
Pongo sy Sebastian, saka roa novonjen'i Charles Januzzi ary miara-mipetraka aminy ankehitriny any an-tranony. Sary nindramina tamin'i Charles Januzzi.
Taorian'ny 25 taona niasana tamin'ny fanampiana fanarahamaso ireo saka ao amin'ny tobim-pianarany any amin'ny Faritra ao Japana. Miatrika fanoherana goavana avy amin'ny fitantanan'ny oniversite i Charles Januzzi ankehitriny.
Nanatontosa fanangonan-tsonia an-tserasera i Januzzi rehefa noraràna tamin'ny famelomana na fikarakarana ireo saka mirenireny marobe ao amin'ny oniversiteny. Nitondra ny lohateny hoe “Hoan'ny Oniversiten'i Fukui: Atsaharo ny fampijaliana ireo saka monina ao amin'ny tobim-pianarana ” ny fanangonan-tsonia ary efa nahazo sonia maherin'ny 2.300 hatreto.
Mpampianatra mpiara-miasa efa ela be tao amin'ny tobim-pianarana Bunkyo an'ny oniversitin'i Fuku ao amin'ny Prefektiora ambanivohitr'i Fukui, adiny fito mandeha lamasinina miala ao Tokyo i Januzzi.
The number of pets in Japan (is about) 21.3 million, far exceeding the number of children under 15 in the country. About 35% of households have a pet and many of them live lives of luxury as pampered members of the family, with Japanese spending about 3.8 trillion yen a year to keep them happy.
Eo ho eo amin'ny 21,3 tapitrisa eo ny isan'ireo biby an-trano ao Japana, mihoatra lavitra noho ny isan'ny ankizy latsaky ny 15 taona ao amin'ny firenena. Tokantrano eo amin'ny 35% eo no manana biby an-trano ary maro amin'izy ireo no miaina fiainana tonga lafatra tahaka ireo mpikambana ampihantaina ao amin'ny fianakaviana, mandany eo amin'ny 3,8 arivo miliara yen isan-taona eo ny Japoney amin'ny famalifaliana azy ireny (biby atao an-trano).
Ny lakile mahatonga ny fahamaroan'ny biby nariana ao Japana dia noho ny “famonoana amin'ny entona” na euthanasia ampiasaina hifehezana ny fitomboan'ny isan'ny biby, fa tsy tetikady mahomby kokoa amin'ny fandrisihana fanamombana.
“Mba tsy hakàna ny saka ho any amin'ny toby fialokalofan'ny biby izay mety hamonoana azy amin'ny entona,”, hoy i Januzzi. Mihevitra izy ireo fa tsara kokoa ny manary azy ireny any amin'ny tobim-pianarana.”
Nanaporofo ny Kansai Fialokalofan'ny Biby Tsy Mitady Tombotsoa Ara-bola ao Kobe (ARK) fa fomba mahomby hifehezana ny fitomboan'ny biby ny teknika TNR.
Niteraka ny fitomboan'isan'ireo biby ao amin'ny faritra tao anatin'ny taom-polo mahery ny isan'ireo biby mirenireny tsy manan-kialofana miampy ny tsy fisian'ny fitaovana sy ny tsy fahafantarana ny fahombiazan'ny TNR.
Nanangana toeram-pitsaboana TNR tamin'ny taona 2006 tao amin'ny faritra ny ARK. Mampiseho ny tahiry enintaona manaraka fa hidina ambany tokoa ny isan'ireo zana-tsakadia hosamborina sy hovonoina ao Kobe.

Sary avy amin'ny Fukushima Spay Clinic.
Raha iverenana ny ao Fukui, nilaza i Charles Januzzi fa efa nisy vokany ny ezaka ataony amin'ny fisamborana, famosirana sy ny famotsorana ireo saka. Miahiahy ihany koa izy fa tsy politika ofisialin'ny oniversite ny didy manakana ny famahanana ireo saka mirenireny.
Nanatontosa fanangonan-tsonia Avaaz i Januzzi noho izany, izay efa nahatratra ny tanjony amin'ny fahazoana sonia 2 500 .
Tsy nandalo fotsiny tao Japana ny ezaka nataony. Mpanao gazety tsy miankina Akiko Katori, manoratra matetika momba ny olana mikasika ny biby ao Japana nanoratra hoe:
福井大学がキャンパス内の猫たちの不妊・去勢手術も餌やりも止めさせ、飢えさせようとしているとは! キャンパス内での地域猫活動は時代の流れ。これに逆行するようなことを主張するとはナンセンスです。北陸新幹線が開通してこれから発展しようという福井県のイメージダウンにもつながると思います。
Nahoana ny Oniversite Fukui no afaka mandràra ny ezaka hamositra sy tsy hampiteraka ireo saka, ary mamela azy ireo mba ho fatin'ny hanoanana? Manamarika fiovana tanteraka amin'ny fomba fandraisana ny saka ao amin'ny tobim-pianarana izany, ary fomba mihemotra hiatrehana ny olana. Eo koa ny Prefektioran'i Fukui miezaka manintona ny Hokuriku Shinkansen!