denuncia es válida. Aunque las condiciones de publicación son claras, las razones de censura no lo son, porque en la actualidad (no siempre fue así) se supone que sus intenciones son excluir la pornografía o imágenes sexuales explícitas, por lo tanto quedarían exentas las imágenes científicas o artísticas pero ¿cómo diferenciar imágenes pornográficas o vulgares de imágenes artísticas?

Facebook no tokony homena tsiny voalohany raha ity endrika fandraràna ity satria manome vahana ny fitoriana miafina ny politika apetrany. Amiko dia tena tsy rariny io politika io, satria tsy manome ahy fahafahana hahalala ny olona mitory ahy sy ny antony anaovany izany […]. Isaorany ireo mpampiasa mametraka fitoriana, na tsy fantanyakozy aza hoe marina na tsia izany. Raha toa ka mba mazava ihany ny fepetra fampiasàna azy, tsy toy izany kosa ny antony anaovana ny sivana, satria amin'izao fotoana izao (ary tsy tahàka izao foana tany aloha), vinavinaina fa ny tena tanjon'izy ireo dia ny hanàla ny sary mamoafady sy ny sary vetaveta rehetra, politika izay mety hipàka hatrany amin'ny sary Siantifika sy Artistika. Kanefa ahoana ny hanavahanareo ny sary mamoafady amin'ny sary artistika ?

Ny fanapahan-kevitry ny Facebook hiaro ny mombamomba ireo izay mitory ny sary dia maneho finiavana hitazona ireny toe-draharaha ireny ho lasa fifandirana eo amin'ny samy mpampiasa aterineto. Nefa koa maneho fanamby vaovao, araka ny filazan'ireo artista.

Solís Mora, izay nisedra sivana ihany koa ny sary navoakany, dia nilaza fa tsy ara-demokratika ny mason-tsivana amin'ny fanivànana ireo sary artistika aty anaty tambajotra :

…las celebridades tienen mayores libertades. Prueba de ello es el famoso wallpaper de Kim Kardashian exhibiendo el trasero, que se volvió viral a través de las redes sociales. Hay algo interesante que uno nota nada más al abrir el Instagram: a diario se publican este tipo de imágenes, que tienen miles de likes y son sexismo puro, pero hay obras de arte que son automáticamente bloqueadas…

… manana fahafahana kokoa ireo olo-malaza. Ny porofo mivaingana izao dia ilay sary hosodoko ahitàna an'i Kim Kardashian mampiseho ny fitombenany, izay avy dia niparitaka manerana ny tambajotra sosialy. Misy zavatra mahaliana voamarikao rehefa manokatra ny Instagram ianao : misy sary mitanjatanjaka zaraina isan'andro ahitàna “J'aime” an'arivony raha toa kosa ireo asa taokanto tonga diabahanana tsotra izao…

Vao haingana i Solís Mora no  nizara fampitandremana vao voarainy—na koa fanambaràna—tao amin'ny rindriny Facebook :

Sí en esta cuenta, que en gran medida está manejada como herramienta de trabajo, me desnudo y tú que lees (sé no son tod@s) la denuncias o sencillamente no te gusta, pasa la página…Recomiendo entonces que si eres mi amigo o amiga virtual, entiendas que soy un artista y mi libertad creadora es total, aquí solo muestro arte.

Raha ato amin'ito kaonty ito, izay heverina fa sehatra iray iasàna, no anehoako sariko mitanjaka ka tsy tianareo ry mpamaky isany, aza tiavina izy fa miovà pejy fotsiny…Ny hafatro izany, na ianao namako, na namana anaty aterineto, dia ny hoe mba miezaha mahatakatra fa Artista manana ny fahalalahako mamorona anie aho, ary ny asehoko eto dia zavakanto.

Tahaka i Ordosgoitti, Mora koa dia nahazo fampitandremana ary nahazo fandrahonana ho faty noho ny asany. Aminy, ny sivana avy amin'ny ivom-pampianarana kolotoraly dia zavatra atrehany isan'andro, fa ny faneriterena amin'ny fahalalahany artistika aty anaty aterneto, hoy izy, no miha mitombo hatrany hatrany :

El problema va más allá de la mera denuncia, es la imposibilidad de ser libre. Sin embargo, me gusta que hoy se hable del desnudo, aún cuando es el tema más antiguo del arte…

Tsy mijanona eo amin'ny resaka tatitra fotsiny ihany ny olana—fa ny tena olana dia ny tsy fahampian'ny fahalalahana. Na izany aza, tiako ny maheno olona miresaka fitanjahana, na dia efa resaka tranainy eo amin'ny tontolon'ny zavakanto aza io…

Hafatry ny mpamoaka lahatsoratra : nitondra tamin'ny resaka nifanakalozana tao amin'ny pejinay teo amin'ny mpiara-miasa ity lahatsoratra ity, mikasika ny zavakanton'ny fitanjahana .Raha toa ka nisy maro tamin'izy ireo tehampakatra ny sary niharan'ny fanivànana, dia tao koa ireo somary niahotra. Noho izany, nifototra taminìireny fifankalozan-dresaka ireny, dia nanokatra adihevitra tao amin'ny bilaoginay izahay. Afaka jerenao ato ireo adihevitra ireo ary manampy ny hevitrao ao koa ianao.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.