Tsy Azo Idiran'ny Afrikana Hafa ve i Afrika Atsimo ?

A screenshot of a YouTube video posted by Ren TV showing an attack on an Ethiopian national.

Sary nalaina avy amin'ny “video” Youtube nalefan'ny Ren TV mampiseho fanafihana natao tamin'ny olom-pirenena Etiopiana iray.

Ny fanafihana vao nitranga tao Kwa-kwa-Zulu Natal sy tao Durban dia vokatry ny fanehoan-kevitry ny Mpanjaka “Zulu” Goodwill Zwelithini. Heritreretina fa izy no nilaza tamin'ny vahiny ny tokony hodian'izy ireo any amin'ny tany niaviany. Ny fanafihana dia nahitana daroka, vono olona ary fandrobana magazay sy fananan'ny vahiny. Olona dimy no maty, anisan'izany ny zazalahy iray 14 taona izay voatifitra ny alatsinainy teo. Mihoatran'ny 1.000 ny vahiny nitsoaka ny fonenany.

Manameloka ireo vahiny ny Afrikanina Tatsimo sasan-tsasany amin'ny fakana ny asa sy ny orinasa izay tokony ho azy ireo, ary mirona any amin’ ny asa famonoana olona

Teo anelanelan'ny taona 2000 sy 2008, tsy latsaky ny 67 ny olona maty tamin'ny fanafihana fankahalana vahiny. Tamin'ny volana may 2008, olona 4 no maty tao Johannesburg tamina fanafihana sahala amin'izany.

Tamin'ny fampiasana ny “hashtags” #XenophobicSA sy #AfrophobicSA ny Afrikana Tatsimo sy ny tsy Afrikana Tatsimo dia nandray avy hatrany ny Twitter mba hanehoany ny rikorikony sy ny fahatafintohinany amin'ny herisetra asehon'ny Afrikana Tatsimo ary ny tsy fandraisana andraikitry ny governemanta Afrikana Tatsimo.

Nakaka Ronald, a technology adviser from Tanzania, wrote:

Ny “#blackconsciousness philosophy & sacrifice” an'ny Steve Biko dia naverina tsy misy antony mazava tao amin'ny #AfrophobicSA & #XenophobicSA pic.twitter.com/cjXuxKyWCF

(Ny fahatsiarovantenan'ny mainty dia hetsika politika sy filozofika mba hanovana ny fisainan'ny mainty hoditra, izay natsangan'i  Steve Biko, maherifo niady tamin'ny “Apartheid” tao Afrika Atsimo.)

Nanontany ny Afrikana Tatsimo i Oyinlola, poety sy mpanoratra monina any Irlande :

Miarahaba anareo Afrikana Tatsimo, mba tsapanareo ve fa misy mpiray fihaviana aminareo koa any amin'ny firenena Afrikana hafa ? #SouthAfrica #XenophobicSA

— Oyinlola (@lollybubbles) April 15, 2015

Nanontany i Ghadafi Ghadafi ao Kenya :

Inona no maha samihafa azy ireo amin'ny fotsy hoditra namono sy nanantona ny mainty sy ny fotsy izay nanery ny “apartheid” taminy ? #XenophobicSA

— GHADAFI GHADAFI (@DunMillz) April 10, 2015

Ny mpampiasa Tweeter Keniana iray hafa, Nyawira Njoroge, dia nanoratra.

Izaho dia nieritreritra foana fa toy any amiko aho, na aiza na aiza eto Afrika. Mazava tsara fa tsotra loatra aho. #XenophobicSA

— Nyawira Njoroge (@NyawiraNjoroge) April 11, 2015

Raha namaly ny filazana hoe ny vahiny dia maka ny asan'ny tompontany, nanome soso-kevitra i Abi Mwachi, dokotera mpitsabo monina ao Mombasa, Kenya :

Ny fomba tsotra indrindra ahazoana ny asa tazonin'ny vahiny dia ny fandehanana any an-tsekoly ; fa tsy any amin'ny fivarotana antsilava. #XenophobicSA #xenophobicattacks

— Abi Mwachi M.D (@abimwachi) April 10, 2015

Namarana azy i Joan Mumbua fa i Afrika dia hijanona foana ho kontinanta andalam-pandrosoana :

Hoatran'ny maha sahirana an'i Kenya amin'ny ady atao amin'ny fampihorohorona no maha sahirana an'ny #XenophobicSA amin'ny fampihorohorona ireo namany Afrikana. Hijanona ho kontinanta andalam-pandrosoana isika ! “Nkt”

— Joan mumbua (@Joangor25) April 10, 2015

Mandritr'izany fotoana izany, i James Chikonamombe, olom-pirenena Zimbabwean monina any Etazonia, dia nahita ny fanafihana ho toy ny mampiharihary ny tsy fahombiazan'ny “Pan Africanism” (politika filozofika izay mamporisika ny firaisankinan'ny samy Afrikana) :

