- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Iaino Indray Ny Matson'ireo Persiana Tao An-tanànan'i New York City

Sokajy: Etazonia, Ozbekistan, Tajikistan, Mediam-bahoaka, Zavakanto & Kolontsaina

2015-04-19 12.27.52

Rakotry ny fitafiana marolokon'ireo vahoaka Persiana ny Tanànan'i New York tamin'ny herinandro lasa.

In-12 izao ny Big Apple (Paoma Ngezabe) no nampiatrano ny Matso Persiana, ka nisarika ireo mpijery amin'ny alalan'ny fampisehoana ny kolontsaina sy lova Persiana ireo firenena isan-karazany manana fifandraisana amin'ny sivilizasiona Persiana. Nanao fitafiana mampiavaka ny firenena sy nandehandeha ary nandihy tamin'ny mozikam-pirenena tao an-dalamben'i New York ireo mpandray anjara tamin'ny matso.

Voasolo tena avokoa i Azia Afovoany, izay ifangaroan'ny herimpanintonana Tiorka sy Persiana (ny Tadjik irery no taranaka ara-pirazanana tokan'ny vahoaka Persiana ao amin'ny faritra saingy mankalaza ny fetin'ny Nowruz [1]avokoa ireo firenena dimy). Niravaka chakans [2] mahafatifaty amin'ny fomba mampitogaga ireo vehivavy Tadjik ary nanao joma [3] fitafim-pirenena kosa ireo lehilahy Tajik izay nambabo ny fon'ireo mpijery. Nampiseho loko marevaky ny atlas sy ny adras (ikat [4] ankehitriny ao Azia Afovoany) kosa ny Ouzbek sy ny Tadjik avy amin'ny tanàna mimandan'i Samarqand.

Misaotra an'i Somon Qurbonali, izay nandray anjara tamin'ny hetsika ary nandefa ireto sary mamirapiratra ireto tamin'ny Global Voices, afaka miaina ny loko sy ny hafanan'ny Matson'ny Persiana hatrany lavitra ny mpamaky.

2015-04-19 10.23.49 2015-04-19 11.22.31 2015-04-19 11.53.54 2015-04-19 12.10.40 2015-04-19 12.11.54 2015-04-19 12.13.03 2015-04-19 12.14.17 2015-04-19 12.32.07 2015-04-19 12.35.45 2015-04-19 12.37.44

Nalain'i Somon Qurbonali avokoa ny sary rehetra. All photos taken by Somon Qurbonali