Ambaran'ny Ejipsiana ao amin'ny tambajotra sosialy ny fitsipahan-dry zareo ny fidirana an-tanety amin'ny ady ifanaovana amin'i Yemen.
Ejipta, ao anatin'ny vondrona mpiara-dia amin'i Saodia izay midaroka baomba an'i Yemen hatramin'ny 26 marsa, no nanambara fa vonona handefa tafika an-tanety ao amin'io firenena ravan'ny ady io. Noho ny fanampian'ny mpiara-dia aminy dia i Emirà ao amin'ny Helodrano, Ejipta, Jordania, Maraoka, Sodàna ary Pakistan no nanetsehan'i Arabia Saodita hetsika an'habakabaka fandarohana baomba, nomena anarana hoe Tadio Mahatapaka, iadiana amin'ireo mpiady hothista izay nahazo ny faritra maro ao Yemen hatramin'ny volana janoary teo.
Maro ireo mpiserasera ejipsiana no niresaka ilay fandraisam-peo tafaporitsaka, izay nandrenesana ny filoha ejipsiana Abdel Fattah Al Sissi niteny tamin'ny Arabon'ny Helodrano ho “manambola sy vary” — izany hoe, betsaka — toy ny mametraka fa niditra tao amin'ny ady noho ny vola i Ejipta.
Nalefan-dry zareo lavidavitra kokoa ny fampitahana, tamin'ny filazana fa atao sorona amin'ny adin'i Arabia Saodita noho ny vary ny miaramila ejipsiana.
Natsatok'ilay blaogera ejipsiana Nawara Nagm tao amin'ny ratra ny antsy tamin'ny fanoratana ho an'ny mpanjohiny 759.000:
ولو انت ماعندكش مشكلة اخلاقية مع العدوان وقصف الاطفال ما عندكش مشكلة كمان مع موت جنودك قصاد الرز؟ #لا_لتدخل_مصر_البري_في_اليمن
— يا رب انت عارف بقى (@nawaranegm) April 5, 2015
Raha tsy manana olana ara-maoraly amin'ny ady sy ny famonoan-jaza ianao dia tsy tokony hanana olana raha maty notakalozana vary ny miaramilanareo
Nampiany :
ونروح نموت، وفي الاخر نتعاير بالرز اللي ما دخلش جيب ولا عيل من العيال اللي حتنزل بري #لا_لتدخل_مصر_البري_في_اليمن
— يا رب انت عارف بقى (@nawaranegm) April 5, 2015
Handeha ho faty any isika ary hoesoiny amin'ny vary izay tsy hiditra am-paosin'ny zanatsika izay ho tafiditra amin'ny ady an-tanety
Ao amin'ny sioka iray hafa, manontany tena i Negm hoe maninona no tsy nakana hevitra ny Parlemanta :
طالما التجنيد اجباري والمواطنين مشاركين فيه بعيالهم، يبقى لهم حق يشاركوا برأيهم عيالهم تموت ولا لا من خلال برلمان ولا حتى استفتاء
— يا رب انت عارف بقى (@nawaranegm) April 5, 2015
Raha mbola tsy maintsy atao ny fanompoana miaramila ary tafiditra amin'izany amin'ny alalan'ny zanany ny olona, dia manan-jò ry zareo haneho hevitra amin'ny alalan'ny Parlemanta ry zareo rehefa miankina aman'ain'ny zanany izany na farafaharatsiny asiana referendum
Avy eo nofariparitany ny sehatra ao Ejipta, ahitana ny dridran'Ingilo ho fanakasitrahana ny ady amin'ny alalan'ny fampitam-baovao tohanan'ny governemanta :
وخلاص احنا حفظنا الخطوات: تأهيل اعلامي، اللي يعترض يبقى خاين وعميل وجاسوس، حبس شوية ناس، يعمل اللي هو عايزه
— يا رب انت عارف بقى (@nawaranegm) April 5, 2015
