- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Manohitra Ny Sivana Ataon'ny Fanjakana Amin'ny Balochistan Ny Pakistaney Mpianatry ny Oniversite

Sokajy: Pakistana, Fahalalahàna miteny, Mediam-bahoaka, Sivana
A student holding a placard protesting state censorship

Mpianatra milanja sora-baventy manohitra ny sivana ataon'ny fanjakana.

Nivoaka an-dalambe ny mpianatry ny Oniversiten'ny Siansa momba ny Fitantanana ao Lahore (LUMS) tamin'ny 10 Aprily mba hanohitra am-pilaminana ny fanafoanana vao haingana ny fianarana akademika momba an'i Balochistana ao amin'ny LUMS [1].

Tamin'ny fampiasana ny diezy Twitter  #ProudofLUMS [2] sy ny #Stand4AcademicFreedom [3], namaly ny hetsika tia sotasota natao tamin'ny LUMS omaly ireo mpianatra.

Nampiasaina mba hizarana ny sarin'ireo mpianatra milanja sora-baventy sy afisy manohitra ny fanapahan-kevitry ny fanjakana hanafoana ny fivorian'ny “Balochistan Tsy Hay Ampanginina [4]” ny diezy Twitter. Narangaranga miaraka amin'ny teny filamatra toy ny hoe “tsy manohitra fanjakana ny firesahana faritany iray” sy ny “tsy matoky ny fahalalaham-pitenenana ianao raha tsy matoky izany ho an'ireo izay tsy mitovy hevitra aminao.”

Araka ny fanamarihan'ny [1] Global Voices tamin'ny 9 Aprily, raha notanterahina ny hetsika:

Balochistan, Pakistan's largest, least populated and poorest province is witnessing its fifth separatist movement since 1947. Public discussions on Balochistan's war are rare [5]. Nationalists think silence on Balochistan is their patriotic duty, others self-censor out of fear of Pakistan's powerful military. But few really understand what is going on in the southwestern province, because media coverage and reporting from there is thin.

Miatrika ny hetsika fisintahana fahadimy hatramin'ny taona 1947 i Balochistan, faritany lehibe indrindra sy vitsy mponina ary mahantra indrindra ao Pakistan. Tsy fahita firy ny adihevitra momba ny ady ao Balochistan [5]. Mihevitra ny nasionalista fa adidin'izy ireo amin'ny fitiavan-tanindrazana ny fahanginana ao Balochistan, mampangina tena noho ny tahotry ny herin'ny miaramila ao Pakistan ny hafa. Saingy tena vitsy ireo mahatakatra ny zava-mitranga ao amin'ny faritany atsimo andrefana satria vitsy ny fitantaram-baovao sy ny tatitra avy ao.

Natao hanasongadinana ny olana ankehitriny manodidina ny faritra anaty korontana ary indrindra ny manjo ireo olona tsy hita popoka ny anton-dresaka.

Milaza ny sasany fa an-jatony ireo olona nanjavona tao Balochistan nanomboka tamin'ny taona 2010. Maro tamin’ireo olona tsy hita’ ireo no hita faty tatỳ aoriana ary tamin'ny 2013 fotsiny, vatana mangatsiaka 116 no hita tamin'ny toerana samihafa manerana ny faritra.

Manome tsiny ny tafika ny havan'ny ankamaroan'ireo olona tsy hita popoka ary nohadihadian'ny Fitsarana Tampony ao Pakistana ny fitarainan'izy ireo, na dia tsy nahomby tamin'ny fahitana ireo olona nanjavona aza ny fidiran'ny Fitsarana an-tsehatra.

lums4

Miresaka momba ny fanafoanana ny hetsiky ny LUMS i Mirza Moiz Baig mpianatra amin'ny Sekoly lalàna nilaza hoe:

The event’s cancellation is a blatant violation of our right to free speech. The whole point of free speech is to protect speech that invites conflict. Our intelligence agencies continue to remain engrossed in such matters and that explains their utter failure to do what their real job is. Silencing dissenting voices and traitor-shaming by those who stopped the talk is the very reason Balochistan is on the brink today.

Fanitsakitsahana miharihary ny fahalalaham-pitenenana ny fanafoanana ny hetsika. Ny anton'ny fahalalaham-pitenenana dia ny hiaro ny fanehoan-kevitra mitarika fifanandrinana. Manohy mifantoka loatra amin'izany sehatra izany ny sampam-pitsikilovantsika ary maneho ny tsy fahombiazany mihitsy amin'ny fanatanterahana izay tena asany. Ny fanampenam-bava ny feo manohitra sy ny menarina ho mpamadika avy amin'ireo nampijanona ny fifampiresahana no tena mahatonga ny firesahana an'i Balochistan ankehitriny.

Ny lakilen'ny fihetsiketsehana dia tsy fihetsika fitiavan-tanindrazana izao fanampenam-bava ny adihevitra akademika izao. Niezaka nanohitra ireo fiampangana nodradradraina tamin'ny oniversite manana ny lanjany tao amin'ny haino aman-jery sosialy omaly, indrindra tao amin'ny Twitter sy Facebook izay niezaka mampiseho ny LUMS sy ny mpandray fitenenana (panelista) ho mpanohitra ny fanjakana sy mpamadika ny hetsika.

Hoy ny vakin'ny fanambarana ofisialy navoakan'ny oniversite [6]:

A university is a place for freedom of thought and speech; where critical thinking is nurtured in an academic setting with a view to developing a sense of judicious understanding of public life both past and present. In this regards under the re-mapping justice series, an event scheduled at LUMS for the 9th of April 2015 had to be cancelled on orders from the government, which was most unfortunate indeed. LUMS is committed to working with the government to find a way to allow the university to hold analytical talks on various topics that need to be debated in an objective and unbiased manner.

Toerana ho an'ny fahalalahan'ny hevitra sy ny fitenenana ny oniversite; izay hanokolokoloana fihevitra mitsikera ao amin'ny toerana akademika hampivelarana ny fahatsapana ny fahatakarana tsara ny fiainam-bahoaka na tamin'ny lasa na ankehitriny. Amin'izany fijery izany, taorian'ny fandraketana indray ireo andian-drariny, voatery nofoanana ny hetsika tokony natao tamin'ny 9 Aprily 2015 tao amin'ny LUMS noho ny baikon'ny governemanta, izay tena mampalahelo tokoa. Vonona hiara-hiasa amin'ny governemanta ny LUMS mba hahitana fomba hamelàna ny oniversite hanatontosa resaka fandalinana amin'ireo lohahevitra samihafa tokony iadian-kevitra ao anatin'ny fomba tsy mitanila sy tsy mivilana.

Indrisy, tsy misy ny fanambarana avy amin'ny governemanta manazava ny fanapahan-keviny hanafoana ny fivoriana. Milaza ny mpitsikera ny fanjakana fa tsy hamaha ny olan'i Balochistan ny sivana tsy amin'ny antony tahaka izany ary tsapan'ireo sangany ara-politika ao amin'ny firenena ankehitriny fa anisan'i Pakistana i Balochistan ka nomen'izy ireo fahalalahana miteny ireo olona manandram-peo ho amin'ny fiovana.

Milaza ny tantara fa tsy misy zavatra hafa hitondra any amin'ny fandriampahalemana maharitra ao amin'ny faritany.