- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Gambia: Voasazy Higadra Mandrapaha-faty Ireo Nandray Anjara Tamin'ny Fanonganam-panjakana Tsy Nahomby

Sokajy: Afrika Mainty, Gambia, Lalàna, Mediam-bahoaka, Politika, Zon'olombelona
Modou Njie,, one of the Gambian soldiers who were found guilty in a secret court.  He is sentenced to death. Photo used with permission from Kibaaro News.

Modou Njie, iray amin'ireo miaramila Gambiana hita fa meloka nandritra ny raharaham-pitsarana miafina. Voasazy ho faty izy. Nahazoana alalana avy amin'i Kibaaro News ny sary.

Nanatontosa fanonganam-panjakana [1]manohitra ny fitantanan'i Yahya Jammeh ny vondrona miaramila tsy faly tamin'ny 30 Desambra 2014, voasakan'ireo tafika matoky ny filohan'i Gambia anefa izany. Ny lietnà Lamin Sanneh, miaramila niala an-daharana sy Komandin'ny andia-miaramila mpiambina ny Filoha teo aloha no nitarika ny fanafihana ny Lapam-panjakana vao maraina. Namoy ny ainy [2]nandritra ny fanafihana ny Lietnà Sanneh sy ny namany roa raha voasamboatra kosa ny iray hafa ( zazavao Modou Njie, izay voaheloka ho faty ankehitriny).

Taty aoriana, Amerikana-Gambiana roa no voampanga [3] teo ambanin'ny Lalànan'ny Tsy Fiandaniana noho ny fandraisan'izy ireo anjara tamin'ny fanonganam-panjakana tsy nahomby. Araka ny fanambaran'ny Sampan-draharahan'ny Fitsarana, voampanga tamin'ny andraisan'izy ireo anjara tamin'ny fanonganam-panjakana i Cherno Njie, 57 taona, mpandraharaha Amerikana teratany Gambiana monina ao Austin, Texas, sy Papa Faal, 46 taona, olom-pirenena Amerikana-Gambiana avy ao Brooklyn Center, Minnesota. Voalaza fa nankao Gambia izy roalahy ireto mba handray anjara fotsiny amin'ny fanonganam-panjakana, saingy afa-nandositra tany Etazonia avy any Senegaly.

Nanamafy ny fiampangana ireo miaramila enina farafahakeliny izay voasazy ho faty ka hatramin'ny figadrana mandrapahafaty ny manampahefana ao Banju . Fitsarana miaramila miafina natsangana fotoany fohy taorian'ny fanonganam-panjakana tsy nahomby tamin'ny 30 Desambra 2014 no namoaka ny sazy. Notsaraina noho ireo fiampangana maromaro ireo miaramila, anisan'izany ny fivadihana sy ny fandikan-dalàna miendrika fikomiana.

Araka ny filazan'ny fampielezam–peom-panjakana [4], Fahitalavitra sy Radio ao Gambia (GRTS), voasazy ho faty ny Lietnà Kolonely Sarjo Jarju sy ilay miaramila zazavao Modou Njie raha voasazy higadra mandrapahafaty kosa ny Kapiteny Abdoulie Jobe, Kapiteny Buba Bojang, Lietnà Amadou Sowe ary ny Kapiteny Buba Sanneh. Ny talen'ny fampanoavana, Sh Barhoun no nitarika ny fampanoavana raha mpisolovava tsy voalaza anarana avy ao amin'ny Sampan-draharaham-pirenen'ny Fanampiana Ara-pitsarana (NALA) kosa no nisolo-tena ireo voampanga.

Naneho ny ahiahiny [5] momba ny raharaham-pitsarana ireo vondrona mpiaro ny zon'olombelona ary niantso ny governemanta Gambiana mba tsy hanatanteraka ny sazy avy hatrany. Tamin'ny taona 2012, nanapa-doha ny 9 tamin'ireo gadra [6] 42 voasazy ho faty [7] ny governemanta, ary nahazo fanalefahan-tsazy ho 29 taona ny hafa. Na dia izany aza, nanaiky ny “fanovan-tsazy misy fepetra” ny filoha Yahya Jammeh [8] noho ny teritery avy ao an-toerana sy iraisampirenena.

Tsy nandray anjara [9] tamin'ny Fanadihadiana Ara-potoana Manerantanin'ny Firenena Mikambana (Universal Periodic Review (UPR)) i Gambia. Nanamarika ny Amnesty International fa 93 tamin'ireo torohevitra 171 [10] tamin'ny Universal Periodic Review tao Geneva ihany no neken'ny governemantan'i Gambia.

Tamin'ny Novambra 2014, nilaza ny Firenena Mikambana fa manam-pahaizana momba ny zon'olombelona avy ao amin'ny Firenena Mikambana no voatery nampiato [11] ny ampahany feno tamin'ny fitsidihan'izy ireo an'i Gambia rehefa nolavina tamin'izy ireo ny fandehanana any amin'ireo faritry ny fonja sasany ary nosakanana tsy hamita ny fanadihadiana momba ny tranga fampijaliana sy famonoana olona nandritra ny dia voalohan'izy ireo voalohany tao amin'ny firenena ity ekipa mpanao fanadihadiana tsy miankina ity, araka ny filazana an-gazety navoakan'ny biraon'ny Firenena Mikambana misahana ny zon'olombelona.

Fanitsakitsahana bevava ny zo hiaina sy zo hanana fitsarana ara-drariny ny sazy ho faty nomena ireo miaramila voampanga ho nandray anjara tamin'ny fikasana hanongam-panjakana tao Gambia,” hoy [12] ny Amnesty International.

