- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Tokantandroka Tafandositra Nampisahotaka Tsena tao Nepal

Sokajy: Azia Atsimo, Nepal, Mediam-bahoaka, Teratany, Vaovao Mafana
Image tweeted by Nepali blogger @janakdangol [1]

Sary avy amin'ny blaogera Nepali @janakdangol

Tamin'ny marainan'ny 30 marsa, nisy tokantandroka iray nihazakazaka [2] nanavatsava tsena iray be olona sady manakaiky hopitaly, nahafaty vehivavy iray 61 taona [3] sy nandratra olona hafa maro, tao amin'ny tanàna iray 75 kilometatra atsimon'ny renivohitr'i Nepal, Kathmandu.

Nepal dia mampiatrano ny 534 [4] amin'ny lalomena tokantandroka 3000 manerantany ahiana ho lany taranaka. Ny Valan-javaboarim-Pirenena Chitwan [5], 45 kilometatra miala io toerana nahitana ny trangan-javatra io dia ahitana tokantandroka 503.

Nahazo ny fankatoavana iraisampirenena i Nepal tamin'ny ezaka fitehirizana [6] nataony sy ny fomba vaovao nampiharina hampihena ny famonoana ireo biby mpirenireny. ny valan'i Chitwan no ahitana ny faharoa betsaka indrindra ahitana [7] ireo biby marefo an'isa indrindra manerantany izay manana lanja eoho eo amin'ny 2 ka hatramin'ny 3 taonina eo amin'ny ankapobeny. Ny fihazana no nampihena isa indrindra ny lalomena tokantandroka saiky nahalany tamingana azy tamin'ny fiandohan'ny taonjato faharoapolo. [8] Ezaka fitehirizana henjana dia henjana no nampiakatrany isany tao anatin'ny taompolo vitsivitsy. Nanana anjara toerana goavana tamin'ny fitehirizana ny biby mpirenireny [6] i Nepal. Tanelanelan'ny taona 2011 sy 2013, dia tsy nisy fihazana tsy ara-dalàna tao Nepal; tsy nisy tigra na lalomena maty novonoina na dia iray aza. 

Ny tranonkalam-baovao Nepali Pahilopost no nitatitra fa nirodorodo nanavatsava an'i Hetauda, tanàna iray ahitana mponina tokotokony ho 85000 eo ilay biby. Tsikaritra nanakaiky ny hopitalin'i Hetauda [3] ilay biby ary nalaza tao anatin'ny fotoana fohy tao amin'ny media sosialy. Nisioka ny sary sy ny lahatsarin'ilay lalomena nihazakazaka manodidina ny tsena ny mponina tao an-toerana nialoha ny nitateran'ny gazety be mpanaraka ny fandosiran'ilay lalomena.

Lalomena mandositra hita ao amin'ny lahatsarin'i Kishan Poudel avy ao Hetauda

Nisioka i Kumar Paudel:

Lalomena nitrifatrifana nampihorohoro ny mponina nandritra ny nihazakazahany nanavatsava ny tanànan'i Hetauda

NIsioka ny mpanao gazety Ujjwal Acharya:

Lalomena tokantandroka iray niteraka sahotaka tao Hetauda, Nepal nipoitra tao amin'ny faritra iray be mponina.

Sarin'ny lalomenan'i Hetauda hita ao amin'ny Twitter

Ao Nepal; mpitranga ny fanafihan'ny biby mpirenireny mety mahafaty amin'ny toerana manakaiky ny valan-javaboary sy fitehirizana ny biby mpirenireny. Araka ny fanadihadiana tamin'ny 2008 [24], dia nisy tigra 36 nahafaty olona 88 tanelanelan'ny taona 1979 ka hatramin'ny 2006 nanodidina ny Valan-Javaboarim-Pirenena tao Chitwan.

Ho fisorohana fanafihana toy izany, dia efa nanao fanentanana tamin'ireo vondrom-piaraha-monina manakaiky ireo tobim-pitehirizam-biby mpirenireny ireo ny governemanta sy ny fikambanana misahana ny fitehirizana. Misy ireo fepetram-piarovana manokana tahaka ny fefy ara-masoandro [?], andry sy lavaka namboarina manodidina ireo vondrom-piarahamonina marefo. 

Efa nanomboka namboly solila [25], zavamaniry mamokatra menaka menthol, sy chamomile [karazan-javamaniry vahiny azo atao dite na fanafody], amin'ny taniny ihany koa ireovondrom-piarahamonina manakaiky ireo tobim-pitehirizam-biby ireo.Tsikaritra manko fa tsy tian'ny biby mpirenireny ny fofon'ireo zavamaniry ireo, ary ny fambolena an-tsaha ireo vokatra ireo dia efa karazana fefy fiarovana sahady. Ny hevitra ambolena ireo zavamaniry ireo dia nekena ho iray amin'ireo fanatsaran-javatra 12 tsara indrindra manerantany [26] nandritra ny Fizaran-Dokan'ny BBC International World Challenge tamin'ny 2011.

Raha mbola sahirana tamin'ny famerenana ilay lalomena ho an'ny amin'ny toby ny tompon'andraikitry ny toby sy ny manampahefana tao an-toerana ary ireo mpanolo-tena, dia heniky ny hanihany tamin'ny dian'ilay lalomenany media sosialy.

Olona iray manao kibokibo amin'ny fandosiran'ilay lalomena nisioka hoe:

Fa maninona ilay lalomena no tsy maintsy miditra ny hopitaly tahaka ny hoe dokotera.

Nisioka ny mpanao gazety hafa Kriti Bhuju:

[Hita] ho niantsena tao amin'ny Bazarin'i Hetauda ilay lalomena, hody izy rehefa mikatona avokoa ny fivarotana rehetra?

eto [29]