- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Vehivavy Filipina Mitantara ny Nahatonga Azy Hiatrika Fanamelohana ho Faty noho ny Fanondranana Rongony

Sokajy: Azia Atsinanana, Filipina, Indonezia, Fanoherana, Fifandraisana iraisam-pirenena, Fifindràmonina, Lalàna, Mediam-bahoaka, Vehivavy sy Miralenta, Zon'olombelona
Mary Jane (right) is reunited with her mother (left) during a prison visit in 2013. Photo from Migrante [1]

Mary Jane (ankavanana tafahoana tamin'ny reniny (ankavia) nandritra ny fitsidihana fonja 2013. Sary avy amin'i Migrante

Nilaza ny tantarany mikasika ny niafarany tany am-ponja ny mpiasa Filipina iray miatrika [2] fanamelohana ho faty noho ny fampidirana zava-mahadomelina an-tsokosoko tao Indonezia.

Nosamborina [1] tamin'ny taona 2010 tao Indonezia i Mary Jane Veloso rehefa nahitan'ny manampahefana tao amin'ny seranam-piaramanidina herôinina (rongony) milanja 2,6 kilao tao anaty entany, nosazian'ny Fitsarana Tampony Indoneziana ho faty izy. Nolazainy fa nanaiky hitondra ilay valizy izy na dia tsy fantany aza izay tao anatiny.

Tsy dia nahasarika ny fampitam-baovao Filipina ny tantarany tao anatin'ny dimy taona, saingy niova izany rehefa nampakatra fitsarana ambony [3] ny handinihana indray ny raharaha momba azy ireo vondrona mpifindra monina ary nandrisika an'i Indonezia mba handinika indray ny fanapahan-keviny hanatanteraka ny fanamelohana ho faty ho an'ny raharaha rehetra mikasika ny rongony ireo vondrona iraisam-pirenena.

Nozarain'ny rahavaviny ny atitra an-tsoratr’ [4]i Mary Jane an-tanana.  Amin'ny teny Anglisy ratsiratsy no nanazavany ny antony nandaozany ny firenena tamin'ny taona 2010 :

I’m work to Dubai United Arab Emirates. I’m there as a servant and my contract is two years. But I’m there for 10 months because have someone want to rape me, I decided to come back to Philippines on December 31, 2009, I’m comeback to my country but my money was not enough because my son already go to school… I need to work again…

Niasa tao Dubai ao Emirà Arabo Mitambatra aho. Mpiasa an-trano ny asako tao nandritra ny roa taona. Saingy nandritra ny 10 volana ihany aho no tao satria nisy olona nikasa hanolana ahy, nanapa-kevitra hiverina ao Filipina aho tamin'ny 31 Desambra 2009, tafaverina tao amin'ny fireneko aho saingy tsy ampy ny volako satria efa mianatra ny zanako… mila asa indray aho

Nampanantena asa azy ao Malezia ny mpiara-belona aminy, Christine. Saingy rehefa tonga tao Malezia i Christine sy Mary Jane, nolazain'i Mary Jane izy fa tsy maintsy mihaona amin'ny olona iray ao Indonezia aloha izy alohan'ny ahafahany manomboka ny asa :

She said to me Im go to Indonesia in 7 days for Holiday In and meet a friends and if im comeback to Malaysia Kuala Lumpur Im start to my work.

So I don’t have any choice that I must go there and that time only in my mine… If im finish go to Indonesia im start to my work, because work is important to me, because of my child…

Nilaza tamiko izy fa mila mankany Indonezia mandritra ny 7 andro aho mba hiala sasatra sy hihaona amin'ireo namana ary rehefa miverina ao Malezia Kuala Lumpur  dia manomboka ny asa.Tsy nanan-tsafidy aho ka tsy maintsy nandeha tany ary izaho irery no nankany….Rehefa avy mankany Indonezia aho dia hanomboka ny asa satria zava-dehibe amiko ny asa noho ny zanako.

Nosakanan'ny manampahefana tao Indonezia izy rehefa nahitàna rongony tao anaty entany. Toy izao ny fihetseham-pony tamin'izany:

My body feel so cold… I can’t speak any thing… only I do that time… cry and cry!!! Because I know my life finish. Because drugs is no. 1 illegal… I hate myself why I believe with Christine… Why I don’t have negative thinking about her… and now I’m here… But I don’t know anything.

