- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mivoaka Miditra Aloha Ireo Mpanohitra Ao Ginea Mialoha Ny Fifidianana Filoham-pirenena.

Sokajy: Afrika Mainty, Ginea, Fifidianana, Fitantanam-pitondrana, Mediam-bahoaka, Politika
via Guinee360 with permission [1]

Nifamory tany Parisy ireo filohan'ny mpanohitra – avy tamin'i Guinee360, nahazoana alalana

Alohan'ireo  fifidianana filoham-pirenena any amin'ny faramparan'ity taona ity [2], nifamory tany Parisy ny 22 sy ny 23 Martsa teo ireo filohan'ny Gineana repoblikàna mpanohitra, izay nanambaràn'izy ireo fa handray fepetra izy ireo mba hanemporana ny ” jadona” izay “mipoitra” ao Ginea.

Efa nanangana saina vitsivitsy [3] sahady ireo mpanohitra mikasika ny fangaharaharan'ny lisi-pifidianana. Any Parisy, mamerina mamakafaka ny efatra taona nitondran'ny filoham-pirenena Alpha Condé ireo filoha telon'ny mpanohitra, Cellou Dalein Diallo, Sidya Touré ary Lansana Koyauté, arahan'i Bah Oury, Hadja Tété Nabé ary Baidy Aribot.

Ho fanampin'ireo fomba fitondràny sasantsasany izay lazain'ireo mpanohitra ho mamotika ny firenena, miampanga ny filoham-pirenena indrindra fa amin'ny “fanitsakitsahana miverimberina” ny lalàm-panorenana [4] io tomban-dry zareo io:

La gouvernance d’Alpha CONDE s’est illustrée depuis son installation comme Chef de l’État guinéen par un mépris total de l’Autorité de la loi et une violation systématique des dispositifs de la Constitution fondant les principes de l’État de droit.

Hatry ny nametrahana azy ho Filohan'ny Firenena Gineana, namiratra tamin'ny faniratsiràna tanteraka ny fahefan'ny lalàna sy ny fanitsakitsahana an-kitsirano ireo fitsipiky ny lalàm-panorenana izay ijoroan'ireo foto-kevitry ny Firenena tan-dalàna, ny fitondràn'i Alpha CONDE.

Miampanga an'i Condé ho filoha ho an'ny antokony samirery ihany ireo mpanohitra, ary ny “tsy fanekeny” hametraka [5] sy hanamafy ireo andrim-panjakàna manokana fehezin'ny lalàm-panorenena nasiônaly:

La déclaration de ses biens et patrimoines (cf article 36 ), la démission officielle de son poste de Président du RPG (article 38), la délivrance du message annuel de l’Etat de la nation (article 50), l’installation de la Haute Cour de Justice (articles 117 à 120) et les mises en place de la Cour Constitutionnelle et de la Cour des Comptes (article 160) ne sont pas effectives tout au long du mandat présidentiel.

Tsy nisy nampiharina ireto nandritra ny fe-potoana naha-filoha azy : ny filazam-pananany (cf andininy faha 36), ny fametraham-pialàna ôfisialy tsy ho filohan'ny RPG [Rassemblement du Peuple Guinéen, ny antoko pôlitika eo amin'ny Fitondrana any Ginea] (andininy faha 38), ny famoahana ireo hafatra isan-taonamomba ny Toetoetry ny Fanjakana (andininy faha 50), ny fametrahana ny Fitsaràna Tampony (andininy faha 117 ka hatramin'ny 120), ary ny fametrahana ny Fitsàran'ny Lalàm-panorenana sy ny Fitsaràna ny Kaonty (andininy faha 160).

Ho fanampin'izany, niampanga an'i Condé koa izy ireo ho nanitsakitsaka ny zon'olombelona ary “nitsabaka tamin'ny fomba fiasan'ny” Ivontoerana Nasiônaly Tsy Miankina Miahy ny Zon'olombelona (INIDH), izay manana ny tahirin'ireo vono olona maro [6] niseho, indrindra tamin'ny fihetsiketsehana politika [7] nandritra ny naha teo amin'ny fitondrana azy (na dia tsy nanome ny andinindinin'ireo fanitsakitsahana ireo aza ireo mpanohitra).