Ny Pan-Africanism (na dia efa voafaritra mazava aza) dia ny varotra henjana indrindra ho an'ny Foko Afrikana (na dia efa voafaritra mazava aza). #XenophobicSA

— James Chikonamombe (@Zichivhu) April 11, 2015

Mikasika ny fanalàna vao haingana ny tsangambaton'ilay mpanjanatany Cecil Rhodes tao amin'ny Oniversiten'i Cape Town ao Afrika Atsimo, nandefa “tweet” i Ashley Mendelowitz :

Iray andro ny eso-teny amin'ny fanalàna ny tsangambaton'ny mpanjanatany ary ny namana Afrikana ho lasa #XenophobicSA

— Ashley Mendelowitz (@AshMendelo) April 11, 2015

Nandefa “tweet” ho an'ny Afrikana Tatsimo sy ny mpitondra politika ao an-toerana ilay mpanao gazety Afrikana Tatsimo Maseko :

Nankaiza ireo mpitarika politika ao Afrika Atsimo, ny mpitondra fivavahana ary ny mpitarika tanora ? Fahasahina ara-tsaina ? Omeo ny laha-dinika ? #XenophobicSA #AfrophobicSA

— Nomsa Maseko (@nomsa_maseko) April 15, 2015

Ny mpampiasa “Tweeter” iray hafa dia nampitaha ireo mpanafika amin'ny vondrona mitam-piadiana Al Shabaab sy Boko Haram :

Tsy misy maha samihafa ny Al-Shabaab, ny Boko Haram ary ny olona tomponandraikitra tamin'ny fandoroana velona ireo ankizy. #XenophobicSA

— President Vusani (@Vusani_) April 11, 2015

Nampitandrina ny mpampiasa serasera sosialy ilay poety Zimbabweana Larry Kwirirayi mba tsy hanely vaovao tsy marina :

Mandritry ny fisehoan-javatra mahatsiravina ao SA, tandremo ny mety hiverenan'ny fampiasan-kery mahery vaika ao SA ary “acting” tahaka ny mahazatra. #XenophobicSA

— larry kwirirayi (@kwirirayi) April 15, 2015

I Afrika Atsimo dia tahaka an'i Egypta, nosoratan'i James Chikonamombe :

#XenophobicSA: Tahaka an'i Egypta, i Afrika Atsimo dia “ao anatin'i” Afrika fa tsy “any ivelan'i” Afrika. Izany zavamisy mapalahelo, misaotra ny 300 taona nanaovana fangejana ara-tsaina.

— James Chikonamombe (@Zichivhu) April 15, 2015

Tamin'ny fandefasana “tweet” avy any Afrika Atsimo, nanamarika ny olona iray mpomba ny Afrika tsy misy sisin-tany :

Ireo fanafihana nohon'ny tsy fitiavana vahiny ireo dia tsy misy ifandraisany amin'ny olona miditra antsokosoko amin'ny sisin-tany, isika dia tsy manao afa tsy ny mankahala ny Afrikana hafa #XenophobicSA

— Thapelo (@mokhathi) April 11, 2015

Nifampidinika i Mukula sy Caroline Keren ny amin'ny hoe ahoana no nanaovan'ny Afrikana hafa sorona tamin'ny fanafahana an'i Afrika Atsimo :

@Mukulaa” nanao toy izany koa isika fony tany amin'ny “lycée”, nanome vola 50 “shillings”, #AfrophobicSA kokoa mihoatran'ny #XenophobicSA , mankahala ny Afrikana HAFA izy ireo…

— Caroline Kere (@carolinekere) April 12, 2015

Amin'izay lafiny izay ihany, nilaza i AKA :

Nandritry ny “Apartheid”, ireo “vahiny” ireo ihany no nampiantrano ny mpiady ho an'ny fahafahantsika…

— AKA (@akaworldwide) April 15, 2015

Nanamarika ny mpampiasa “Twitter” sasany fa ny orinasa fananan'ny mpifindra monina fotsy hoditra dia tsy notafihana.

Nanontany i Tatenande avy ao Namibia :

Firy ny magazay fananan'ny vahiny fotsy hoditra no norobaina ? #XenophobicSA

— tatenande (@tatenande) April 15, 2015

Na izany aza, nandresy lahatra i Wadzanai Thembani :

Ry havana @BBCAfrica @africarenewal @DA_News @allafrica #XenophobicSA #Xenophobia #Africa tokony hiova ny fandehan-javatra pic.twitter.com/f2E9aWC7tK

— Wadzanai Thembani (@wadziethembie) April 15, 2015

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.