- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mahita ny Kristianisma Ao Japana, Izay Vitsy An'isa Ny Mpino.

Sokajy: Japana, Fivavahana, Mediam-bahoaka
夕日に照らされる十字架。画像はFlickrユーザーのSharonより。 [1]

Masoandro mody manazava ny hazofijaliana. Sary avy amin'ilay mpisera Flickr, Sharon.

Eo amin'ny isan'ny mpanara-dia, sokajiana matetika ho fivavahana lehibe manerantany ny Kristianina. Na izany aza, vitsy dia vitsy ny Kristianina ao Japàna, izay latsaky ny 1% n'ny mponina no manome lanja ny finoana Kristianina [2].

Tsy fahita firy ao Japàna ny ara-panahy araka ny ahafantarana sy ahazoana azy any amin'ny firenena Tandrefana na eo amin'ny fomban-drazana Jodeo-kristianina. Hoan'ny Japoney antonontonony, ny Kristianina dia ampifandraisina betsaka amin'ny mariazy any amin'ny trano fiangonana sandoka miaraka amin'ny pasitera sandoka [3].

Tena mahafinaritra ity trano-fiangonana fanaovana mariazy ity (/_;)/

Amin'ny fampiasana solon'anarana, miditra aterineto ny Japoney sasany mba hanambara ampahibemaso ny finoana mahakristianina azy ireo. Lahatsoratra bilaogy iray ohatra namoaka fanehoan-kevitra am-polony momba ny Kristianina ao Japàna [6].
Ao amin'ny lahatsoratra bilaogy, bilaogera tsy mitonona anarana iray ao Japana namariparitra ny fifandraisany amin'ny Kristianisma:

「周囲の人はうまく出来てるのにどうして自分はできないのか」という劣等感があって、周囲の人に冷たくされる度に怒りと悔しさで泣きたくなって、なんで自分だけという気持ちだった。

よく言われるように、世界を変えるには自分が変わるしかない。

そこでひらめいてしまった。神様的なものが愛してくれると思えばもしかしていいんじゃないか?と。

こんな自分でも神様は愛してくれる、神様は認めてくれる。これが結構いい感じにはまって、気持ちは楽になるし心も落ち着いた。

正直なところ神様が居るとは思ってないし信じているとは言いがたい。

でもとりあえずそこに居るという事にして、神的なものに愛されていると思うようにしたら、それじゃあこんなに愛してくれる神的なもののために感謝しましょうと思うようになったんだけど、この感謝が非常に良い。

恥ずかしながら、今までどれだけ他人に感謝せずに生きてきたのかを思い知らされた

Mahatsiaro tena ho latsaka ambany aho: nahoana no toa mahomby ireo olona manodidina ahy, kanefa tsy mba mahavita na inona na inona aho? Ka rehefa mihatakataka amiko ny hafa manodidina ahymahatsiaro te-hitomany amin’alahelo sy hatezerana aho, ary manontany tena hoe nahoana no izaho irery no tsy maintsy mijaly tahaka izao.

Matetika lazaina fa raha te-hanova izao tontolo izao ianao, dia tsy maintsy manova ny tenanao. Ary tonga tamiko tahaka ny tselatra izany. Angamba ny hany azoko atao dia ny manaiky fa misy karazana andriamanitra tia ahy.

Raha ny marina anefa, tsy mino aho fa misy Andriamanitra, ka sarotra ho ahy ny milaza fa manam-pinoana aho.

Saingy niezaka nanaiky aho fa misy Andriamanitra ary nandinika ny tenako aho fa tian'izany karazana fisiana izany, izay nitarika ahy hisaotra azy noho ny fitiavany lehibe. Tsy mbola niaina zavatra tsara kokoa mampisy  fankasitrahana toy izany. Menatra aho milaza ny fahatsapako fa tsy mba nankasitraka ny hafa aho.

Sahiran-kevitra ny bilaogera iray eto, te hanana finoana kristianina izy, saingy tsy tena mino fa misy Andriamanitra.

Na dia izany aza, sady nahasanganehana no nahafaly ilay bilaogera ny fahazotoana ara-pivavahana.

ああでも待って、これって宗教にはまるコースまっしぐらじゃない?というかはまってない?

でも、一度感銘を受けたものを追い出すのは無理、もう手遅れだけど、今のところ教えは人間として生きるのに非常に真っ当な事しか言ってないので、もっと聞きたい、それに近づいて豊かな生活を送りたいという気持ちがあるんだけど、宗教だし、と思うと迷う。

親は嫌がるだろうなぁ。まああの人達は何をやっても反対するから、何をやろうとたいして変わらんか。

他人には言えないなぁ

Andraso, tsy endrika miavaka amin'ny fandraisana anjara amin'ny fivavahana ve izany? Sa efa tafiditra amin'izany aho?

