Nanjavona Teny Amin'ny Sisintanin'i Emirà Arabo Mitambatra Ilay Bilaogera Omaney Muawiyah Alrawahi

Muawiyah Alrawahi

Muawiyah Alrawahi. sary nalain'i Jillian C. York. Fampiasàna nahazoana alàlana

Araka ny fanambaràn’ireo fikambanana maro momba ny zon’olombelona, toa hoe notazonina ny Blaogera Omaney iray, Muawiyah Alrawahi, tamin’ny 24 Febroary raha nanandrana ny hiditra tao amin’ny Emirà Arabo Mitambatra tamin'ny alàlan'ny fiara avy any Oman. Nanamarina ny Amnesty Iternational fa nalain’ireo mpiandry ny sisintanin’i Emirà Arabo Mitambatra ireo antontan-taratasy fivezivezen’i Alrahawi, kanefa tsy fantatra izao toerana misy azy amin'izao fotoana izao. Efa ho 30 andro izay no farany nahenoan’ny fianakaviany sy ireo namany ny momba azy.

Nantsoin'i Sherif Mansour, Mpandrindra ny Fikambanana ho ‘fiarovana ireo mpanao gazety’ any amin’ny Afovoany Atsinanana sy Afrika Avaratra, ho “mampanahy” ny fanjavonany:

Muawiyah Alrawahi has not been heard from in a month, and this is alarming given the record of official persecution of the critical blogger. We call on authorities in the United Arab Emirates to explain why Alrawahi has been taken into custody or release him immediately.

Tsy heno mihintsy i Muawiyah Alrawahi nandritra ny iray volana, ary mampanahy izany raha raisina ireo filam-baniny ataon'ny manampahefana amin'ny blaogera mpanakiana. Miantso ireo manampahefana ao amin'ny Emirà Arabo Mitambatra izahay mba hanazava ny antony namonjàna an'i Alrhawi , na hamotsotra azy avy hatrany.

Tsy voalohany izao i Alrawahi no nilàn’ireo manampahefana vaniny. Tamin’ny 2004, notazonin'ireo manampahefana Omaney tao amin’ny trano fitsaboana aretin-tsaina tany amin’ny hopitalin’ny Oniversiten’i Sultan Qaboos izy. Toa ny nanazavan’i Amnesty International azy ao amin’ny fanambarana iray mangataka hetsika haingana:

Muawiya al-Ruwahi was arrested in Oman several times in recent years. He was summoned in February 2012 to the Omani State Security headquarters after he criticized Sultan Qaboos in his blog; he was held in a mental health hospital for one week and released without charge. He was arrested on 12 July 2014 after he criticized the Omani authorities in his blog, two days after an Omani teacher had been sentenced to a large fine for “public order offences”, for going on strike in October 2013. He was detained mainly in mental health facilities, first in the al-Massarah mental health hospital and a week later in the psychiatric ward of Sultan Qaboos University Hospital where he was kept shackled. He was released without charge on 11 August.

Im-betsaka voasambotra tao Oman i Muawiya al-Ruwahi tatoanatin'ny taona vitsivitsy. Voaantso tany amin’ny foiben-toeran’ny Filaminana Anatiny izy tamin’ny volana Febroary 2012 taorian’ny nanakihanany ny Sultan Qaboos tao amin’ny blaoginy ; notazonina nandritra ny herinandro tao amin’ny hopitaly fitsaboana aretin-tsaina izy ary navotsotra tsy nisy fanamelohana. Voasambotra izy ny 12 Jolay 2014, taorian’ny fanakihanana ireo manampahefana Omaney tao amin’ny blaoginy, roa andro taorian’ny nanamelohana ny mpampianatra Omaney iray handoa onitra lafobe noho ny ‘fanakorontanana filaminam-bahoaka’, noho ny nanaovany fitokonana tamin’ny volana Aogositraa 2013. Tany amin’ireo toerana fitsaboana aretin-tsaina no tena nitazonana azy, tao amin’ny hopitalin’i al-Massarah aloha ary avy eo tany amin’ny sampana momba ny aretin-tsaina tao amin’ny hopitalin’ny Oniversiten’i Sultan Qaboos herinandro taty aoriana, nofatorana izy tao. Navotsotra tsy nisy fanamelohana izy ny 11 Aogositra.

Tamin’i 2012, natolotra teto amin’ny Global Voices Advocacy i Alrawahi taorian’ny fisamborana azy noho ny fanakianana ny Sultan Qaboos bin Said, mpanjakan’i Oman. Sahirana i Alrawiha taorian’ny nanoratany lahatsoratra iray taoamin'ny bilaogy, nitondra lohateny hoe “Fifanarahana ho Famelàna Heloka”, izay namoahany hevitra sasantsasany nahabe resaka. Na efa nesorina tao amin’ny aterneto aza ilay lahatsoratra tamin’izany, ilay tantarantsika tamin’ny 2012 no nanoritsoritra ny votoatiny toy ity manaraka ity:

[he] talked openly about a number of things, including suffering sexual abuse as a young teenager, his earlier involvement with Oman's Internal Security Service (ISS), his admiration for and connections to ex-ISS Brigadier-General Khamis Al Ghraibi (now imprisoned under charges of spying for the UAE), his lack of religious belief, his disillusionment with Oman, and his loss of faith in the ruler Sultan Qaboos.

Niresaka tamin-kalalahana momba ny zavatra maromaro izy, tao anatin’izany ny fanararaotana ara-nofo fony tanora, ny faifampikasohany alohaloatra tamin’ny Sampana misahana ny Filaminana anatiny tao Oman (ISS), ny fankafizany sy ny fifandraisany tamin’ny Brigadie Jeneraly taloha tao amin’ny ISS, Khamis Al Ghraibi (izay nogadraina noho ny fitsikilovana ho an'ny Emirà Arabo Mitambatra), ny tsy fahampian’ny finoany, ny hadisoam-panantenany amin'i Oman, ary ny fahaverezan’ny finoany an’i Sultan Qaboos.

Tao anatin’ny fifampiresahana tamin’ny Global Voices ny taona 2010, izay niresahan’i Alrawiha ny traikefany momba ny fanoratana bilaogy ao Oman,nanazava izy fa niditratamin'ny fanoratana  bilaogy mba hanoratany momba ireo olan’i Oman amin’ny finoana hoe ‘ny fanontaniana tsy ifnakalozantsika hevitra no olana tsy ho voavahantsika’.

Namoaka antso ofisialy ho an’ny famotsorana azy ny Ivon-toerana momba ny Zon’Olombelona ao amin'ny Golfa.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.