Fanatanjahan-tena Mahate-ho-tia Ve Sa Fampijaliana Biby Ny Fanatanjahan-tena Nasiônalin'i Meksika?

Charrería in Mexico, October 27, 2007, photo by Ruben Balderas, CC 2.0.

Charrería any  Meksika, 27 Oktobra 2007, sary avy tamin'i Ruben Balderas, CC 2.0.

Na dia maro aza ireo mieritreritra fa ny baolina kitra no fanatanjahantena malaza indrindra any Meksika, ny charrería no heverina ho hany fanatanjahantena nasiônaly any Meksika (teny kelin'ny mpandika teny: ny anarana hoe charrería dia avy amin'ny teny hoe charro, ny “cow-boy” Meksikàna). Kilalao io, izay ahitàna ny charro (ilay mpitondra) ary karazam-biby maro toy ny soavaly, omby dia, omby kely, na soavaly vavy antitra. Tsy sahala amin'ireo fanatanjahan-tena maro hafa, amin'ny charrería dia manana anjara ihany koa ireo vehivavy. Fantatra amin'ny hoe escaramuzas izy ireo (raha adika : “escarmouches”(ady tselatra)). Araka ny Wikipedia, tsy mahalala ny fototry ny charrería ireo mponina an-drenivohitra, fa ireo mpiaro azy dia manao azy io ho kilalao efa tena taloha be, ary manana fototra Meksikàna.

Afaka atao ho fampisehoana fotsiny na fifaninanana ny charrería. Raha hoe io farany io izy, misy ireo fitsipika sasantsasany tokony harahina. Atao amin'ny alalan'ny karazana “suertes charras” (fampisehoan'ny soavaly) na “acrobatique”, ilay hetsika, izay mampivady ny fahaizan'ny charro sy ny fanazarantena ananan'ny biby. Ao amin'izany “acrobatie” izany, afaka manaraka ny fitaingenana “omby dia” isika, ary ny paso de la muerte (ilay dingana mety mahafaty). Io farany io dia ahitana ny mpitaingina eo ambony soavaly mandeha mafy ary mitsambikina mivantana any amin'ny soavaly iray hafa (antsoina hoe soavaly “dia”) izay mihetsiketsika ihany koa sady taitairin'ireo charros hafa.

Ny fikambanana sivily Federasiôna Meksikànan'ny Charrería, mitoetra ao amin'ny Afovoan-tanàna Manan-tantara ao amin'ny renivohitra Meksikàna, dia iray amin'ireo manampahefana amin'io lalao io. Ankoatra ny fampahafantarana bebe kokoa ny paracharrería (izay lalao mitovy ihany fa ataon'ireo olona izay manana filàna manokana), tanjon'ny federasiôna ny hanao io ho lalao ho an'ny rehetra ary misoroka ny fanavakavahana. Araka io vondrona io, ireo anjara asany dia:

Participar en la prevención y eliminación de la discriminación de las personas con discapacidad, así como en su integración a la sociedad, favoreciendo su participación en el deporte en general y de éstos la CHARRERIA EN PARTICULAR por ser el único deporte 100% Nacional y dar la oportunidad a los Charros y Charras, que por algún accidente dentro de este deporte hayan quedado con alguna discapacidad, de continuar participando activamente en éste, nuestro Deporte Nacional.

Mandray anjara amin'ny fisorohana sy fanafoanana ny fanavakavahana ireo olona manana fahasembanana, ary manao azy ireo ho anisan'ny fiarahamonina ihany koa, mitondra anjara biriky amin'ny fandraisan'izy ireo anjara amin'ireo hetsika fanatanjahantena amin'ny ankapobeny, ary indrindra amin'ny charrería, satria io ihany ny fanatanjahantena nasiônaly 100 %, ary manome fahafahana ho an'ireo charros lahy sy vavy izay noho ny loza nitranga tamin'ny fanaovana ny charrería ka nitondra takaitra, ho mbola afaka manohy ny fanatanjahantena nasiônalintsika hatrany.

Na dia fomba nentim-paharazana malaza be aza, tsy zakan'ny olon-drehetra ao amin'ny firenena ny charrería, satria ny olona sasany mitaraina fa hetsika mampitombo ny fanararaotana na tsy firaharahiana ireo biby ampiasaina eo io. Ao amin'ny sehatra ao amin'ny aterineto Derecho Animal (Zon'ny biby), afaka mahita fanazavana momba io fomba fanao io isika, izay mitatra mankany Etazonia.

La Charrería […] se ha convertido en una fiesta cada vez más popular en los Estados Unidos.

Langan, el presidente de una de las asociaciones defensoras, comenta tienen mucha preocupación por estos eventos, “El número de animales que esta siendo expuesto a lesiones es cada vez mayor” advirtió.

The Humane Society ha solicitado a los gobiernos estatales y locales que prohíban este tipo de práctica, que tienen como consecuencia el maltrato de muchos animales, y han logrado ser escuchados en lugares como Nebraska,Colorado y California.

En la ciudad de Omaha y Nebraska, se analiza prohibir este espectáculo, tras escuchar los argumentos a favor y en contra de esta terrible tradición.

Manomboka lasa fankalazàna miha-malaza be ny Charrería […] any Etazonia.

