Olona An-tapitrisany Manerantany No Mahatsiaro ny Vonomoka ny Armeniana

Armenian Genocide Centenary march in Yerevan, April 24th. Photo by Joey Ayoub.

Armenian Genocide Centenary march in Yerevan, April 24. Photo by Joey Ayoub.

Olona an-tapitrisany no nanao diabe tamin'ny 24 Aprily ho fahatsiarovana ny fahazato taonan'ny Fandripahana Armeniana. Ny daty dia manamarika ny nanangonan'ny manampahefana Ottoman ireo manampahaizana sy ireo mpitarika ny fiarahamonina Armeniana 250 tao Constantinople ny andron'ny 24 Aprily, izay nanome lalana ny Fandripahana ny Armeniana ka tombanana ho 1,5 tapitrisa teo ireo olom-pirenena Armeniana tao amin'ny Fanjakana Ottoman novonoina tanelanelan'ny taona 1915 sy 1918.

Tao Yerevan, Armeniana sy vahiny an'hetsiny no nandray anjara tamin'ny diabe goavana niainga tao amin'ny Kianjan'ny Repoblika hatrao Tsitsernakaberd, Fahatsiarovana ny Vonomoka Armeniana. Nandray anjara sy naka sary nandritra ny hetsika ity mpanoratra ato amin'ny Global Voices ity.

Armenian Genocide Centenary march in Yerevan, April 24th. Photo by Joey Ayoub.

Diaben'ny fahazato taona nanaovana vonomoka ny Armeniana tao Yerevan, 24 Avrily. Saripika Joey Ayoub.

 

Armenians and supporters arrive at Tsitsernakaberd, April 24th. Photo taken by Joey Ayoub

Armeniana sy ny mpanohana tonga ao Tsitsernakaberd, 24 Avrily. Saripikan'i Joey Ayoub

 

The eternal flame is seen as a man lays a flower inside Tsitsernakaberd, April 24th. Photo Taken by Joey Ayoub.

Afo tsy maty hita tamin'ny nametrahan'ny lehilahy iray voninkazo tao anatin'i Tsitsernakaberd, 24 Avrily. Saripikan'i Joey Ayoub.

 

Armenians and supporters arrive laying flowers inside Tsitsernakaberd, April 24th. Photo Taken by Joey Ayoub.

Armeniana sy ireo mpanohana mametraka voninkazo taoanatin'i Tsitsernakaberd, 24 Avrily. Saripikan'i Joey Ayoub.

Tao Los Angeles, fonenan'ny fiarahamonina Armenina lehibe indrindra ivelan'i Armenia, Armeniana sy mpanohana maherin'ny 100.000 no nanao diabe manatona ny masoivoho Tiorka.

Tonga tao amin'ny masoivoho Tiorka ao Wilshire Blvd ny reo mpanao diabe. mitari-dalana i @Sky5Tim. Jereo ny sary

Zoro ijerena ny diaben'ny fahatsiarovana ny Vonomoka Armeniana tao Los Angeles avy eny an-habakabaka, teo amin'ny 50k teo ireo tonga nandray anjara

Tao Libanona, olona 30-40,000 eo ho eo no nanao diabe. Nandany ny andro vitsiny farany tamin'ny fankalazana ny lova Armeniana ao aminy ireo Libaney marobe.

Omaly ny diabe ao Beirut mba hanamarihana ny fahazato taonan'ilay ny Vonomoka Armeniana

Lebanese Armenians and supporters marched on April 24th. Photo by Paul Gorra.

Armeniana Libaney sy mpanohana nanao diabe tamin'ny 24 Aprily. Sary avy amin'i Paul Gorra.Lebanese Armenians and supporters marched on April 24. Photo by Paul Gorra.

Tao Istanbul, mamaritra ny tahotr'izy ireo ny Tiorka, Kiorda, Grika sy Asyrianina fa handrava ny diaben'izy ireo ny nasionalista. Nozarain'ny tetikasa Armeniana Am-pielezana tao amin'ny Facebook ity tantara manaraka ity.

The march in Istanbul on April 24th. Photo shared by The Armenian Diaspora Project.

Ny diabe tao Istanbul tamin'ny 24 Avrily. Saripikanozarain'ny Armenian Diaspora Project.

Hoy ny vakin'ny tantara:

Yesterday was an indescribable day. My biggest fear going into the commemoration of the Armenian Genocide in Istanbul was that Erdogan, with elections approaching and a need to appeal to the MHP/nationalist voters, would see our presence on Istiklal Cd as a threat and that the police would then melt away, allowing the nationalist protestors to break through their lines and attack us.

