- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fiarovana ny Fahalalaham-pitenenana Sy ny Fanafenana Anarana Amin'ny Aterineto Ao Ekoatera

Sokajy: Amerika Latina, Ekoatora, Fahalalahàna miteny, Lalàna, Mediam-bahoaka, Politika, Zon'olombelona
Organizaciones que del Ecuador, Internacionales y de distintos países que se adhirieron al Manifiesto.

Ireo nanasonia ny Fanambarana ho amin'ny Fahalalaham-pitenenana, ny Tsy Fitononana Anarana ary ny Fiainana Manokana amin'ny Aterineto ao Ekoatera.

Manoloana ny fanamelohan'ny [1] governemanta ny fanafenana anarana sy ny fanarabiana amin'ny aterineto, maro ny fikambanana ao an-toerana sy iraisampirenena nanasonia ny Fanambarana ho amin'ny Fahalalaham-pitenenana, ny Tsy Fitononana Anarana ary ny Fiainana Manokana amin'ny Aterineto ao Ekoatera. [2]

Anisan'ireo fikambanana ao an-toerana nanao sonia ny Usuarios Digitales [3] sy ny Fundamedios [4], anisan'ireo fikambanana iraisampirenena sy vondrona vahiny nanatevin-daharana ny fanambarana kosa ny Access [5]Electronic Frontier Foundation [6]Derechos Digitales [7] (Shily), Oficina Antivigilancia [8] (Brezila), Fundación Karisma [9] (Kolombia), TEDIC [10] (Paragoay), Acceso Libre [11] (Venezoela), ContingenteMx [12] (Meksika), ary ny Enjambre Digital [13] (Meksika).

Manipika ny fanambarana iombonana fa tsy heloka bevava ny fanafenana anarana ao amin'ny aterineto:

  • Reprobamos cualquier acto de violencia como consecuencia del ejercicio de la libertad de expresión o de cualquier otro derecho.
  • El anonimato es parte esencial de la estructura descentralizada de Internet. Esta es una característica intrínseca de su arquitectura y diseño, y forma parte de la esencia de la comunicación en línea.
  • El anonimato es una herramienta fundamental para ejercer plenamente el derecho a la libre expresión, ya sea en Internet o fuera de ella.
  • La difusión de datos personales de quienes usan legalmente el anonimato constituye una amenaza a la integridad de las personas, promueve la censura y afecta el control legítimo que la sociedad debe realizar de la actividad pública.
  • Mientras no se cometan delitos tipificados, el anonimato debe ser garantizado por el Estado y todos sus entes, de acuerdo a la Ley.
  • Intimidar o direccionar a grupos para el ataque virtual o físico a personas, independientemente de su posición política, puede derivar en polarización y violencia en la sociedad.
  • Consideramos que los recursos públicos deben brindar las garantías suficientes para promover el libre ejercicio de nuestros derechos también en plataformas digitales.
  • Manameloka izay fihetsika mahery setra rehetra vokatry ny fampiasana ny fahalalaham-pitenenana na fampiasana zo hafa izahay.
  • Anisan'ny ampahany manan-danja amin'ny rafitra mahaleotenan'ny aterineto ny fanafenana anarana. Toetra anatiny amin'ny firafitra sy ny endriky [ny aterineto] izany ary anisan'ny fototry ny fifandraisana antserasera.
  • manana anjara toerana lehibe, indrindra amin'ny zo haneho hevitra an-kalalahana, anaty aterineto na ivelan'ny aterineto ny tsy fitononana anarana.
  • Ny fampielezana ny tsikalakalam-panondroana olona manokana ataon'ireo olona mampihatra amin'ny fomba ara-dalàna ny tsy fanononana anarana dia endrika fandrahonana ny fahafenoan'ilay olona, fampiroboroboana ny sivana ary mampisy fiantraikany amin'ny maha-ara-dalàna ny fanaraha-maso ataon'ny fiarahamonina amin'ny asam-panjakana.
  • Raha tsy misy ny heloka bevava natao, tokony avelan'ny Fanjakana halalaka ny fanafenana anarana araka ity lalàna ity.
  • Ny tsindritsindry na [fanenjehana] virtoaly na mivantana ataon'ny vondron'olona amin'ny tsirairay, tsy ijerena ny firehana ara-politikan'izy ireo dia mety hiafara amin'ny fisarasarahana sy ny herisetra eo anivon'ny fiarahamonina.
  • Heverinay fa tokony hiantoka bebe kokoa ny fampiroboroboana ny fampiasana malalaka ny zontsika eo amin'ny sehatra nomerika ihany koa ny fanjakana.

Amarino ato [2] raha hamaky ny Fanambarana ho amin'ny Fahalalaham-pitenenana, fanafenana anarana ary ny Fiainana Manokana an-tserasera ao Ekoatera.