Miomana Amin'ny Fahazato Taonan'ny Fandripahana Armeniana i Yerevan

Armenian students walking towards Genocide Museum, surrounded by the Centennial emblem. Photo taken by myself.

Armeniana mpianatra manavatsava mankany amin'ny Mozean'ny Fandripahana, hodidinin'ireo mariky ny fahazato taona. Sary nopihan'i Joey Ayoub.

Daty lehibe ho an'ny Armeniana manerantany ny zoma 24 avrily izao. Io daty hanamarika ny 100 taona namorian'ny fitondrana Ottoman ireo Armeniana manampahaizana sy filoham-piarahamonina 250 tao Constantinople, nanokatra ny lalana mankany amin'ny Fandripahana ny Armenian izay tombanana ho 1 ka hatramin'ny 1,5 tapitrisa ny olom-pirenena Armeniana tao amin'ny Ampira Ottoman no naripaka hatrany hatrany tanelanelan'ny 1915 ka hatramin'ny 1918.

Hita na aiza na aiza manerana an'i Yerevan ny loko volomparasin'ny voninkazo Azamanadino. Hatramin'ny ankizy mpianatra mitondra azy amin'ny endrika bokotra eo amin'ny tratra ka hatramin'ny mpianatry ny oniversite mampiseho azy amin'ny endrika peta-taratasy amin'ny solosaina findain'izy ireo. Na aiza na aiza, arabe, trano, hopitaly, tranombarotra lehibe, trano fihinanana, tranombarotra sy fandriambahiny dia mandranty ny voninkazo avookoa miaraka amin'ny haftra hoe: “Tsaroako sy Takiako.”

Yerevantsi woman sitting at a public park with a living statue of a piano with Forget-Me-Not flowers on it. Photo taken by myself.

vehivavin'i Yerevan mipetraka eo amin'ny zaridainam-bahoaka eo akaikin'ny piano tsangambato velona ahitana voninkazo azamanadino eo amboniny. Sary nopihan'i Joey Ayoub.

Ny fahatsiarovana ny fandripahana sy ny fitakiana ny faneken'ny Repoblikan'i Torkia, mpandimby ara-dalàna ny Ampira Ottoman, dia efa ao anaty fiainana virtoalin'ny Armeniana tsirairay sy mari-panondroana azy tamin'ny taonjato lasa. Nifandimby ny taranaka sisa niangan'ny Fandripahana Armeniana sy ny taranany nanao fanentanana tamin'ny Fiarahamonina Iraisampirenena hankatoa ny fisian'ny zavamisy. Hatramin'izao dia firenena 21 ihany no nankato tanteraka ny fisian'ny Fandripahana Armeniana ka tafiditra amin'izany i Frantsa, Italia, Libanona ary i Rosia.

Hita maniry manerana an'i Yerevan ny voninkazo Azamanadino. Araka ny fanazavan'ny Diosezy Atsinanan'ny Fiangonana Armeniana ao Amerika, ny Azamanadino dia “maneho ny lohahevitry ny fanatsiarovana maharitra mandrakizay, ary midika ihany koa ny lasa (mainty afovoany mampatsiahy ny fandripahana sy ny fangirifiriana), ny ankehitriny (felambony volomparasy matsatso midika ho firaisan'ny fiarahamonina armeniana manerantany) ary ny ampitso (felambony dimy lehibe endriky ny kaontinanta dimy nahitan'ny sisa niangan'ny fandripahana fonenana vaovao.

Maro ny hetsika ato ho ato ka ao ny rindrankira sy lahavolana nokasaina hahatsiarovana ny Fandripahana. Handray anjara amin'ny  Tsenan-kevitra Manerantany Anoherana ny Heloka Bevavan'ny Fandripahana ny mpanoratra ity lahatsoratra ity amin'ny Global Voices [teny anglisy], izay hampivondrona mpandray anjara mihoatra ny 500 avy amin'ny lafy valon'ny tany ahitana olona fanta-daza ara-politika, ara-pivavahana na hafa, mpanao gazety ary tonian-gazety.

Mbola ho avy ny lahatsoratra hafa momba ity hetsika ity ato amin'ny Global Voices. Aza miala.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.