Tsy afaka handroaka zavatra nahasarika ny foko aho. Tara loatra ihany koa ny hieritreritra azy ho efa tapitra. Mampianatra ahy ny foto-pinoana hiaina amin'ny mahaolombelona ary hitako fa tena mety amiko izany. Te-hihaino izany aho, ary hiaina fiainam-panahy be dia be arakaraka ny anatonana akaiky, saingy tsy mahafolaka ny saiko aho satria fombam-pivavahana izany.

Mino aho fa tsy tian'ny ray aman-dreniko aho mitoky amin'ny fombam-pivavahana. Eny, rehefa manohitra ahy izy ireo amin'izay ataoko, ny ataoko mampisy fiovana kely.

Tsy maintsy mitahiry ity fahatsapana ity ho tsiambaratelo aho.

Maro tamin'ireo mpaneho hevitra no namaly nanohitra [7]ny lahatsoratra. Mpaneho hevitra iray takass32 nandà ny fisian'andriamanitra. [8]

実際には存在しない「自分に寛容且つ立派な人」を脳内にシミュレートできる、つまり信じられる事が宗教の本質なのかと思いました。

Heveriko fa ny fahavitana maka sary an-tsaina na mino “anarana” tsy misy izay mendri-kaja sy mpandefitra aminao no fototry ny fanolora-tena ara-pivavahana.

Nanana hevitra tsara kokoa amin'ny fananana finoana i honeybee, mpaneho hevitra iray hafa tao amin'ny lahatsoratra bilaogy, saingy nanasongadina ny lafy ratsin'ny fivavahana ihany koa [9].

別に宗教にハマることは悪いことではない。周りの人間に悪影響をおよぼすこと(しつこい勧誘、なにかを売りつける、宗教的観念を押し付ける等)が悪なので。

Tsy misy maha ratsy ny miditra amin'ny fombam-pivavahana raha tsy hoe miteraka fiantraikany ratsy amin'ny olona manodidina anao ianao, tahaka ny fandresen-dahatra tsy an-kiato, miezaka mivarotra bokikely ara-pivavahana, na manery hanaraka foto-kevitra ara-pivavahana.

Mpaneho hevitra iray, ketudan, kosa nihevitra [10]fa mety hidiran-doza amin'ny fidirana amin'ny fombam-pivavahana ny bilaogera.

残念ながらキリスト教もカルト・新興宗教だらけなので一度その教会や会派の名前でググるくらいはしておいたほうがいい。俺も昔宿題で近所の「確かな教会」に礼拝に行ったが和室でギター掻き鳴らす邪教の館だった。

Indrisy, maro dia maro ireo fivavahana sy fiangonana vaovao izay mamaritra ny tenany ho Kristianina”, ka manoro hevitra anao aho hiditra Google hijery ny anaran'izany fiangonana na fivavahana izany.
Efa nanana enti-mody aho indray mandeha mba hanatrika lanonana ka nitsidika fiangonana mendrika” tao amin'ny manodidina aho, saingy fivavahana adaladala ahitana olona milaza fa minisitra nitendry gitara  tao anaty efi-trano miendrika Japoney no hitako.

Nahatsapa fangorahana [11] noho ny mahasarotra ny fananana finoana ara-pivavahana ao Japàna i gohankun.

日本で特定の宗教を持つというのはしんどいことだよね。クリスチャン家庭に生まれて自分もクリスチャンなので色々辛い思いもしてきたし今も時々するよ。欧米に生まれてたらどんなに楽かと何度も思ってきた。

Azo antoka fa mandreraka ny manana fivavahana manokana ao Japana. Nandalo fahasarotana aho satria avy amin'ny fianakaviana kristianina ary Kristianina koa ny tenako. Mbola mijaly aho indraindray. Misy fotoana aho maniry fa tokony teraka tany Andrefana. Ho mora kokoa ny fiainana amin'izay.

Nihevitra ny mpaneho-hevitra iray nows_s fa fomba iray hafa hamakivakiana ny fiainana ny fombam-pivavahana [12].

人生は、一人で立ち向かうには重過ぎるので、神仏に帰依したり、国家にすがったり、恋愛や2次元キャラやニコチンや酒に溺れたりする。それで何とか気楽に生きてけるなら、まあ、いいじゃん

Mafy loatra hoan'ny olona ny fanatrehana ny fiainana, ka manolo-tena amin'ireo andriamanitra isika, miantehitra amin'ny firenena iray, na lasa miankin-doha amin'ny fandraharahana, olona manana toetra roa, nikôtinina, na zava-pisotro misy alikaola. Raha ahafahantsika manamora kokoa ny fiainana izany, inona ny olana ?