- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Horohorontany Ao Nepal: Miditra Aterineto Ny Olona Manerantany Hahitany Ireo Havana Aman-tsakaizany

Sokajy: Bangladesh, India, Nepal, Mediam-bahoaka, Vaovao Mafana, Voina, Vonjy Voina
Patan durbar square historic infrastructure in Kathmandu, Nepal greatly damaged due to the massive earthquake. Image by Sumit Shrestha. Copyright Demotix (25/4/2015) [1]

Kianjan'i Patan durbar manan-tantara ara-fotodrafitrasa ao Kathmandu, Nepal rava tanteraka tamin'ny horohorontany maridrefy 7.8. Sary avy amin'i Sumit Shrestha. Zon'ny mpamorona Demotix (25/4/2015)

Nanambara ny governemanta Nepaley efa sahirana mafy fa latsaka an-katerena ny firenena [2]ary miantso ny fiarahamonina iraisampirenena taorian'ny horohoron-tany goavana maridrefy 7.8, izay namely tamin'ny mitataovovonan‘ny 25 Aprily, tao amin'ny tanàna lehiben'i Nepal ao Kathmandu sy Pokhara, ka niteraka fahafatesan'olona mihoatra ny 1.800.

Ao anatin'izany krizy izany, mampiasa ny fitaovana toy ny Google Person Finder [3] sy ny Facebook Safety Check  [4]ny olona mba hitady ireo havana aman-tsakaizany. Natsangana tamin'ny 2010 ny Google Person Finder noho ny horohorontany tany Haiti [3] ary nanampy ny olona hifankahita taorian'ny loza, tamin'ny alalan'ny fitrohana sy fampiakarana tahiry ao amin'ny habaka.

Ampiasao ny “Person Finder” an'ny google mba hanampiana ireo niharan'ny #NepalQuake [6]

Mampiasa habaka natsangana vao haingana “Safety Check” [11]ihany koa ireo mpiserasera Facebook, izay ahafahanao milaza fa ‘tsy maninona’ ianao na ny namana iray tao amin'ny faritra nitrangan'ny loza.

Screen shot 2015-04-25 at 8.42.40 PM

Nanampy tanteraka hanadinoina ireo sary mampihoro-koditra nozaraina antserasera izy ireny.
Noho ny fahatapahan'ny zotram-pifandraisana, miezaka mifandray amin'ireo havana aman-tsakaizany amin'ny alalan'ny aterineto ny olona.

Tsy mandeha ny antso an-tariby rehetra manerana an'i Nepal

Hoan'izay miezaka miantso ao Nepal, ampiasao ny Viber, WhatsApp sy ny Text Messages. Miteraka fitohanana ny fiantsona amin'ny finday, fa tsy manampy

Olona telo tsara arahinao mikasika ireo vaovao farany avy eny ifotony ao Kathmandu: @kundadixit [16], @KanakManiDixit [17] ary @kashishds [18].

Only Krishna Mandir and Taleju Temple left standing in Patan Square. Image by Kunda Dixit. Used with permission [20]

Ny Tempolin'i Krishna Mandir sy Taleju ihany sisa no mitsangana ao amin'ny kianjan'i Patan. Sary: Kunda Dixit. Nahazoan-dalana

Fijerena ny media sosialy

Maro ireo miankina [21] amin'ny habaka media sosialy hanarahana ny fiovana eny ifotony.

Niraikitra tao amin'ny facebook ireo mpifindra-monina Nepaley mba hijery vaovao momba ireo namana aman-tsakaizany ao Jackson Heights, Queens, iray amin'ireo vondrom-piarahamonina am-pielezana mandroso haingana.

Ahatsapanao ny maha-zavadehibe ny twitter izao! Raha lavitra ianao ary mahazo izay vaovao ilaina.

Faharavana mieli-patrana

Kianjan'ny Patan Durbar ao Kathmandu teo aloha sy taorian'ny horohorontany

Tranobe nianjera, an-jatony ireo natahotra ho voafandrika sy naratra, tapaka ny tambajotram-pinday. Efa vonona ny ekipanay ary vonona hitondra fanampiana

RAVA TANTERAKA NY KIANJAN NY BASANTAPUR DURBAR

faharavana tanteraka.

Fahasimbana ao Lobouche, rava ireo tranobe sasany.

