- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Manasongadina Ny Antontanisan'ny Voina Ao Yemen Ny Sarin'ny Loza Ao Yemen

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Yemen, Ady & Fifandirana, Mediam-bahoaka, Vaovao Mafana, Voina, Vonjy Voina, Zon'olombelona

Nampiseho tamin'ny fomba vaovao ny loza ao Yemen tamin'ny alalan'ny sary tsotra sy manintona ny maso i Ruba Aleryanimpianatra Yemenita ao amin'ny Oniversite Brown, ary nanome anarana ny sangan'asany hoe: Ruba, izay mamaritra ny tenany ao amin'ny  mombamomba azy ao amin'ny Twitter [1]-ny ho te-ho mpanoratra sy mpaka sary misandratra, matetika mampiasa ny diezy #YemenInNumbers [2] ao amin'ny siokany mba hanasongadinana izay zavatra atrehin'ny fireneny taorian'ny ady naharitra iray volana.

Namely an'i Yemen tamin'ny daroka baomba an'habakabaka nanomboka tamin'ny 26 Martsa ny tafika Arabo iaraha-mitantana, tarihan'i Arabia Saodita. Tsy voafetra tao amin'ireo toby miaramila ihany, na mpiady avy amin'ny foko Houthi, izay nifehy ny renivohitr'i Yemen, Sana'a nanala ny Filoha Abd- Rabbu Mansour Hadi tamin'ny Janoary ny fanafihan'izy ireo.

Misy ihany koa ny fandravana goavana tao amin'ny seranan-tsambo atsimo ao an-tanànan'i Aden, izay nanaovan'ny Houthi ny valifatin'izy ireo niaraka tamin'ny tafika manohana ny filohan'i Yemen teo aloha, Ali Abdullah Saleh.

Nametra-pialàna i Saleh rehefa teo amin'ny fahefana nandritra ny telopolo taona taorian'ny hetsi-panoherana malaza tamin'ny taona 2011, ary nanolotra ny fahefana ho an'i Hadi tamin'ny alalan'ny fifanarahana noelanelanin'ny Filan-kevitry ny Fiaraha-miasan'ny Helo-drano (Gulf Cooperation Council) notarihan'i Arabia Saodita. Midaroka baomba an'i Yemen ankehitriny ireo firenena ireo. Mbola mifehy ny ankamaroan'ny vondro-tafika Yemen i Saleh ary manjakazaka ao amin’ny firenena Arabo mahantra indrindra manerantany .

Tamin'ny 7 Aprily no nanombohan'ny Ruba niaraka tamin'ireto sioka ireto talohan'ny nitomboan’ny isan'ny niharam-boina ho avo roa heny. Raha kely indrindra dia olona 1.244 no namoy ny ainy, araka ny tarehimarika nangonin'ny UNHCO avy amin'ny toeram-pitsaboana [3] ary olona 5.044 no naratra:

Nanomboka ireo andiana “Antontan'isa ao Yemen” aho. Ity ny sariko voalohany nifototra tamin'ny antontan'isa avy amin'ny Firenena Mikambana

Fizarana faharoan'ny “Antontan'isa ao Yemen”. Maro ireo harahina rahampitso

Nisioka momba ireo ankizin'i Yemen namoy ny ainy nandritra ny ady izy:

Araka ny filazan'ny UNICEF, ankizy tombanana eo amin'ny 74 eo no namoy ny ainy ao anatin'ny ady ao Yemen hatramin'izao

Misy koa ireo tsy navela handeha any an-tsekoly noho ny fihanaky ny herisetra ao amin'ireo governorà 19 amin'ireo 22 ao Yemen:

Nitatitra ny UNICEF fa ankizy maherin'ny 1 tapitrisa ao Yemen no tsy afaka namonjy sekoly noho ny ady

Nanasongadina ny fampiasana ireo ankizy miaramila ao Yemen ihany koa izy:

Ankizy avokoa ny iray ampahatelon'ireo mpiady.

Tsy adinony ihany koa ireo Yemenita mihitsoka any ivelany, izao voalaza fa 10.000 ankehitriny :

Araka ny tatitra sasany, Yemenita eo amin'ny 4000 eo no mihitsoka ao amin'ireo seranam-piaramanidina manerantany.

Nitombo avo telo heny ny isan'ireo Olona nafindra toerana ao anatin'ny firenena

Nitombo maherin'ny 100.000 ireo olona anatiny nafindra toerana

Nifantoka tamin'ny tsy fahampian-tsakafo sy ny fiankinan-doha amin'ny fanafaran-tsakafo izy tamin'ny 11 Aprily:

Tsy ampy sakafo ny olona 11,5 tapitrisa ao Yemen talohan'ny ady. Nitombo ny tsy fahampian-tsakafo hatramin'ny fanafihan'ny Houthis

Tsy mitsahatra manavao ny sariny miaraka amin'ireo tarehimarika farany avy amin'ny loharanom-baovaon'ny Firenena Mikambana [27]i Ruba

Miankin-doha amin'ny fanafarana ny 90%n'ny varim-bazaha sy 100%n'ny variny i Yemen

Tamin'ny 14 Aprily, nanasongadina ny fiakatry ny vidin-tsakafo sy ny fanafody izy:

Araka ny filazan'ny Oxfam, nitombo avo roa heny ny vidin-tsakafo ao Yemen hatramin'ny niandohan'ny ady

Araka ny tatitry ny UNICEF, ankizy 115 no namoy ny ainy ary 172 ireo lasa kilemaina ao Yemen.

Nitombo 300% ny vidim-panafody ary eo koa tsy fisian'ny fitsaboana sy ny fitaovana araka ny tokony ho izy

Niakatra 40% ny vidin'ny varim-bazaha sy ny lafarinina ao amin'ny firenena izay mihoatra ny 50% no miaina ao anatin'ny fahantrana.

Nanatontosa lahatsary miantso ny hampitsaharana ny ady, mitondra ny lohateny hoe Feon'i Yemen, manohana ny hetsika [42] #KefayaWar ihany koa izy.

Nanoratra fanontaniana manesoeso vao haingana momba ny fitomboan'ireo lazaina fa “manam-pahaizana ao Yemen” izy alohan'ny hanoratana lahatsoratra momba an'i Yemen, ao amin'ny Buzzfeed [43]:

A screen shot of one of the 10 questions on the "Yemen Expert" quiz

Pikantsary ny iray amin'ireo fanontaniana 10 tao amin'ny quiz “Yemen Expert”. A screen shot of one of the 10 questions on the “Yemen Expert” quiz