A street scene in Conakry;  by Soman CC-BY-30 [8]

Seho eny an-dalambe any Conakry; avy tamin'i Soman CC-BY-30

Eo imason'ny mpanohitra Gineana, tsy ireo lalànan'ny firenena ihany no nohitsakitsahan'ny governemantan'i Condé, indrindra raha resaka fanaraha-maso ataon'ireo manampahefana foibe amin'ny fanapariaham-pahefàna. Tsipihan'ireo mpanohitra an'i Condé fa tsy ara-dalàna ny fametrahana mpisolo-tena manokana aorian'ny naha teo an-toerana azy ireo [9] mihoatra ny enim-bolana:

Ces attitudes politiciennes méconnaissent également l’article 2 point 2 du protocole de la CEDEAO sur la Démocratie et la Bonne gouvernance, signée et ratifiée par la Guinée, qui stipule ‘’les élections à tous les niveaux doivent avoir lieu aux dates et périodes fixées par la constitution et les lois électorales’’.

Ireo fomba fanao politisianina ireo dia tsy manaja ihany koa ny andininy faha 2 teboka faha 2 an'ny CEDEAO [Vondrona Ara-toekarenan'ireo Firenena Afrikàna Tandrefana] momba ny fizotry ny demôkrasia sy ny fitondrana tsara tantana, nosoniavina ary nohamafisin'i Ginea, izay milaza fa “ireo fifidianana rehetra dia tokony hatao amin'ireo daty sy fotoana tondroin'ny lalàm-panorenana sy lalànan'ny fifidianana”.

Araka ny mpanohitra, nahakivy ireo mpampiasa vola avy any ivelany sy ireo Gineana ny hanohy ny asany ao amin'ny firenena ihany koa ny fanitsakitsahan'ny governemanta ny andininy faha 13 -n'ny lalàna amin'ny fananan'ny olon-tsotra sy ny tanim-panjakana.

Hametrahana mazava ireo fanakianany ny filoham-pirenena, ny 6 Martsa 2015, namoaka fanambaràna ireo filohan'ny mpanohitra, izay nampiseho ireo fepetra sasany ho raisin'izy ireo. “Eo am-pahitàna ireo fanararaotana rehetra ireo: tsy manana fahefana ara-dalàna ny hitondra ny ho avin'i Ginea intsony Ing. Alpha CONDE,” hoy ny fivakin'ilay fanambaràna. “Ny fanohizany ny fitondrany dia mety ho loza mitatao tanteraka ho an'ny filaminana sy ny firaisankina ao Ginea ary ny filaminan-toeran'ireo faritra kely. Nanapa-kevitra ireo filohan'ny mpanohitra [10], manoloana ireo zavatra nitranga rehetra tany aloha”:

De renforcer l’unité et la cohésion de l’opposition qui va s’atteler dès maintenant à l’élaboration d’un programme commun de gouvernement ;

De rentrer immédiatement en Guinée pour mener avec les autres partis politiques et toutes les forces vives du pays la lutte pour le respect de la Constitution, des lois de la République et des accords.

Ny hanamafy ny firaisankina sy ny fifanohanana eo amin'ny mpanohitra, izay hamolavola tsy misy hatak'andro fandaharan'asam-pitantanana iray iarahana;

Ny hiverina tsy misy hatak'andro any Ginea, ary miaraka amin'ireo antoko politika hafa sy ireo hery velona ao amin'ny rehetra ao amin'ny firenana, hitarika ny tolona ho amin'ny fanajana ny lalàm-panorenana, ireo fifanarahana ary ireo lalànan'ny Repoblika, .

Ho hita eo raha hisy hanaraka ara-bakiteny izany ny mpanohitra. Olom-pirenena maro no niampanga io ho “malefaka” loatra eo anatrehan'ny fahefana iray, tsy mijery afa-tsy ny fitandroana ireo tombotsoany ihany.