As we sat facing towards Taxim Square, we could hear the shouts from the nationalists at our backs every time the speakers would cut out. Chillingly it seemed to get louder and louder, as if they were edging nearer and nearer. Then – as the sounds of Sareri Hovin Mernem faded- we heard a loud cheer from much closer, and then chants growing louder and louder, a sound I had heard countless times in my years of covering protests; the sound of protestors breaking through police lines.

As we stood up to face what was coming, we saw them. Not angry nationalists waving the red flags of the Vatan Party, but thousands of Turks, Kurds, Greeks, and Assyrians, bearing signs reading “հո՛ս էնք” (We are here), bearing the pictures of Hrant Dink, Gomidas, Sevag Balikci, Taniel Varujan and many others, the streets echoing with their chants of solidarity.

A friend ran through the stunned crowd, arms wide open shouting “They are here with us! They have filled the street!”

So thank you. Thank you Turks, Kurds, Assyrians for standing with us. Thank you Turkish human rights groups for organizing the commemoration at Hydarpasa. Thank you Istanbul Armenians. Thank Osman Kavala. Thank you Sarah Leah Whitson, Nancy Kricorian, Heghnar Watenpaugh, and everyone else at Project 2015.

There is no place else I would have rather been this week.

Andro tsy hay tantaraina ny omaly. Ny tahotro indrindra tamin'ny fandraisana anjara tamin'ny fahatsiarovana ny Fandripahana Armeniana tao Istanbul dia noho izao fanatonan'ny fifidianana itadiavana ny vaton'ny MPH/nasionalista izao ka ijeren'i Erdogan ny fisianay eo amin'ny Istiklal Cd ho endrika fandrahonana ka mety idiran'ny polisy an-tsehatra, hamela ireo mpanao fihetsiketsehana nasionalista hihoatra ny fetra farany azon'izy ireo itsahina ka hanafika anay avy eo.

Rehefa nipetraka niatrika ny kianja Taxim izahay, dia nahare ny hiakan'ireo nasionalista ao aorianay izahay isaky ny mitsaha-teny ireo mpandahateny. Toa miha-mafy hatrany izany, tahaka ny mihamanakaiky izy ireo. Avy eo – satria somary malefaka ny feon'i Sareri Hovin Mernem- nahare horakora-pifaliana mafy teo akaiky teo izahay, ary avy eo miha-mafy hatrany hatrany ny hiaka, feo reko imbetsaka teo amin'ny fiainako rehefa manangom-baovaom-pihetsiketsehana; nihoatra ny tsipiky ny polisy ny feon'ireo mpanao fihetsiketsehana.

Rehefa nitsangana hiatrika izay manatona izahay dia nahita azy ireo. Tsy nasionalista tezitra manofahofa saina menan'ny Antoko Vatan, fa Tiorka, Kiorda, Grika sy Asyriana an'arivony mitondra marika mivaky hoe “հոս էնք” (Eto isika), mitondra ny sarin'i Hrant Dink, Gomidas, Sevag Balikci , Taniel Varujan sy ny maro hafa, manakoako ny hiakam-piraisankinan'izy ireo teny an-dalambe.

Nisy namana iray nihazakazaka teo amin'ireo vahoaka talanjona, miaraka amin'ny tanana mitsangana sady mihiaka hoe “Eto izy ireo mba hiaraka amintsika! Nameno ny arabe izy ireo!”Koa misaotra anareo. Misaotra anareo Tiorka, Kiorda sy ny Asyrianina nitsangana niaraka taminay. Misaotra ireo vondrona Tiorka mpiaro ny zon'olombelona tamin'ny fikarakarana ny fahatsiarovana tao Hydarpasa. Misaotra ny Armenianina eto Istanbul. Misaotra an'i Osman Kavala. Misaotra an'i Sarah Leah Whitson, Nancy Kricorian, Heghnar Watenpaugh sy ny rehetra ao amin'ny Project 2015.

Tsy misy toeran-kafa tokony hisy ahy tamin'ity herinandro ity.

Tao Diyarbakir, Tiorkia, izay ahitana mponina Kiorda marobe, nanao diabe ny olona tamin'ny 24 Aprily:

Manao diabe ny olona ao Amed ((Diyarbakir) mba hahatsiaro ny Vonomoka natao tamin'ny Armeniana.

Namono ny jiro tamin'ireo toerana manan-tantara i Paris sy i Roma ho fahatsiarovana ny Vonomoka nahazo ny Armeniana:

Tao Paris, maizina ny Tour Eiffel ho fahatsiarovana ny fahazato taonan'ny Fandripahana ny Armeniana

“Tanàna mandrakizay-Roma, maizina ny “Colosseum” ho fahatsiarovana ireo niharam-boina tamin'ny Fandripahana ny Armeniana.

Raha hijery sary maro manerantany, jereo ity fitantarana avy amin'ny RT ity.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.