“KaiKai News”, Manofana Tanora Ao Sierra Leone Hamokatra Lahatsary Fanadihadiana

Training to make documentaries. April 4, 2015. KaiKai News Facebook page.

Fanofanana hamokatra fanadihadiana. 4 Aprily 2015. pejy Facebook-n'ny KaiKai News.

Ny KaiKai News dia fikambanana haino aman-jery ao Freetown, Sierra Leone, izay mandray sy manofana tanora ao Sierra Leone mba hamokatra lahatsary fanadihadiana mifototra amin'ny fahaiza-mamorona sy ny kolontsaina misy eo amin'ny firenena.

 Niresaka tamin'i Trevor Young mpanorina ny KaiKai News, i Eddie Avila, talen'ny Rising Voices.  Hoy i Trevor Young :

Tsy mbola manana rafi-panofanana mandeha amin'ny antsipirihany izahay amin'izao fotoana izao. Eo amperinasa izahay no miaraka mametraka drafitra. Hatreto dia andiany roa no ananana, ahitana olona efatra mpanadihady/mpamokatra/mpamoaka. Fanadihadiana fohy avy amin'ny Vice News no nampiasainay ho lasitra ary iray isanandro no jerena, dia iafanakalozana hevitra ireo singa samihafa tiana sy ny tsy tianay ao anatiny. Tsy misy manana traikefa amin'izay famoahana lahatsary ireo olona efatra ao anatin'ny tarika ka noho izany dia natombokay tamin'ny fanofanana momba ny Moviemaker, izay tena mora ny mampiasa azy.  Arakaraky ny firoson'ny fianaran'izy efatra dia miroso mankany amin'ny AdobePremiere izahay ho an'ny fanontàna ny asa ato anatin'ny roa volana manaraka.

Efa nandefa lahatsary betsaka ao amin'ny Youtube ilay tetikasan'i Young :

Fanamboarana ny fitafin-drazana

Dominic Monrovia mampiseho ny fomba famokarana ny “fitafin-drazana” ao Sierra Leone:

Fanamboarana ny memy fahandroan-tsakafo ao Sierra Leone (“coal-pot”- vilany asiana vainafo)

Rugiatu Jenneh Sesay, tanora mpanadihady miaraka amin'ny KaiKai News mijery ny fomba fanamboarana ny memy fahandroan-tsakafo ao Sierra Leone, fantatra tsara amin'ny hoe “coal-pot”:

Topimaso amin'ireo tanora tantsaha ao Freetown

Dominic Kalokoh avy amin'ny KaiKai News manasongadina tanora tantsaha ao Freetown.

Famokarana ranom-boankazo ao Freetown

Salifu C. Kamara sy tarika iray mpanangom-baovao mitsidika ny farany atsinanan'i Freetown handrakitra momba ny orinasa iray mpamokatra ranom-boankazo:

Ny famokarana sakafo maivana ao Sierra Leone

Dominic Kalokoh mitsidika an'i Dwazark any andrefan'i Freetown handrakitra ny fanamboarana ny Kanya, sakafo maivana ao Sierra Leone natao tamin'ny gari, voanjo, siramamy, ary sira.

Ankoatry ny avy ao amin'ny tranonkalan-dry zareo, misy koa ny KaiKai News ao amin'ny Twitter sy  Facebook.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.