Fiainan'ny Mpiasa Filipiana Ao Anatin'ny Hosodokon'i Antipas ‘Biboy’ Delotavo

"Itak sa Puso ni Mang Juan" (Dagger at the Heart of Mang Juan). Watercolor on Paper, 1978

“Itak sa Puso ni Mang Juan” (Sabatra ao am-pon'i Mang Juan). Lokorano amin'ny Taratasy, 1978. Nahazoan-dalana ny famoahana indray ny sary.

Ho fanomezam-boninahitra ny Andro Iraisampirenen'ny Mpiasa, mampiseho sary hoso-doko maromaro izay maneho ny toerana iainan'ny mpiasa Filipiana ny Global Voices.

Mpanakanto Filipiana mpaneho kanto hita maso malaza i Antipasy Biboy” Delotavo izay nanao ny sangan'asany amin'ny fanehoana ny sasany amin'ireo zavamisy sarotra iainan'ny olo-tsotra ao amin'ny fiarahamonina Filipina. Milahatra miaraka amin'ny zavamisy ara-tsosialy hafa izay maneho ny lafy ratsy ny didy jadona tamin'ny taona 1970, mbola manohy mamokatra hoso-doko manazava amin'ny vahoaka momba ny fiantraikan'ny fahantrana, ny fampahoriana ary ny tsy rariny ao amin'ny firenena izy.

Nanasongadina mpiasa iray tranainy mandeha eo anoloan'ny fangon'ny orinasa marorantsana iray (jereo ny sary etsy ambony) ny iray amin'ireo sangan'asany malaza idrindra. Mamaritra izany ho toy ny “fanombohana ny mpitrongy vao homana amin'ny hao fijaliana ataon'ny rafitra kapitalista izany” ireo tsikera sasany.

Nanontany azy momba ny aingam-panahiny ny Global Voices, hoy i Biboy:

Most great art emanates from pleasant positive spirit which is uplifting that inspires it. My art seems to contradict it. Social burden initiates it and I seek relief by painting it. I’m not sure if it’s inspiration. I think it’s more of a responsibility as a social being with a conscience.

Ny ankamaroan'ny sanganasa miavaka dia avy amin'ny saina finaritra manainga fanahy azy. Toa mifanohitra amin'izany ny kantoko. Ny vesatra ara-tsosialy no nanombohako izany ary mitady voitra aho amin'ny alalan'ny fanaovana hosodoko izany. Tsy dia haiko loatra hoe aingam-panahy ve izany. Mihevitra aho fa andraikitra kokoa amin'ny maha-olona ara-tsosialy manana ny feon'ny fieritreretana izany.

Ity ny soso-kevitr'i Biboy hoan'ireo tanora mpanakanto:

What you create as an artist reveals what you are. If you paint solely for money or otherwise it will surely show it. Sincerity, conviction, passion and talent are always the ingredients of enduring works of an artist.

Izay foroninao amin'ny maha-mpanakanto no mampiseho hoe iza ianao. Raha mandoko noho ny vola fotsiny na zavatra hafa ianao, dia hampiseho izany tokoa izy. Fahadiovam-po, faharesen-dahatra, firehetam-po sy talenta no fangaro mahazatra amin'ny fiaretana ny asan'ny mpanakanto.


Maneho ny fifindra-monina faoben'ireo mpiasa Filipiana ity sary hosodoko ity. 12 tapitrisa ireo mpiasa Filipiana any ampitan-dranomasina izay nandao ny namany sy ny fianakaviany.

Diaspora Oil on Canvas, 2007

Am-pielezana. Menaka amin'ny lamba, 2007. Nahazoan-dalana.

Manam-pahaizana momba ny kanto, Patrick D. Flores nilaza momba io hosodoko io:

They are facing a horizon that seems to be a dis-place, but their strides are decisive, their load roots them to their ground, and they are resolute in “being there” and disappearing into a depth. Are they coming or going? Are they in a vast terminal in the airport or on the tarmac to catch their flight or have they arrived?

Miatrika faravodilanitra izay toa diso toerana izy ireo, saingy misy vokany azo tsapain-tanana ny fandrosoan'izy ireo, mampifikitra azy ireo amin'ny taniny ny entana entiny, ary vonona izy ireo “ho eo” sy hanjavona ho any amin'ny lalina. Tonga ve ry zareo sa handeha? Moa ve ao amin'ny toera-piondranana midadasika izy ireo sa ao eo amin'ny kianja fidinana sy fiakaran'ny fiaramanidina hanenjika ny sidin'izy ireo sa efa tonga?

Ahitana mpiasa tsy ara-dalàna marobe tahaka ny mpivarotra eny an-dalambe izay matetika iharan'ny herisetran'ny manam-pahefana ao Filipina.

Bawal Hanapbuhay (No Vendors Allowed) Watercolor, 1978

Bawal Hanapbuhay (Tsy Azo Ivarotana). Watercolor, 1978. Nahazoan-dalana.

Misy ny tsy fitoviana goavana amin'ny fidiram-bola eo amin'ny faritra ambanivohitra sy an-drenivohitra. Maro ireo mpamboly miaina fahantrana miverimberina izay manery azy ireo hifindra monina any an-tanàndehibe.

Oil on Canvas, 2012

Menaka amin'ny Lamba, 2012. Nahazoan-dalana.

Mpitsikera kanto iray namariparitra ity sangan'asa ity ho fampahatsiahivina ny fiantrana sandoka nomen'ireo mpanafika Amerikana hoan'ireo Filipiana, 100 taona lasa izay, mbola mamely antsika amin'izao fotoana izao ny vokatr'izany.” Zanatany Amerikana  i Filipina nanomboka ny taona 1898 ka hatramin’ny 1946.

Lead White Oil on Canvas, 2011

Kofehy Fotsy. Menaka amin'ny Lamba, 2011. Nahazoan-dalana.

Nanjary mahazatra mandritra ilay antsoina hoe “Ady amin'ny Mpampihorohoro” ny sarin'ady eo amin'ny tafika Filipina sy Amerikana taorian'ny fanafihana 11 septambra tao New York City.

America Gave Us John Wayne Oil on Canvas, 2003

Nomen'i Etazonia anay i John Wayne. Menaka amin'ny Lamba, 2003. Nahazoan-dalana.

Ity sary hosodoko ity dia nofaritan'ny tsikera iray ho manondro ny “hamaroan-karena ambonin'ny sainam-pirenena Filipina rovidrovitra.”

Steal Life Oil on Canvas, 2008

Hala-Piainana. Menaka amin'ny Lamba, 2008. Nahazoan-dalana.

Nahazoan-dalana avokoa ny sary rehetra avy amin'i Antipas “Biboy” Delotavo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.