Manome Voninahitra ny Vakokany Armeniana ho Fahatsiarovana ny Fandripahana Armeniana i Libanona

Source: Derian Armenological Library of Haigazian University

loharano: Trnomboky Armenologikalina Deriana ao amin'ny Oniversite Haigazian

Raha hifantoka any Yerevan, renivohitr'i Armenia, amin'ny fahatsiarovana ny fahazato taonan'ny Fandripahana Armeniana amin'ny 24 Aprily ho avy izao ny mason'izao tontolo izao, dia misy firenena iray hafa ihany koa, dia i Libanona,hanome voninahitra ny lovany Armeniana.

Libanona dia anisan'ireo firenena nandray tsara ireo mpialokaloka Armeniana nandositra ny fandripahana tamin'ny 1915, ary tao anatin'ny zato taona farany ny Libaney Armeniana no eny amin'ny lohalaharana tamin'ny kolontsaina Libaney,ary nandray anjara betsaka tamin'ny Zavakanto sy ny Siansa. Ankehitriny ny betsaka Lebaney Armeniana dia manodidinaa an'i Beirota, indrindra fa ao Bourj Hammoud, izay naorin'ny sisa niangana, ary misy vondron'olona vitsivitsy kokoa any an-kafa. Libanona no hany ahitana oniversite Armeniana ivelan'i Armenia, Haigazian University, izay foiben-toeran'ny Programa an'Habakabaka nandritra ny taompolon'ny 1960. Telo ny gazety Armeniana lehibe mivoaka isan'andro ao Beirota izay miteny amin'ny anaran'ireo antoko politika Armeniana telo manana solontena ao amin'ny Parlemanta Libaney.

Lebanese Stamp featuring the Armenian Genocide Monument in Bikfaya, Lebanon. Source: Armenians in Lebanon

Hajia Libaney manasongadina ny Tsangambato Fahatsiarovana ny Fandripahana Armeniana ao Bikfaya, Lebanon. Loharano: Armenians in Lebanon

Anjara biriky fandraisana anjaran'i Audio Kultur ny fanaovana fandaharana manokana mifantoka amin'ny Libaney Armeniana. Namoaka lahatsary fohyry zareo izay mitondra ny lohateny hoe’ Still Here, Still Bleeding‘, [mbola eto,mbola mndeha rà] mandrakitra ny “fanaovana printy ny gazety-boky amin'ny tena ra nangonina avy amin'ny Libaney-Armeniana 5 izay nanapa-kevitra ny hanome ny rany ho hetsika saimbolikan'ny fahatsiaovana ny ra izay niraraka tamin'ny vahoaka Armeniana.” Ao anatin'ireo olona nanome ra ireo dia ahitana mpamolavola roa [designer], mpakasary iray, mpitarika ny ôrkesitra filarmonika libaney iray ary mpihira/mpamoron-kira iray.

Ankoatra izay ry zareo dia nanasongadina ny fandraisam-peon'ilay artista Libaney-Armeniana Eileen Khatchadourian, izay nanandratra ny fijoroana Armenian manoloana ny Ampira Ottoman tao Anjar, navoakan'i City Guide ho an'i Bourj Hammoud, nandahatra hira Armeniana voatsonga sy nifantina lisitry ny sarimihetsika armeniana hojerena. Misy ihany koa ny Fanangonan-dra nokarakarain'ny ONG mpanome rà Donner Sang Compter amin'ny Alahady 26 Aprily, ary ny fihaonana hitondra bisiliketa ‘Mivoy Hahatsiaro‘.

Ao Bourj Hammoud, ny Libaney-Armeniana sy ireo Libaney hafa dia nahatsiaro ny fandripahana tamin'ny alalan'ny fampiasana diezy #AgainstAllGenocides [manohitra ny fandripahana rehetra] tamin'ny alalan'ny fandefasana arendrina an'habakabaka tamin'ny alin'ny 19 Aprily.

Ary dia nitranga izao tao Libanona [manohitra ny fandripahana rehetra]

Arendrina 500 no nalefa tamin'ny lanitr'i Beirota, ao amin'ny hetsika [manohitra ny fandripahana rehetra]

Ny sary misongadina dia nalaina avy amin'ny kaonty Twitter Aline Demirjian.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.