
Tsy misy ahitana hirika ISIS tamin'ny fetiben'ny mozika elektronika andiany faharoa notontosaina tamin'ny Febroary lasa teo tao ammin'ny toerana nanatontosana ny horonantsary “Star Wars (Adin'ny Kintana) tao Nefta, Tonizia. Sary avy amin'ny pejy Facebookn'ny fetibe
Nozimbazimbain'ny Toniziana ireo tatitra dison'ny haino aman-jery milaza fa nofehezin'ireo extremista maherisetran'ny vondrona ISIS ny toerana nanatontosana ny Star Wars tao Atsimon'i Tonizia.
Tamin'ny 24 mars ny CNN namoaka lahatsoratra momba ny tanàna atsimon'i Tataouine, izay nanome ny anarany ho an'ny planeta noforonina, Tatooine tamin'ny horonantsary, lazaina ho “tobim-pandalovan'ny jihadista’. Nandray izany lahatsoratra izany ireo haino aman-jery goavana tahaka ny Huffington Post, ny Washington Post ary ny Guardian.

Lohatenim-baovao vitsivitsy milaza ny ISIS mifehy an'i Tatooine araka ny hita ao amin'ny Google News
Inona ary no zava-diso nataon'ireto haino aman-jery iraisampirenena sy lazaina fa matihanina ireto?
Nampiasa ny tatitra fisamborana ireo telo lahy avy any Tataouine Izay niezaka niampita an'i Libya mba hanatevin-daharana ny vondrona mpikomy, sy ny fahitana ireo fanafenam-pitaovam-piadiana sy bala ao amin'ny faritra’ (tsy nametraka izay tena misy ny toerana) ho porofon'ny fitantaran'izy ireo ny CNN.
Na izany aza, ny toeram-panafenam-pitaovam-piadiana izay nolazain'ny CNN dia hita tamin'ny fiandohan'ny volana Martsa tao Ben Guerdane, tanàna ao amin'ny sisintany Libyana ao amin'ny governoràn'ny Medenine, lalana adiny roa eo ho eo miala ao Tataouine.
Nanazava izany tamin'i Ben Beaumont-Thom, tonian-dahatsoratra lefitra ao amin'ny Guardian i Nazanine Moshiri avy ao Al Jazeera teny anglisy :
@ben_bt Tataouine is a real town. Star Wars set is no where near. There is no evidence town of Tataouine is being used as a base for ISIS.
— Nazanine Moshiri (@nazaninemoshiri) March 26, 2015
Tanàna tena izy i Tataouine. Tsy eto no misy ny toeran'ny Star Wars. Tsy misy ny porofo fa nampiasaina ho tobin'ny ISIS ny tanànan'i Tataouine.
@ben_bt ISIS doesn't have base in Tunisia. Yes weapons found in Ben Gardane close to border. No-where near Tataouine or Star Wars set.
— Nazanine Moshiri (@nazaninemoshiri) March 26, 2015
Tsy manana toby ao Tonizia ny ISIS. Marina fa hita tao Ben Gardane akaikin'ny sisintany ireo fitaovam-piadiana. Fa tsy tao akaikin'i Tataouine na ny toeran'ny Star Wars izany
@ben_bt also no proven link between weapons found in Ben Gardane and IS.
— Nazanine Moshiri (@nazaninemoshiri) March 26, 2015
Tsy misy ihany koa ny fifandraisana eo amin'ireo fitaovam-piadiana hita tao Ben Gardane sy ny ISIS.
Fanampin'izany, ny hoe maha-tovolahy mankao Libya sy Syria azy ireo fotsiny mba hanatevin-daharana ny vondrona mpioko dia tsy midika fa tobin'ny ISIS na vondrona mpioko hafa ny tanàndehibe na tanàna kely niavian'izy ireo. Saingy satria niseho tao Tatooine (ny tiako lazaina hoe Tataouine) izany, manaitra loatra ny tantara (raha misy na dia iray aza) ka sarotra hoan'ny haino aman-jery sy ny mpanao gazety ny tsy hijery ireo pejy efa nisy an'arivony nijery.
Farany, tsy ao an-tanànan'i Tataouine no misy ny toerana nandefasana ny sarimihetsika Star Wars, na dia nomena ny anarany aza ny planeta Tatooine noforonina. Ao an-tanànan'i Nefta, ao amin'ny governoràn'i Tozeur, lalana dimy ora miala ao Tataouine no misy ny toerana.

