Siriana Bilaogera Voatsatoka Antsy Tao An-trano Tany Istanbul Taorian'ny Naharaisany Fandrahonana Tety Anaty Aterineto

Blogger Asaad Hanna receiving treatment at an Istanbul hospital after being stabbed in his home earlier today. Photo credit: Asaad Hanna's Facebook page

Ny bilaogera Asaad Hanna nomena fikarakarana tao amin'ny hôpitaly iray ao Istanbul taorian'ny tsatok'antsy nanjo azy tany an-tranony halina. Sary: pejy Facebook an'i Asaad Hanna

Nisy nanafika halina ary voatsatoka antsy in'efatra teo amin'ny kibony tao an-tranony ao Instambul, Tiorkia, i Assad Hanna, bilaogera sady mpanao gazety, izay mpanoratra ihany koa ho an'ny Global Voices.

Ao amin'ny Facebook, mitatitra i Hanna, izay naharay fandrahonana samihafa tety anaty aterineto :

تعرضت مساء امس لهجوم على بيتي من شخص مجهول ضربني بشي حاد ببطني اربع طعنات مما سبب دخولي للمشفى وخرجت قبل قليل للمنزل
لا اتهم احد بالموضوع لكن لا استطيع ان اقول انها صدفة، فالفاعل طرق الباب وضربني ولم يسرق شيئ من البيت، وكان قد سبق عدة جهات وان ارسلت لي تهديدات.
انا بصحة جيدة وقمت بتقديم ضبط للشرطة

Nisy olona tsy fantatra nanafika ahy tao an-tranoko halina, izay nanindrona ahy tamin'ny antsy, in'efatra teo amin'ny kiboko. Notsaboina tany amin'ny hôpitaly aho ary vao avy nivoaka avy any mihitsy. Tsy miampanga na iza na iza aho nefa tsy afaka hiteny hoe kisendrasendra ny hoe nandondona tao am-baravarako ireo mpanafika, namely ahy ary tsy nangalatra na inona na inona tao an-trano. Nialoha an'izao dia efa nandrahona ahy tety anaty aterineto ireo ankolafy samihafa.
Tsy mampanahy ny fahasalamako ary efa nametraka fitoriana any amin'ny polisy aho

Hanna, avy ao Homs, dia mpikatroka mafàna fo amin'ny fiarovana ny zon'olombelona ihany koa ary efa niasa an-tsitrapo ho mpanao gazety miasa tena hatramin'ny nandosirany ny fireneny rotiky ny ady.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.