Dingana Manaraka: Tanora Shipibo ho Mpanoratra Gazety Nomerika Chariboan Joi
Vaovao farany avy amin'ny tetikasa nahazo vatsy avy amin'ny Rising Voices.

Mpandray anjara tamin'ny atrikasa mampiseho ny sertifikàn'izy ireo tamin'ny fahavitan'ny fiofanana.
Nanomboka tamin'ny 9 Febroary ka hatramin'ny 20 Febroary, nanatontosa atrikasa momba ny asa fanaovan-gazety nomerika ny tetikasa Chariboan Joi, iray amin'ireo asa fototry ny tetikasa. Tanora Shipibo 10 no nandray anjara tamin'ny tetikasa, anisan'izany ny mpianatra sekoly ambony avy ao amin'ny faritra Amazona Peroviana ao amin'ny vondrom-piarahamonina indizeny Nueva Betania, Nueva Palestina sy Bethel. Ny tanjon'ny atrikasa dia hampianatra ny fototry ny asa fanaovan-gazety nomerika an'olo-tsotra, miaraka amin'ny fanamafisana ny fanangonam-baovao am-peo mampiasa finday.
Ny Fikambanan'ny Tanora Indizeny ao amin'ny Faritra Ucayali (OJIRU) no niandraikitra ny fampidirana ireo mpandray anjara sy ny filazana ny fandaharam-potoanan'ny atrikasa. 13 ka hatramin'ny 17 taona ireo mpandray anjara, ka maro tamin'izy ireo no niara-dia tamin'ny ray aman-dreniny niainga tao amin'ny fiarahamonin'izy ireo hatrany amin'ny toerana misy ny fikambanana Alianza Arkana ao an-tanànan'i Yarinacocha, adiny efatra mialaa avy ao amin'ny toerana niavian'izy ireo.
Natomboka tamin'ny fitsapa-pahaizana ny atrikasa mba hamantarana ny fari-pahaizan'ireo mpandray anjara. Tamin'ny vokatra azo, namboarina ny fandaharam-potoanan'ny atrikasa mba hanotofana ny hantsana nomerika. Nisy ny lesona azo nampiharina momba ny fikarohana fitaovana ao amin'ny aterineto, ary nampiana hanangana kaonty mailaka sy Facebook ireo tanora. Nanomboka tamin'izany, nanjary namana tsy afa-nisaraka tamin'ireo tanora ny aterineto sy ny solosaina. Ka nanjary sarotra tamin'izy ireo ny misaraka amin'ireo namany (aterineto sy solosaina) hitany vao haingana, na dia amin'ny fotoana fatoriana aza. Nampiasa izany indrindra izy ireo mba hijery fialam-boly sy fanatanjahantena, ary manao Facebook. Tena nahafa-po ny nahita ny fomba nandresen'izy ireo ny tahotra solosaina sy aterineto, hijery azy ireo mihazatra isan'andro isan'andro amin'izany tontolo vaovao izany.