Google Maps mampiseho ny fahalavirana eo amin'i Tataouine sy ny toerana Mos Espa ao amin'ny planeta noforonina Tatooine
Tao amin'ny Medium.com, nandiso ny lahatsoratry ny CNN ny AJ+:
For journalists, it’s an enticing story: A desert planet in a galaxy far, far away is now home to fighters who have crossed over to the dark side of the Force. Unfortunately (at least for that narrative), the Star Wars movies weren’t actually filmed in Tataouine, though the fictional planet Tatooine was named after the town. The closest actual filming location for the movies is Ksar Ouled Soltane, which was one of the locations used for the slave quarters row where Anakin Skywalker and his mother lived in Star Wars Episode I: The Phantom Menace.
Hoan'ny mpanoratra gazety, tantara mahaliana izany. Planeta ngazana ao amin'ny vahandanitra lavitra, tena lavitra ankehitriny no fialokalofan'ireo mpiady izay niampita nankany amin'ny lafiny maizin'ny Hery. Indrisy (farafaharatsiny amin'ity tantara ity), raha ny marina tsy notontosaina tao Tataouine ny sarimihetsika Star Wars, na dia nomena ny anaran'ny tanàna aza ny planeta noforonina Tatooine. Ksar Ouled Soltane no toerana tena akaiky nanaovana ny sarimihetsika, iray amin'ireo toerana nampiasaina ho faritry ny andevo izay nonenan'i Anakin Skywalker sy ny reniny nandritra ny Star Wars Fizarana voalohany : The Phantom Menace (Ny Fandrahonan'ny Matoatoa).
Tao amin'ny Twitter, namaly am-panesoana ireo mpiserasera.
Yamina Thabet, filohan'ny Fikambanana Manohana ny Vitsy An'isa ao Tonizia nisioka hoe:
#Tatooine …le niqab déjà obligatoire … pic.twitter.com/BfGP3F90rn
— yamina thabet (@yaminathabet) March 25, 2015
Tsy maintsy tafiana ny Niqab
[wearing] the Niqab is already mandatory
Hedi nisioka hoe:
Voici l'émir de Tataouine, un barbu comme vous le voyez pic.twitter.com/JQX11TKrPm
— Hédi (@ayalez_hdi) March 25, 2015
Ity ny Emiran'i Tataouine, be volombava araka ny hitanareo
R2D2 to be beheaded by C-3PO #Tatooine #Tunisia #Wilayet_Mos_Espa cc @ishaantharoor @washingtonpost pic.twitter.com/0zY89eIzPC
— Hamilcar (@HamilcarB) March 26, 2015
Eo ampanapahana ny lohan'ny R2D2 ny C-3PO
URGENT : #Tunisia‘s invest zillions in new weapons to fight #ISIS cc @CNN @Le_Figaro @Slatefr @20Minutes pic.twitter.com/NHJef12xk2
— alf (@alfafp) March 26, 2015
MAIKA: Nampiasa vola an-tapitrasany miliara tamina fitaovam-piadiana vaovao hiadiana amin'ny ISIS i Tonizia.
Mpanoratra gazety monina ao Tunis, Frédéric Gedhof nisioka ny itovian'ny zava-misy ao amin'ny toeran'ny Star Wars ao Nefta
Ce rassemblement djihadiste annuel en #Tunisie fait froid dans le dos. Brrrr. pic.twitter.com/YoFk6pPbzy
— Frédéric Geldhof (@FredericGeldhof) March 25, 2015
Mampari-koditra izany fihaonan'ny djihadista isan-taona ao Tonizia izany.
Raha ny marina, navadika ho toera-pandihizan'ny mpizahatany sy ny tanora Toniziana manatrika ny fetiben'ny mozika elektronika Les Dunes Electroniques ny toeran'ny Star Wars ao Nefta tamin'ny volana lasa teo.

Tanora mifety ao amin'ny toeran'ny Star Wars ao Atsimon'i Tonisia. Sary tao amin'ny pejy Facebookn'ny Electronic Dunes Festival
Toeram-pizahantany manintona sy malaza ireo toerana nanaovana ny horonantsary Star Wars. Satria mandalo fotoan-tsarotra ny fizahantany, kitro ifaharan'ny toekaren'i Tonizia, herinandro taorian'ny fanafihana nahafatesana olona tao amin'ny Mozean'i Bardo, dia nahatezitra ilay Toniziana Wafa Ben Hassine ny tantaran'ny Star Wars, ka nisioka ho an'i Ishaan Tharoor ao amin'ny Washington Post izy:
.@ishaantharoor This article is gravely inaccurate. Portends that weapons are at film site. Which is false. Article only hurts tourism more.
— Wafa Ben Hassine (@ousfourita) March 25, 2015
Tsy marina mampidi-doza ity lahatsoratra ity. Milaza fa misy fitaovam-piadiana ao amin'ny toerana nanaovana ny horonantsary. Izay diso. Manohintohina ny fizahan-tany izany lahatsoratra izany.
.@ishaantharoor Do you understand the impact that your article has on a country's livelihood?
— Wafa Ben Hassine (@ousfourita) March 25, 2015
Fantatrao ve ny fiantraikan'ny lahatsoratrao eo amin'ny fiveloman'ny firenena?
Taorian'ny fahatezerana tao amin'ny media sosialy, nandefa fanitsiana ny Guardian sy ny Huffington Post. Saingy efa tara loatra. Mampiseho ny fiitatry ny fanimbana efa nihatra ny fitadiavana amin'ny teny Anglisy ny hoe ‘ISIS Star Wars set’ (toeran'ny ISIS Star Wars) tao amin'ny Google News.