Efa hay ny fomba fanaony : fampiomanan-tsaina amin'ny alalan'ny fampitam-baovao, ary izay tsy manaiky dia marihana ho mpamadika, mpiasa na mpitsikilon'ny vahiny. Hisambotra olona vitsivitsy izy ary hanao izay tiany atao
Sissi io tsy notononin'i Negm anarana io, araka ny fanondroana tamin'ny siokany manaraka :
طلع قوانين، واخد قروض حنتبدس فيها حتى بعد ما هو يموت، ودخل حرب، من غير مشورة اي حد، وكمان يبعت الناس تموت بغير استشارتهم
— يا رب انت عارف بقى (@nawaranegm) April 5, 2015
Namoaka didy hitsivolana izy ary nanao findramam-bola izay tsy maintsy aloantsik aorian'ny fahafatesany ; ary niditra tao anaty ady tsy naka torohevitra na tamin'iza na tamin'iza ; ary ankehitriny izy mandefa olona any amin'ny fahafatesana tsy niera tamin'izy ireo akory
Alohan'ny fehin-teny :
هو مش من حقه ياخد عيال الناس يرميهم في اليمن من غير موافقة مجلس شعب ولا حتى استفتاء
— يا رب انت عارف بقى (@nawaranegm) April 5, 2015
Tsy mana-jò izy hanaisotra ny zanaky ny olona ka hanipy azy any Yemen tsy misy fankatoavan'ny parlemanta na referendum
Adel Zidane manondro ny fidiran'i Ejipta an-tsehatra ao Yemen ho “solika atakalo ra”. Nisioka izy :
لا لحرب يحركها منظور النفط مقابل الدماء #لا_لتدخل_مصر_البري_في_اليمن
— عادل زيدان (@zidane200882) April 5, 2015
Tsia amin'ny ady noetsehina noho ny solika atakalo fandatsahan-dra
Mampitamberina tsiahy ratsy tamin'ny ady an-trano tao Yemen Avaratra, (1962 -1970), ny fisian'ny andian-tafika ejipsiana ao yemen. Tamin'izany fotoana izany no nanohanan'i Ejipta sy ny Firaisana Sovietika ilay Repoblika Arabon'i Yemen vao teraka, raha niara-niady teo anilan'ny Imam Muhammed Al Badr, izay voaroaka sy nandositra tany Arabia Saodita nitady vonjy kosa i Arabia Saodita sy Jordania, izay notohanan'i Angletera. An'arivony ny miaramila ejipsiana maty tamin'izany ady izany.
Nampahatsiahy antsika ilay Yemenita Ammar Al Aulaqi :
“Yemen is my Vietnam, I sent a company there and ended up reinforcing it with 70,000 troops.” Gamal Abdel Nasser 1967 pic.twitter.com/YopUEUAVX9
— Ammar Al-Aulaqi (@ammar82) April 5, 2015
“Yemen no Vietnam-ko, nandefa andian-tafika iray tany aho izay niafara tamin'ny fandefasana miaramila 70.000 fanampiny” Gamal Abdel Nasser 1967
Namerina izany tsiahy izany ihany koa i Negm :
اليمن دي اسمها التاريخي “فييتنام مصر” احنا حنتخيط، احنا مش عارفين نتصرف في سينا حنتصرف في اليمن؟
— يا رب انت عارف بقى (@nawaranegm) April 5, 2015
Yemen dia efa fantatra ao amin'ny tantara ho Vietnam-an'i Ejipta. Inona no hataontsika ao Yemen raha tsy fantatsika akory izay hanaovantsika an'i Sinaï ?
Tsy afa-bela ao Sinai amin'ny ady ifanaovana amin'ny “mpampihorohoro” ny tafika ejipsiana, ary anisan'izany ny Fanjakan'i Sinaï, vondrona jihadista telo aloha nantsoina hoe Ansar Bayt Al-Maqdis (ABM) talohan'ny nanaovany fankatoavana ny vondrona hiringiriny Fanjakana Islamika.