Langan, filohan'ny iray amin'ireo fikambanana miaro ny zon'ny [biby], dia maneho fa tena miahiahy fatratra izy ireo amin'ireny hetsika ireny, “mihamitombo ny isan'ireo biby izay natao hampijaliana”, hoy izy nampitandrina.

Ny Humane Society (Fiarahamonin'Olombelona) dia nangataka ireo tompon'andraikitra eo an-toerana sy ny governemantam-panjakana mba handràra io fomba io tsy ho azo atao intsony, izay miafara amin'ny fampijaliana ireo biby maro, ary nataon'izay ireo izay hahenoana azy ireo tamin'ireo toerana toa an'i Nebraska, Colorado ary California.

Ao amin'ny tanànan'i Omaha sy Nebraska, mieritreritra ny handràra ny fanaovana io karazana fampisehoana io izy ireo, taorian'ny nihainoany ireo vokatsoa sy vokadratsin'io fombandrazana mahatsiravina io.

Mamarana amin'izao fehezanteny izao ilay vohikala:

Al ser una tradición que es realizada [desde] hace mucho tiempo es de esperarse que los mexicanos defiendan la misma y aseguren que las charreadas son eventos culturales importantes y no peligrosos.

Satria fombandrazana efa nisy ela izy io, eritreretina fa mety hiaro an'io ireo Meksikàna, ary hanamarina fa hetsika kolotoraly manan-danja ny charreadas fa tsy mampidi-doza akory.

Ao amin'ny Twitter, manontany i Param0_ hoe:

Fanatanjahan-tena nasiônaly ve ny charrería sa fialàna olana amin'ny fanararaotana ireo biby?

Mandritra izany, manipika ireo fomba fanao tokony ho raràna ihany koa i Eugenio Peña, raha tena tsy maintsy hanapitra ny charrería tokoa i Meksika:

Raha tianareo ny handràra ny fampijaliana ny biby, dia tokony hanohitra ireo fampisehoana mampiasa biby sahala amin'ny charrería, fihantsiana omby, toerana fanidiana hazandrano, toerana fanidiana biby ambonin'ny tany, sns… ianareo.

Ny mpikambana iray ao amin'ny fikambanana Unidos Para Proteger a los Animales (Mitambatra mba Hiaro ireo Biby) dia nilaza izao tao amin'ny vohikalam-baovao Angel Guardián:

El conocido escritor mexicano Carlos Fuentes sostenía que: “La cultura o es universal o no es cultura; es folclore”.

La charrería es mal llamada “El deporte nacional”, y digo mal llamada porque el Comité Olímpico define claramente que para poder considerar deporte cualquier práctica, los contendientes deben estar en igualdad de condiciones y el caballo no tiene ni remotamente las mismas oportunidades de su oponente el hombre.

Nanamarina ny mpanoratra fanta-daza Meksikàna, Carlos Fuentes, fa: “Iraisan'ny rehetra ny kolontsaina raha tsy izany tsy kolontsaina; fa fampisehoana.”

Fantatra tsy araka ny tokony ho izy hoe “fanatanjahantena nasiônaly” ny Charrería, ary hoy aho hoe fantatra tsy araka ny tokony ho izy araka ny famaritana mazava avy amin'ny Kaomity ny Lalao Iraisam-pirenena fa, mba ho afaka lazaina ho fanatanjahantena ny taranja rehetra, dia tokony hitovy ny fepetra ho an'ny mpilalao rehetra, ary eto ny soavaly dia tsy mba manana velively ny vintan'ny mpifaninana aminy akory, ny olombelona.

Milaza ny Unidos Para Proteger a los Animales hoe:

Al igual que la tauromaquia y las peleas de gallos, la charrería es otra forma de maltrato animal.

Si, la charrería es una tradición y una costumbre. Pero no es universal, por lo tanto no es patrimonio cultural ni deporte, tan sólo es una expresión del folclore mexicano.

Sahala amin'ny fampiadiana omby sy fampiadiana akoho, fomba iray fampijaliana biby hafa ihany koa ny charrería.

Eny, vakoka sy fomba fanao nentin-drazana ny charrería. fa tsy eken'ny rehetra io, noho izany sady tsy kolontsaina nolovaina io no tsy fanatanjahantena ihany koa, fomba fampisehoana ny hetsika mahoraka Meksikàna fotsiny io.

Charros Meksikàna. Sary nalain'ny mpanoratra ary afaka hita ao amin'ny bilaoginy.

Ireto ny lafiny roa amin'ny medaly iray ihany: fomba fanao efa ela an'ny faritra Meksikàna, izay mampiasa ireo biby ary lasa fampisehoana ary mety ho fanatanjahantena, na hetsika izay tokony heverina mitovy amin'ny fampiadiana omby. Na izany aza, mila marihantsika fa amin'ny charrería, tsy ny hamono ilay biby no tanjona, fa ny hanao ny “tosika tonga lafatra”.

Azo heverina fa hiakatra anaty adihevitr'ireo mpanao lalàna ato ho ato ny Charrería, satria mampiseho fahalinana mitombo hatrany hiaro ireo biby ireo vahoaka, amin'ireo fanehoan-kevitra imasom-bahoaka. Raha tonga tany amin'ny vahoaka io adihevitra io, afaka mieritreritra ny haheno ireo feo avy amin'ireo lafiny roa amin'ny nosy isika.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.