Tantara tamin'ny 18 Avrily 2015
Manafaingana Ny Famonjena Ireo Olom-pirenena Tajik Avy Ao Yemen Ve Ny Lahatsoratra Amin'ny Facebook?
"Iza no hamonjy anay? Monina ao Yemen, miasa toy ny dokotera izahay, maherin'ny 300 izahay, 400 raha isaina koa ny ankizy." hoy i Shahnoza Gadoeva, mpitsabo Tajik miasa ao Yemen nitady vonjy tamin'ny alalan'ny lahatsoratra Facebook.
Hoan'ireo Mararin'ny Ebola Ao Liberia, Fomba Iray Hahitana Ny Endrik'ireo Mikarakara
Hevero izany hoe any amin'ny hopitaly noho ny aretina mahafaty ary tsy mba mahita ny endrik'ireo olona mitsabo anao. Izany no nampitsiry ny hevitr'i Mary Beth Heffernan mba hanova izany.
Manohitra Ny Sivana Ataon'ny Fanjakana Amin'ny Balochistan Ny Pakistaney Mpianatry ny Oniversite
Nivoaka an-dalambe ny mpianatry ny Oniversiten'ny Siansa momba ny Fitantanana ao Lahore (LUMS) tamin'ny 10 Aprily mba hanohitra am-pilaminana ny fanafoanana vao haingana ny fianarana akademika momba an'i Balochistan ao amin'ny LUMS.
Fampahafantarana Ny Bilaogin'ny Tetikasa Jatta Wöötanö
Mahita fomba vaovao hitrandrahana ny fampahalalam-baovao nomerika ny tanora indizeny Yekuana avy ao Boca de Ninchire ao Venezoela. Manana ny bilaoginy manokana izy ireo ankehitriny
Nitsidika An'i Hiroshima Ny Masoivoho Amerikana Ao Japàna Ary Miaiky Ny Takaitra Navelan'ny Baomba Atomika
Nitsidika ny Mozea "Peace Memorial Museum " ny Masoivoho Amerikana Caroline Kennedy ary nametraka fehiloha tao amin'ny tsangambaton'ireo namoy ny ainy tamin'ny daroka baomba - fihetsika tsy mbola fahita tamin'ireo masoivoho Amerikana teo aloha.
Vehivavy Filipina Mitantara ny Nahatonga Azy Hiatrika Fanamelohana ho Faty noho ny Fanondranana Rongony
"Mihevitra izahay fa lasibatry ny vondrona lehibe mpanondrana rongony izay manararaotrany tsy fahalalana, ny harefo ary ny hakivian'ny vahoakanay i Mary Jane."