- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Diso Ve Ireo Turkmen Mpanohitra Namoaka Fihetsika Voarara Tao Amin'ny YouTube?

Sokajy: Tiorkmenistana, Mediam-bahoaka, Vehivavy sy Miralenta
First grade Turkmen schoolgirls. All schoolgirls in Turkmenistan, like female news presenters and cabinet ministers, are obliged to wear national dress. Photo taken from Radio Free Europe's Turkmen service. Used under creative commons.

Ankizivavy Turkmen mpianatra kilasy voalohany. Tsy maintsy manao ny fitafiam-pirenena, tahaka ny vehivavy mpanolotra vaovao sy ny vehivavy minisitra, ny ankizivavy mpianatra rehetra ao Turkmenistan. Sary nalaina tao amin'ny Radio Free Europe. Zon'ny mpamorona: creative commons.


We are one, tonight, and we are breathing the same air,” (
Iray ihany isika, rahalina, ary miara-mifoka rivotra mitovy,) hoy ny hiran'ny ankizivavy Turkmen iray tamin'ny lahatsary natao tamin'ny finday izay efa hitan'ny olona teo amin'ny 50 000 teo tao amin'ny YouTube. Ny dihy mahazatra nataony niaraka tamin'ny namany tamin'ny hiran'ny tarika malaza Far East Movement’ ‘Turn Up the Love’, dia nitondra ny lazany manerana ny planeta ka anisan'izany i Turkmenistan, izay voalaza fa nanadihady ny zava-nitranga sy naka ireo finday tany amin'ireo ankizy mpianatra ny manampahefana.

Tsy manantsiny ilay horonantsary, na dia somary ahitana fanoherana sy hanihany kely aza. Ny olana dia tsy mitsoka rivotra mitovy tahaka ireo namany manerantany ny ankizy ao Turkmenistan. Sangany madinika amin'ny fanjakana kely mpanao famoretana [1]ahitana firenena manodidina tahaka an'i Uzbekistan, Korea Avaratra, Zimbabwe, Arabia Saodita sy ny hafa io firenena io. Tamin'ny 2004, izy no toerana onenana ratsy indrindra manerantany [2]araka ny fanadihadian'ny Economist.

Noho izany antony izany, nanjary olana ny fanapahan-kevitry ny bilaogim-baovao Turkmen Chronicles izay mamoaka – na mamoaka indray ny lahatsary amin'ny alalan'ny fantsona YouTuben'izy ireo TurkmenDissidentTV [3], satria mampifandray ilay habaka voaràra ao Turkmenistan amin'ireo zazavavy ary malaza amin'ny famokarana votoaty mitsikera hatrany ny manam-pahefana.

Nilaza ny mpanoratra ny lahatsoratra [4] tao amin'ny bilaogim-baovao fa tsy faly tamin'ilay lahatsary ny manampahefana Turkmen ary nanatontosa fanarahamaso goavana manerana ny sekoly ao amin'ny faritany Lebap izay nanaovana ny sarimihetsika. Voalaza fa nijery ireo finday misy ny lahatsary sy sary ireo solontenan'ny biraon'ny mpampanoa lalàna ary nandraoka ireo finday ireo.

Tsy nahita ny sarimihetsika teo aloha ny Global Voices na dia nilaza aza ny mpanoratra fa “niseho tao amin'ny tambajotra” ilay lahatsary alohan'ny nivoahany tao amin'ny fantsona Youtuben'ny mpanohitra. Fanampin'izany, hita maso tsara ny endrik'ireo tovovavy mpianatra ary mora fantarina. Eto [5]ny horonantsary.