Mahafantatra ny fitaovana fikarohana ao amin'ny Aterineto.
Iray tamin'ireo asan'ny atrikasa ny mizatra fomba fijery vaovao, miankina amin'ny tombontsoan'izay mampahafantatra. Ka namorona izahay tantaran'olom-pirenena iray voahosy noho ny tsy firehetan'ny jiron'ny fifamoivoizana tsara, ary tamin'izany no namoronanay vaovao roa mifanohitra. Ny iray notohanan'ny fiadidiana monisipaly ara-bola, tompon'andraikitra amin'ny jiron'ny fifamoivoizana, ka nanafina ny vaovao momba an'io tranga io. Onjam-peo tsy miankina kosa ny iray hafa izay nitafatafa tamin'ireo tafiditra amin'ity raharaha ity, afa-tsy ny fiadidiana ao an-toerana izay tsy nety natao antsafa. Avy amin'izany izahay no nanadihady vaovaom-paritra sy vaovam-pirenena, ary niezaka namantatra ireo tombotsoa miafina araka ny fomba fijerin'ny tsirairay. Raha mpijery fotsiny ireo tanora tany am-boalohany dia nanana fijery mitsikera amin'ny fahazoana antoka ny fahamarinan'ny vaovao iray sy ny tsy fitanilàna.
Asa iray hafa nandritra ny atrikasa ihany koa ny famokarana fandaharana fampielezam-peo, izay mody natao hoe any amin'ny onjam-peo izy ireo miaraka amin'ny zava-iainana sy ny fitaovana. Ireo tanora ihany no tompon'andraikitra tamin'ny fandaharana, tatitra, antsafa, mozika ary ny vaovao. Nitsidika ny onjam-peo La Primerísima Pucallpa, izay mandefa fandaharana amin'ny FM sy ny aterineto mandritra ny fandaharam-baovao FECONAU (Federasion'ny Vondrom-piarahamonina Teratany ao amin'ny Renirano Ucayali) atolotr'ilay mpanao gazety Shipibo Jorge Soria ihany koa izy ireo. Nanatri-maso ny fomba fitantanana fandaharana tao izy ireo. Natao antsafa ihany koa ry zareo.
Fampiharana iray farany ny fitateram-baovao amin'ny finday. Nozaraina vondrona tanora roa sy telo ireo tanora, niaraka tamin'ny mpikambana ao amin'ny OJIRU, nandehandeha manodidina ny tanàna izy ireo mba hanadihady ireo mponina mikasika ny fampianarana, ny tontolo iainana, sy ny asam-panjakana. Niverina niaraka tamin'ny fanadihadiana ireo mpandray anjara, ny sasany tamin'ny teny Shipibo, ny hafa tamin'ny teny Espaniola. Ho hita tsy ho ela an-tserasera izany.
Nifarana tamin'ny lanonana famaranana fohy ny atrikasa izay nandraisan'ireo mpandray anjara mari-pahaizana. Mafy sy nandreraka ny asa, saingy tena nahafa-po, satria maro ny fandinihana momba ny fanomezan-danja indray ny kolontsain'ny mponina Shipibo ankehitriny, ny politikam-panjakana mahakasika ny zon'izy ireo, ireo indostria mpitrandraka mpandoto tontolo iainana, ny tsy fisiana na ny tsy fahombiazan'ny asam-panjakana, ankoatra ireo lohahevitra hafa. Manantena isika rehetra fa izay nianaran'izy ireo dia hitombo ao anatin'ireo tanora ireo satria mihalehibe tahaka ny olona tsirairay izy ireo.

Famaranana ny atrikasa sy ny fanolorana diplaoma. Closing of workshop and participation diplomas
Misy ny hantsana mahatonga voka-dratsy eo amin'ny fianarana ara-panjakana sy ny fahazoam-baovao ary ny fahaizana mikirakira solosaina eo amin'ny mponina teratany. Manantena izahay fa nanampy tamin'ny fandresena ireo elanelana ireo tamin'ny alalan'ny fahefan'ny olom-pirenena. Tsy maintsy mampihatra izay nianarany ireo tanora nanatrika ny atrikasa, izay efa mpikambana ao amin'ny ekipan'ny Chariboan Joi (nampiofanin'ny OJIRU sy Alianza Arkana) amin'izao fotoana. Angamba mety ho mpanao fanadihadiana an-gazety ry zareo afaka fotoana fohy. Ho hitantsika amin'ny volana ambony izany.
Taorian'ny atrikasa, nisy ny fiovana kely teo amin'ny fitantanana ny OJIRU. Amin'izao fotoana izao, solontena roa no voatendry handrindra ny tetikasa, Joely Mirena sy Ketín Gonzales, izay efa niasa momba ny fanofanana amin'ny fitaovana bilaogy.
Amin'ny volana ambony izahay hifantoka amin'ny fikirakirana am-peo sy ny fomba fampidirana izany ao amin'ny tranonkala, amin'ny fanamafisana ny fifandraisan'ny OJIRU, ary ny fanamafisana ny bilaogy ny ezaka ataonay.
Irake (misaotra).
Atombohy ny resaka

Sokajy
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Febroary 2021 45 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...