Ao Ejipta, manontany tena i Carmen hoe maninona no misy vava ady misokatra indray ao amin'ny faritra :
#لا_لتدخل_مصر_البري_في_اليمن #لا_لتدخل_الجيش_المصرى_فى_اليمن سينا مليانه ارهاب وداعش فى فى ليبيا .. بتفتحوا علينا جبهات تانيه ليه مش حملها ؟
— كارمن (@Rihamzad) April 5, 2015
Tsia amin'ny fananiham-bohitra an-tanety ao Yemen. Feno mpampihorohoro ao Sinaï ary ao Libya ny fanjakana Islamika. Nahoana ry zareo no manokatra vava ady vaovao izay tsy ho voafehiny ?
Nampiany :
#لا_لتدخل_مصر_البري_في_اليمن #لا_لتدخل_الجيش_المصرى_فى_اليمن ماتزودوش فاتوره الدم الى البلد دى بتدفعها كل يوم ..من حقنا نخاف على جيشنا
— كارمن (@Rihamzad) April 5, 2015
Aza vesaran-drà fanampiny intsony ny faktiora efa aloan'ity firenena ity isan'andro. Manan-jò hiahy ny tafikay izahay.
Nanampy ilay Ejipsiana Hamdy Mansour :
#لا_لتدخل_مصر_البري_في_اليمن بيقولك علشان الجنود الغلابة المصرين ..! طب جوي و الغابة المدنيين بتوع اليمن ..! دوال عادي شعب يموت يعيش مش قضية
— انا منصور حمدي شخصيا (@mansourhamdy2) April 5, 2015
Milaza ry zareo fa manohitra ny fananiham-bohitra an-tanety ao Yemen mba tsy hahafaty ireo miaramila ejipsiana mampalahelo kely ireo ! Ary ahoana ireo fandarohana baomba an'habakabaka mahazo ireo sivily yemenita maty ? Miharihary izany ary nôrmaly izany ary tsy olona raha maty na velona ny firenena iray.
Hatrao Libanona, Riena Jalal, namehy amim-panesoana ny toe-draharaha tahaka izany ihany koa. Nisioka tamin'ireo 13.100 mpanjohy azy izy :
تدخلها الجوي عادي والناس الي عم تموت جراء قصف طيرانها عادي؟ لكن التدخل البري يعني مقتل جنود مصريين.. يا للعار #لا_لتدخل_مصر_البري_في_اليمن
— riena (@ro_jalal) April 5, 2015
Nôrmaly ny fitsabahana an'habakabaka
Ary ireo olona maty noho ny daroka baomba an'habakabaka koa ve nôrmaly ?
Fa ny fananiham-bohitra an-tanety kosa midika fahafatesan'ny miaramila ejipsiana. Mahamenatra !
Ary avy ao Bahraïn, @lbanna74 nampahatsiahy ireo mpanjohy azy 2.000 :
#لا_لتدخل_مصر_البري_في_اليمن لما ولاد مصر ترجع في توابيت اوعو تقولو عليهم شهدا دول بيحاربو علشان فلوس الخليج
— عاشقة البحرين (@lbanna74) April 5, 2015
Rehefa miverina ao anaty vatam-paty ny Ejipsiana dia aza antsoina hoe maritiora. Nandeha niady ho takalon'ny volan'ny Helodrano ireo.
Mbola maro ireo fihetseham-po hita amin'ny alalan'ny fanarahana ny diezy #لا_لتدخل_مصر_البري_في_اليمن izay midika hoe tsipahina ny fananiham-bohitra ataon'i Ejipta ao Yemen.
Vakio ihany koa (amin'ny teny anglisy) :
Egypt's Vietnam: Lessons from the last time Cairo waded into war in Yemen