Araka ny mahazatra, somary ara-politika ny adihevitra momba ny lahatsary tao amin'ny YouTube sy tao amin'ny habaky ny Turkmen Chronicles, ka mety tsy nanampy ny hetsik'ireo tovovavy ao amin'ny firenena izay araha-maso fatratra ny adihevitra amin'ny aterineto:

Nanoratra [6] avy any amin'ny fanjakana tsy refesi-mandidy iray hafa mamakivaky ny Ranomasina Caspian i Nijat Guluzade:

Respect from Azerbaijan. Shame to all dictatorships.

Fanajana avy amin'i Azerrbaijan. Henatra hoan'ireo mpanao didy jadona rehetra

Nahita ny vokatry ny tsy fankatoavan'ny daholobe i Kan Torren;

Пророческими оказались слова из «Гимна демократической молодежи мира»: Песнь “СВОБОДЫ” запевает молодежь, молодежь, молодежь, Эту песню не задушишь, не убьешь, не убьешь, не убьешь…)))

Ny voalazan'ny Hiran'ny Demokrasia tanoran'izao Tontolo izao” nanjary ara-paminaniana: Fahalalahana! Mihirà ry tanora, tanora, tanora, tsy tokony raràna na vonoina, vonoina, vonoina…. izany hira izany )))

Manontany ny tanjon'ny fantson'ny mpanohitra amin'ny famoahana ilay lahatsary i MegaWolkov:

TurkmenDissidentTV name ucin edyan buzatlary? nameden nedowolny sen? Sen politika garshy hereket edyan, bu bolsa halky masgara etya ayyr gayrat etde

Nahoana ianao no manao izany zavatra izany? Inona no tsy mahafaly anao amin'izany? Miasa amin'ny sehatra ara-politika ianao, ary manala-baraka ny firenena ity lahatsary ity. Esory io azafady.

Nitsikera ny fantsona ihany koa i Server Illiyev:

вам тока подавай дерьмо размажете не только на себя но и на других

Te-handray karazana diky mba hanaparitaka izany manodidina ny tenanao sy ny hafa fotsiny ianao.

Namaly ny mpandrindra ny fantsona hoe:

Мен наоборот очень довольный. Молодцы девушки, отрываются. Ничего предосудительного здесь нет.Счастливые дети для вас масгара?

Mifanohitra amin'izany, tena faly aho. Nanao asa tsara ireo tovovavy ary nahazo fahafinaretana. Tsy misy maharatsy izany. Henatra ho anao ny fahasambaran'ny ankizy?

Saingy nandresy lahatra i Guncha Halmyradova hoe:

девченки веселятся, ничего плохого в этом нет, не правильно поступил тот кто выложил видео в социальную сеть.

Nifalifaly ireo tovovavy. Tsy misy maharatsy izany. Ny olona izay nametraka izany tao amin'ny tambajotra sosialy no nanao ny tsy nety.

Ao Turkmenistan, izay tsy maintsy mihatra ny fanjakazakan'ny zokiolona manomboka eo amin'ny filoha no midina, nilaza ny sasany fa tsy mifanaraka amin'ny fitondran-tena mendrika ny mandihy am-pihantsiana amin'ny mozika tandrefana:

Aziz Nazarov:

что вы творите? как же вам не стыдно, разве мусульманка должна быть такой?

Inona no ataonao? Mahamenatra ianao. Tokony hitondra tena tahaka izany ve ny vehivavy Miozolomana?

Saingy voatsikeran'ny vondrona mpanohana ny fahazazana avy hatrany izany fanehoan-kevitra ara-pitondrantena izany.

Bill Uoker nanoratra hoe:

net musulmanka doljna yexat v siriyu i ucastvot v seks cixade…a eti devki vmesto etoqo poyut inastrannuyu pesnyu…

Tsia. Tokony hankany Syria mba handray anjara tamin'ny jihad ara-nofo ny vehivavy miozolomana…raha toa ka sahy mihira hira vahiny kosa ireo tovovavy ireo ho solon'izany…

Tsy nisy tohiny intsony ny vaovao momba ireo tovovavy ireo hatramin'ny namoahana ny lahatsary.