Ankizy 115 Farafahakeliny No Namoy ny Ainy Vokatry Ny Ady Ao Yemen

Nilaza ny Tahirim-bolan'ny Firenena Mikambana ho An'ny Ankizy (UNICEF) ao Yemen fa ankizy 7,9 tapitrisa amin'ireo olona 15,9 tapitrisa - 60 isan-jaton’ny isan'ny mponina - no mila fanampiana maha-olona ao Yemen izay rotidrotiky ny ady. Misy fiantraikany goavana teo amin'ny ankizy ny fitomboan'ny herisetra ao Yemen. Nilaza ny UNICEF fa ankizy 115 farafahakeliny no namoy ny ainy ary 172 no nanjary kilemaina vokatry ny ady ao Yemen nanomboka tamin'ny 26 Martsa. Nilaza ny UNICEF fa vonjimaika ihany izany isa izany ary mety mbola hiakatra ny isan'ny ankizy maty sy kilemaina, mbola eo am-panamarinana ny isa marina izy ireo.

Ankizy 115 no namoy ny ainy ary 172 no kilemaina noho ny ady mahafaty naharitra iray volana tao Yemen

Nodarohan'ny firaisan'ny Tafika Arabo tamin'ny baomba an'habakabaka i Yemen nanomboka tamin'ny 26 Martsa. Tsy voafetra ao amin'ny faritra misy miramila na ny tena lasibatry ny hetsika, ireo Houthis izay nifehy ny renivohitra Sana'a ao Yemen tamin'ny Janoary ihany ny fanafihan'izy ireo.

Misy ihany koa ny fandravana goavana ireo tanàna mahafinaritra any atsimo misy ny seranan-tsambon'i Aden, izay nandefasan’ny Houthis ny valifatiny miaraka amin'ireo milisy matoky ny filohan'i Yemen teo aloha, Ali Abdulla Saleh, izay voatery nametra-pialàna rehefa nitondra nandritra ny telopolo taona noho ny hetsi-bahoaka tamin'ny 2011.

Toy ny mahazatra, ireo ankizy no tena iharan'ny ratram-po amam-panahy sy lasibatra amin'ny ady ao Yemen, izay sady miaramila mamono no lasibatra voavono ny sasany amin'izy ireo.

Julien Harneis, solontenan'ny Unicef ao Yemen nilaza hoe:

We are seeing children in battle, at checkpoints and unfortunately among [those] killed and injured,” during a stop in Geneva…There are children dying in bombings in the north … and by very intense battles in Aden and Daleh. All of the parties to the conflict are to blame

Nahita ireo ankizy an-tany fiadiana tany amin'ny toerana fisavana izahay ary indrisy fa anisan'ireo namoy ny ainy sy naratra izy ireo” nandritra ny fijanonana tao Geneva …Misy ireo ankizy matin'ny baomba tao avaratra sy tamin'ny ady goavana tao Aden sy Daleh. Diso avokoa ny andaniny sy ny ankilany tamin'ny ady

Niteny koa izy fa tombanan'ny mpiasan'ny Unicef sy ny mpiara-miasa aminy fa 30 isanjaton'ny mpiady ao amin'ny vondrona mitam-piadiana dia tsy ampy taona avokoa:

Mihevitra ny UNICEF fa ny 30%n'ireo mpiady ao Yemen dia ankizy, mamono sy vonoina.

Ankizy miady

Fanarahana ambonin'ny fampianarana? Ankizy mirona amin'ny fitaovam-piadiana fa tsy amin'ny boky ….mba hiady miaraka amin'ny Houthis

Manakarama tafika tanora ny milisy Houthis.

Miaro ny tranon'izy ireo

Nanontany ireo ankizy ny mpikatroka: Inona no ataonareo eto? Nilaza izy ireo hoe: toera-pisafvana hanakanana ny milisy houthi tsy hoavy eto.

Naratra sy namoy ny ainy amin'ny alalan'izany

Ankizy maherin'ny 400 no namoy ny ainy na naratra tamin'ny daroka an'habakabaka Saodiana araka ny filazan'ny Minisiteran'ny Fahalasamana ao Yemen.

Ankizy niharam-boina tamin'ny ady. Mitondra ny zanany namoy ny ainy any amin'ny fasany ny raim-pianakaviana.

Namono ilay ankizy antsoina hoe Anas ny daroka baomba goavana tao Aden, nilalao tao an'efi-tranony izy ahitanao hoe mampatahotra tahaka ny ahoana ilay izy!!

Maty voatifitry ny mpitifitra mpitily lavitra tao Aden i Sara 10 andro vitsy lasa izay raha nilalao niaraka tamin'ireo mpiray-tampo aminy tao an-trano, nianjera izy ary tsy niarina intsony

ANKIZY NAMOY NY AINY ARY 48 NARATRA TAORIAN NY FANAPOAHANA BAOMBA GOAVANA NATAON NY MIARAMILA TAO AMIN NY FARITRA BE MPONINA AO SANAA

Niampy ankizy iray hafa (4 taona) ireo niharam-boinan'ny AlHothis sy Saleh tao Aden, Atsimon'i Yemen. Maty voatifitry ny balan”ireo mpitily lavitra

Very fianakaviana sy trano

“Fahasimbana hatraiza hatraiza. Azafady atsaharo ity ady ity” Nesmah, 13 taona avy ao Aden.

Namoy ny ray aman-dreniny tamin'ny daroka baomba an'habakabaka Saodiana tao ivelan'i Sanaa, Yemen ity ankizy ity. Ry KSA, tsy tobin'ny miaramila Houthi ny tranony.

Niharan'ny ratram-po amam-panahy noho ny ady

Hisy fiantraikany goavana eo amin'ny ankizy ity ady ity, tsy lazaina intsony ny foto-drafitrasa rava

Ankizy mialokaloka amin'ny rindrina, manampina sofina noho ny fipoahana mafy, mijery lanitra hijery ny helo avy any ambony

Hisham Al-Omeisy (mitantara amin'ny onjam-peo BBC World Service mikasika  ny ratram-po amam-panahy mahazo ny zanany):

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.