- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Nahazo Fialokalofana tao Espaina ihany ilay Lesbiana Nandositra Fanenjehana tao Kamerona

Sokajy: Eoropa Andrefana, Espaina, Fifindràmonina, Lalàna, Mediam-bahoaka, Mpitsoa-ponenana, Politika, Vaovao Mafana, Vehivavy sy Miralenta, Zon'ny Nanova na Mpitia Mitovy Fananahana (LGBT), Zon'olombelona
Christelle Nangnou en una imagen tomada en Camerún. Imagen de eldiario.com con licencia CC BY-SA 3.0 [1]

Saripikan'i Christelle Nangnou nopihana tany Kamerona. Nalaina avy tamin'ny eldiario.es [1] araka ny lisansa CC BY-SA 3.0

Tonga tao Madrid tamin'ny 25 marsa teo hitady fialokalofana politika i Christelle Nangnou, tanora lesbiana avy ao Kamerona, noho ny fanenjehana ny pelaka ao an-tanindrazany [2]. Karohin'ny governemanta kameroney izy amin'izao fotoana izao, ary raha voasambotra dia mety handany 10 taona any an-tranomaizina noho ny fironany ara-pitiavana vavy tia vavy.

Araka ny fanambarana ao amin'ny eldiario.es [3], tonga tao amin'ny seranam-piaramanidin'i Barajas tamin'ny alalan'ny antota-taratasy hosoka sy tapa-gazety ahitana lahatsoratra milaza fa mikaroka azy ankehitriny ny polisy kameroney satria ampangain'izy ireo ho “mpitarika ny vondrona lesbiana” iray izy. Nanambara ihany koa ilay lahatsoratra fa ny homosexualité dia heverina ho “fombafomba satanika.” Tsy nanaiky ny fangatahiny hialokaloka ny manampahefana espaniola; nilaza ry zareo fa mampisalasala ny fahamarinan'ny tantara lazainy ka nibaiko ny androahana azy.

Recorte de periódico aportado por Christelle Nangnou para demostrar la persecución de que es víctima. Foto de eldiario.es con licencia CC BY-SA 3.0 [4]

Christelle Nangnou nampiseho ity lahatsoratra avy amin'ny tapa-gazety ity tamin'ny manampahefana hampisehoany fa lasibatra izy noho ny fironany ara-pananahana.  Sary avy amin'ny eldiario.es [4] avy amin'ny fahazoan-dalana CC BY-SA 3.0

Nahazo fanatrehan'ny mpisolovava Eduardo Gómez avy ao amin'ny sampan-draharaha misahana ny lalàna Red Jurídica [5], hany tokana mahazo alalana hitsidika azy mandritra ny fihazonana azy, i Christelle. Nampakatra ny raharaha tany amin'ny Fitsarana Ambony Nasionaly i Gómez, saingy notsipahina izany. Na izany aza, nitodika tany amin'ny Fitsarana Eoropeana Misahana ny Zon'olombelona [6], izay nampiato ny fandroahana azy mandra-pazavan'ny raharaha sy nametraka ny fehim-potoana farany hatramin'ny 17 avrily hametrahana ny porofo manamarina ny tantaran'i Christelle, izy. Tontosa io fampiatoana io noho ny fihivingivin'i Christelle tsy nanaiky horoahina mihitsy: 

Han intentado expulsarme y meterme en un avión tres veces, pero me he resistido. Tengo un golpe en el ojo derecho, una uña arrancada, me duele todo el cuerpo y estoy mareada por todo el trajín. Les he dicho que no puedo volver a mi país porque allí no puedo tener vida.

Mandritra izany fotoana izany, maro ireo sehatra fampahalalam-baovao namoaka ny raharaha. La Federación Estatal de Lesbianas, Gais, Transexuales y Bisexuales [7] (National Federation of Lesbians, Gays, Transexuals and Bisexuales [8]), ireo no nanomboka fanangonan-tsonia [9] tao amin'ny Change.org nangataka tamin'ny minisitry ny atitany hihevitra ny hanome fialokalofana ilay tanora kameroney. Namoaka tweet [10] ny Red Jurídica mitatitra fa nahangona sonia 21000 tao anatin'ny enina ora ilay fanentanana ary mety hahazo sonia mihoatra ny 67.700.

Maro ny mpikambana parlemantera avy amin'ny antoko samihafa no nanery ireo andrim-panjakana [11] hanitsy ny fanapaha-kevitr'izy ireo mitady handroaka an'i Nangnou: 

Representantes de los grupos parlamentarios del PSOE, Amaiur, Izquierda Plural, PNV, CiU, UPyD y ERC han mantenido este miércoles una reunión en la Subdirección General de la Policía con responsables de la Oficina de Asilo y Refugio y expertos de la Comisión Española de Ayuda al Refugiado (CEAR) para buscar una solución, y han determinado que se acoja a la posibilidad de una autorización de entrada y estancia en España por motivos humanitarios, trámite que han encomendado a CEAR.

Nisy vokany ihany ny ezaka natao. Tamin'ny 15 Avrily—24 andro nitazonana azy tao amin'ny seranam-piaramanidina—nanome fahazoan-dalana manokana an'i Christelle Nangnou honina eo amin'ny “tanim-panampiana mahaolona” ny governemanta espaniola.

Na dia iray amin'ny firenena manerantany malalaka [12] indrindra manerantany amin'ny fanajana ny zon'ny LGBT aza i Espaina, dia tsy mirona loatra amin'ny fanomezana fialokalofana kosa ny andrim-panjakana ao aminy. Araka ny tranonkala Cáscara amarga [13] (Hoditra Mangidy):

Patricia Bárcena, de la Comisión Española de Ayuda al Refugiado (CEAR), ha denunciado la mala praxis en cuanto a la gestión de las peticiones de asilo político en España. Bárcena lamenta que, a pesar de que la ley no exige una prueba plena de la situación de peligro, en la práctica sí que se está exigiendo. “Para aceptar la solicitud no hace falta que haya una amenaza concreta justo contra la persona demandante de asilo, sino una situación de guerra o persecución contra un grupo de gente que implica riesgo para esa persona”, ha explicado.

Colegas, vondrom-pikambanana gay espaniola maromaro, namoaka fanambarana an-gazety [14] mangataka amin'ny governemanta espaniola “hanana fileferana bebe kokoa amin'ny fanomezana fialokalofana ireo LGBT mandositra fanenjehana.” Nilaza ny filohany Paco Ramírez: 

Las pruebas exigidas a los solicitantes de asilo deben tener en cuenta que muchas veces tienen que huir sin tiempo para recabar documentación probatoria de la persecución y amenaza de la que son objeto. Resulta desde todo punto de vista incongruente que tengamos una Ley de Asilo que reconoce la persecución por orientación sexual e identidad de género, y luego se lo pongamos tan difícil a muchas personas que han atravesado todo un infierno, muchas veces arriesgando su propia vida, para llegar a un país como España que creen un oasis de libertades y derechos y luego se encuentran con esta cruda realidad de una burocracia decimonónica.

Ny fanomezan-dalana avy amin'ny governemanta espaniola dia manankery mandra-panapakevitry ny Fitsarana Ambony Nasionaly handrava na tsia ny fandroahana an'i Christelle Nangnou ary hanome fialokalofana farany azy. Nilaza ny Cáscara amarga [11] fa mety haharitra herintaona izany fombafombam-pitsarana izany. Mandritra izany fotoana izany, dia mbola eo ambany fiarovan'ny Vokovoko Mena ihany izy satria na dia afa-monina ara-dalàna ao Espaina aza izy dia tsy mahazo alalana hiasa.