Nahatsiaro nangatsiaka ny vatako…tsy nahaloa-bava aho….ny hany nataoko tamin'izany dia nitomany ary nitomany!! Satria fantatro fa vita hatreo ny fiainako. Satria laharana voalohany tsy ara-dalàna ny rongony….nanome tsiny ny tenako aho hoe nahoana no natoky an'i Christine…Nahoana no tsy nieritreritra zava-dratsy momba azy aho…ary eto aho ankehitriny.. . Tsy mahafantatra na inona na inona

Nohadihadiana tao anatin'ity lahatsary [5] ity ny fianakavian'i Mary Jane, nanamafy izy ireo fa nandao ny firenena izy mba hiasa fa tsy hampiditra rongony an-tsokosoko:

Rehefa nahafantatra ny tantarany sy nanadihady ny raharaha momba azy ireo vondrona mpifindra monina dia nieritreritra fa niharan'ny fanondranana olona i Mary Jane. Araka izany, miantso ny governemanta Indoneziana izy ireo mba handinika indray ny raharaha momba azy. Nandefa ity taratasy [6] ity ho an'ny filoha Indoneziana ny Migrante :

We believe that Mary Jane was a victim of large drug syndicates who take advantage of the unawareness, vulnerability and desperation of our people. We are pained that she has been meted the death penalty while the big true drug operators and syndicates go on with wild abandon.

Mino izahay fa nampiasain'ireo tambajotra goavan'ny rongony izay manararaotra ny tsy fahalalana, ny harefo sy ny fahadisoam-panantenan'ny olontsika i Mary Jane. Malahelo izahay fa niharan'ny fanamelohana ho faty izy raha mbola miriaria amin'ny asa ratsiny kosa ireo mpandraharaha goavan'ny zava-mahadomelina.

Mihevitra ihany koa ny Fikambanana Iraisam-pirenen'ny Mpisolovava Demaokratika, vondrona ankatoavin'ny Firenena Mikambana fa nolavina [7] tamin'i Mary Jane ny dingana tokony arahina satria tsy nomena mpisolovava sy mpandika teny matihanina avy hatrany araka ny tokony ho izy izy :

Ms. Veloso was forced by economic circumstance to seek work outside of her country. Her intention was not to smuggle heroin into Indonesia. She only found out that was used to smuggle the contraband after arrival and arrest. Her sole intention was to find employment. Ms. Veloso did not receive sufficient legal services or the right to translators, and had no legal representation at all stages of their trials.

Noteren'ny toe-draharaha ara-toekarena hitady asa ivelan'ny firenena Ramatoa Veloso. Tsy ny hampiditra rongony an-tsokosoko ao Indonezia no fikasany. Taorian'ny fahatongavany sy ny fisamborana azy vao fantany fa nampiasaina hampiditra zavatra antsokosoko izy. Ny hahita asa no hany fikasana. Tsy nahazo tolotra ara-pitsarana na zo hanana mpandika teny araka ny tokony izy, ary tsy nomena solontena ara-dalàna teo amin'ny dingana rehetra tamin'ny fotoam-pitsarana.

Mary Jane's parents appeal for clemency during a visit to the Indonesian Embassy in Manila. Photo from Facebook [8]

Miantso famindra-po ny ray aman-drenin'i Mary Jane nandritra ny fitsidihana tao amin'ny Ambasady Indoneziana tao Manila. Sary avy amin'ny Facebook

Nolavin'i [9] Indonezia ny fitakiana rehetra hanovana ny fanamelohana ho faty mikasika ny heloka bevava mifandraika amin'ny zava-mahadomelina. Nolazainy [10] fa ilaina ny mandresy ireo vondrona mpanondrana rongony, izay efa nametraka an'i Indonezia ho fihaonan-dalan'ny fanondranana zava-mahadomelina.

Mandritra izany, vondrona mpifindra monina [11] filipîana manerana izao tontolo izao, mpahay lalàna momba ny zon'olombelona, ary ny mpikambana fiarahamonim-pirenena Indoneziana sasantsasany no miezaka [12] manao izay hanavotana an'i Mary Jane.