“Misy tsy fahampiana mihitsy ny rafi-pitsarana ao Gambia ary mampiahiahy anay ny fahamarinan'ny raharaham-pitsarana, indrindra fa notontosaina tamin'ny fomba miafina izany. Mitaky ny Amnesty International mba hovaina ho sazy an-tranomaizina ny sazy ho faty, eo am-piandrasana ny raharaham-pitsarana vaovao manaja ny fitsarana ara-drariny araka ny fenitra iraisampirenena ary tsy tafiditra amin'izany ny fanamelohana ho faty, “hoy izy nanamarika.

Naneho hevitra tamin'ny fanambaran'ny Amnesty International tao amin'ny Facebook i Ebrima Manneh nilaza hoe [13]:

The Amnesty International statement said it all. In a flawed justice system, a verdict is always questionable especially in a trial done in secrecy. The international community must act swiftly and sternly against this regime that continues to terrorize the citizens.

Nolazain'ny Amnesty International daholo ilay izy. Ao anatin'ny rafi-pitsarana feno fahabangana, mampiahiahy hatrany ny didim-pitsarana indrindra amin'ny fitsarana atao miafina. Tokony handray fepetra tsy misy hatak'andro sy hentitra amin'ity fitondrana mbola manohy mampirohoroho ny olom-pirenena ity ny fiarahamonina iraisam-pirenena.

Nilaza [14] ny mpitondra tenin'ny Vaomiera Ambonin'ny Firenena Mikambana misahana ny Zon'olombelona, Rupert Colville fa miahiahy mafy momba ny sazy fanamelohana ho faty izy ireo. Manantena izahay fa avela hampiakatra ny raharaha any amin'ny fitsarana ambony ireo gadra enina, satria zon'izy ireo izany, ary miantso ny governemanta Gambiana izahay mba hihazona ny fanalavana ny fe-potoana amin'ny fanatanterahana ny fanamelohana ho faty.”

Tamin'ny fanehoana hevitra tamin'ny fihetsiky ny Firenena Mikambana, nangataka [15] tamin'ny Firenena Mikambana ny mpamaky iray ny tranokalam-baovao Kairo mba ho hentitra kokoa amin'ny Filoha Jammeh, izay teo amin'ny fitondrana nandritra ny 20 taona mahery.

the UN should be more blunt and forceful with Jammeh’s regime. This is not the first time he is being sending innocent people to their deaths for no good reason. He should be made to know that he is only human in one way or the other for a start. The Gambian people need external help to free themselves from Jammeh. God help them…

Tokony mivantana sy masiaka kokoa amin'ny fitondran'i Jammeh ny Firenena Mikambana. Tsy vao voalohany izy no nanasazy olona ho faty tsy amin'ny antony. Tokony hampahafantarina azy fa olombelona ihany izy na amin'ny fomba ahoana na manao ahoana ho fanombohana. Mila ny fanampian'ny any ivelany ny vahoaka Gambiana mba hialana amin'i Jammeh. Hanampy azy ireo anie Andriamanitra …

Raha manontany tena mikasika ny nanaovana izao raharaha goavana izao an-kiafinananoratra [16]tao amin'ny tranokalam-baovao JollofNew ao Gambia i Malick Njie:

Gambia is an interesting country. How come a vital trial like this held in a closed door military court? May Allah save the people of this great country from monster Yahya Jammeh…..

Firenena mahaliana i Gambia. Nahoana no atao an-kiafina ao anaty fitsarana miaramila mihidy varavarana ny raharaham-pitsarana goavana tahaka ity? Hiaro ny vahoakan'ity firenena mahafinaritra ity amin'ilay olon-doza Yahya Jammeh anie i Allah

Nilaza [17] i Maxs, mpamaky iray hafa ao amin'ny tranokalam-baovao Kairo fa homena voninahitra sy hotsarovana ireo nanao sorona ny tenany tsy am-pitadiava-tombotsoa manohitra ity fitondrana Jadona ao Gambia ity:

The criminal enterprise in Banjul should be removed by any means necessary . The innocent soliders should be freed . While most Gambians continue to approve the dictatorship through complete silence and nonengagement to savage the country , those who sacrifice their lives and families to the cause of freedom and liberty will always be remembered as true and patriotic sons of The Gambia . Their selfless sacrifices will be honored in the smiling coast in very near future.

Tokony hofoanana amin'ny fomba rehetra ny asan-keloka bevava ao Banjul. Tokony avotsotra ireo miaramila tsy manan-tsiny. Raha manohy mankasitraka ny didy jadona amin'ny alalan'ny fahanginana tanteraka sy ny tsy fandraisana andraikitra hamonjena ny firenena ny ankamaroan'ny Gambiana, hotsarovana hatrany ho tena zanakalahin'i Gambia tia tanindrazana ireo nanao sorona ny tenany sy ny fianakaviany ho amin'ny fanafahana sy ny fahalalahana. Homena voninahitra ao amin'ny morontsirakan'ny fitsikiana tsy ho ela ireo nanao sorona ny tenany am-pitiavana.

Amadou Maneh naneho hevitra hoe [18]:

No one and no place deserves jammeh. I bet even hell would be coerced to accommodate him.

Tsy misy olona sy toerana mendrika an'i Jammeh. Sahiko mihitsy ny miloka fa na ny helo aza voatery hifankazatra aminy.

Tao amin'ny Twitter, Sam Phatey nanontany tsotra hoe:

Milaza ve ny miaramila ao Gambia fa malalaka sy ara-drariny ny fitsarana ara-miaramila miafina? Matahotra ny fampiharana indray ny fanapahan-doha goavana aho, tena mampanahy!