Rava tanteraka ihany koa ny tilikambo manan-tantara ao Kathmandu, izay fianihan'ny olona rehefa hitazana ny tanàna mahafinaritra

Nahita ny Dharara minitra fohy taorian'ny nianjerany tamin'ny 1934 ny raibeko. Anjarako indray ny mahita ny fanavaozana ny fianjeran'ny Dharara

Ao anatin'izao faharavana izao, voalaza fa safotry ny rano ihany koa ny hopitaly ao amin'ny renivohitra Kathmanduy. Maro ireo notsaboina ao ivelany

Hopitaly fampianarana TU. Tsaboina eny an-kalamanjana ireo naratra tamin'ny horohorontany. Ilaina maika ny lay.

India, Bangladesh ary Tibet

Niteraka fahafatesana tao India, Bangladesh ary Tibet ihany koa [43] ny horohorontany maridrefy 7.8. Avotra tao ambanin'ny trano nirodana ny olona. Niharan'ny horohorontany ihany koa ny toerana ao amin'ny Tendrombohitra Everest [44], izay niteraka riaka be.

Sary tsy mampino ahitana lehilahy iray mihitsoka ao anaty korontan-trano rava ny hatreo amin'ny tratrany. Anisan'ireo tsara vintana izy

Niteraka tahotra goavana tao amin'ny faritra ny horohorontany, araka ny tatitra farany, [48]olona 54 no namoy ny ainy manerana ny sisintanin'i Bihar, Bengal Andrefana ary Uttar Pradesh ao India. Olona telo kosa no maty tao amina distrika telo [49] ao Bangladesh noho ny horohorontany namely ny firenena.

Tahotra amin'ny Setriny

Araka ny tatitra sasanyhorohoron-tany somary maivana ity, ka mahatonga azy mampatahotra ny mety ho setriny ao amin'ny faritra nandrenesana ny horohorontany. Noho ny toetry ny horohorontany, sy ireo tranobe maro mora mirodana namboarin'ny fanjakana ao an-drenivohitra, indrindra ireo efa taloha be, atahorana hiteraka fahasimbana sy fahafatesana fanampiny ny setriny aorian'ny horohorontany [50]

Vatana mangatsiaka 180 no noesorina tao anaty korontan-trano ravan'ny tilikambo Dharara tao Kathmandu

Fotoana ahatsapahan'ny maro ho tsy afa-manoatra izao.

Nahoana no masiaka aminay ianao #afterquake [53] (setriny aorian'ny horohorontany) ! Mba miantrà amin'ireo vahoakan'i Nepal. Aiza ianao Andriamanitra?

Fotoanan'ny fisalasalana goavana.

Araka ny tatitra avy amin'ny Fanadihadiana Ara-jeografikan'ny Firenena Mikambana [55](USGS) momba ny Fandaharan'asa mikasika ny Lozan'ny Horohorontany [55], mbola hanohy hiatrika ny setriny maromaro avy amin'ny horohorontany i Nepal sy ny faritra ao aminy. Mety mbola ho ela vao hilamina ny toe-draharaha.

Efa ho adiny fito, hatramin'ny niandohan'ny horohorontany, mbola mitohy ny setrin'ny horohorontany. Loharanom-baovao: USGS

Amin'izao fotoana izao, mahatonga ny maro hiandry ao ivelan'ny tranon'izy ireo ny tahotry ny voka-dratsy aorian'ny horohorontany.

Saika ao anatin'ny aizina tanteraka i Kathmandu satria an'hetsiny ireo matory ao anaty lay mandritry ny alina. Tatitra avy ao amin'ny tanàna rava manontolo.

Nanjary fialokalofana hoan'ireo olona ao an-toerana ny Zaridaina Bhandarkhal  ao Patan Darbar

Tonga ny fanampiana sasany avy amin'ny fikambanana mpanao asa soa tahaka ny Oxfam, Save the Children (Arovy ny ankizy), the Red Cross (Vokovoko Mena) [21] ary koa ny governemantan'i India. Ity ny rohy [61]misy ireo fikambanana mpanao asa soa nitondra ny fanampiany taorian'ny horohorontany.

Nisioka ny filoha lefitry ny the Times of India hoe:

Voromby lehibe 3 an'ny Indian Air Force no niantsona tao Nepal niaraka tamin'ireo ekipa mpamonjy, ny sasany miaraka amin'ny toeram-pitsaboana an-kalamanjana sy dokotera 35

Tao amin'ny Facebook [11], nisaotra an'i India noho izany fihetsika izany ny sasany. Ny faharavana izany nozaraina tao amin'ny Twitter, na dia izany aza, dia milaza fa mbola ilaina ny fanampiana bebe kokoa sy haingana kokoa.