Voabahana Ao Iran Ve Ny Global Voices ? Sady Eny NoTsia.

The block page that appears when you try to access globalvoicesonline.org.

Ny pejy fibahanana hitanao rehefa manandrana miditra amin'ny globalvoicesonline.org ao Iran ianao.  Sary natolotr'i Frederic Jacobs.

Voabahana Ao Iran Ve Ny Global Voices ? Sady Eny NoTsia.

Olona avy ao anatin'i Iran no niteny taminay, tsy ela akory izay, fa tsy afaka namindra rohy avy aminà lahatsoratra iray tao amin'ny Global Voices izy ho an'ny tranokalan'ny fikambanany. Tsy afaka mahita ilay lahatsoratra ireo mpanaraka azy, hoy izy, satria voabahana ao amin'io firenena io ny tranonkalanay. Vaovao taminay izany. Tamin'ny Oktobra 2014 no nijery farany ny satan'ny globalvoicesonline.org tao Iran izahay. Tsy  voabahana izy tamin'izay. Niverina nijery indray izahay tamin'ity herinandro ity, ary tena marina fa pejy fibahanana no miakatra avy any.

Hafahafa ny fandehan-javatra, saingy taorian'ny fifanatonana tamin'i Frederic Jacobs, mpikaroka momba ny fiarovana, dia hita fa azonao atao ny mandingana ireny fanivanana kely ireny ka miditra amin'ny tranonkalanay amin'ny fanampiana ny hoe “https://” ery alohan'ilay rohy. Eto ambany ianao afaka mahita dikasary roa tamin'ireo andrana natao taminà ‘proxy’ tao Iran. Eo ankavia ilay pejy fibahanana hitan'ireo mpampiasa aterineto ao Iran rehefa mangataka hiditra amin'ny  “globalvoicesonline.org” ry zareo. Eo amin'ny havanana ny pejy hitan'ireo Iraniana mpampiasa aterineto rehefa mampiasa ny “https://globalvoicesonline.org” izy ireo. Mahazendana. 

On the left is the re-direct page users inside Iran see when they request "globalvoicesonline.org". On the right is the page Iranian users see when they request "https://globalvoicesonline.org". Image provided by author.

Eo ankavia ilay pejy fibahanana hitan'ireo mpampiasa aterineto ao Iran rehefa mangataka hiditra amin'ny  “globalvoicesonline.org” ry zareo. Eo amin'ny havanana ny pejy hitan'ireo Iraniana mpampiasa aterineto rehefa mampiasa ny “https://globalvoicesonline.org” izy ireo. Sary nomen'ny mpanoratra.

Raha sendra manontany tena ianao: Ity ny rehetra mikasika ny HTTPS

Ity dia mampiseho tsara ny lanjan'ny fampiasàna HTTPS raha ampitahaina amin'ny HTTP. Raha resaka fametrahana zanatsoratra iray fotsiny ery ampiandohan'ny adirein'ny tranonkala tsirairay izany ho an'ny maro amin'ny mpampiasa aterineto, dia tena goavana kosa ny fahasamihafana eo amin'izy roa ireo. Rehefa mitsidika tranonkala izay iray ianao ka HTTP fotsiny no ampiasaina, afaka mahita mora foana ny zavatra ataonao ny olona rehetra manana fahalalàna lalina momba ny teknolojia ary dia afaka miditra amin'izay asa ataonao — tafiditra ao anatiny, mazava ho azy, ireo masoivohom-panjakana. Saingy rehefa mitsidika tranonkala amin'ny fampiasàna ny HTTPS ianao, azo antoka kokoa ny asanao (izay no  dikan'ny S ho anao). Ny fangatahanao hijery tranonkala itsy na iroa amin'ny alàlan'ny fantsona voaaro — karazana tonelina iray — amin'ny fanaovana izay hampanano-sarotra ho an'ireo ety ivelany ny hahita izay ataonao ao.

Ny tian'ilay andrana kely nataonay havoitra dia hoe mampiasa fomba fibahanana mitofotra amin'ny HTTP hibahanana ny tranonkalan'ny Global Voices i Iran, tahaka ireo firenena maro hafa ihany. Saingy ireo adiresy voaaro napetraka niaraka tamin'ny HTTPS kosa tsy voabahana.

Midika ve izany fa azonao atao ho an'izay tranonkala rehetra voabahana ao Iran io? Tsia. Raiso ho ohatra ny Facebook. Samy voabahana daholo any amin'ny HTTP sy HTTPS ireo mpisera aterineto a oIran manandrana miditra Facebook. Hazavain'i Jacobs izany ho an'ny Facebook, naka fepetra lasa lavidavitra kokoa ny governemanta amin'ny resaka fibahanana. “Tsy sivana mifototra fotsiny amin'ny HTTP, fa ireo adiresy IP an'ny Facebook no tsy azo idirana avy ao Iran,” hoy izy. Sarotra ny haminavina hoe mandra-pahoviana io no hiova,  saingy mihevitra ihany i Jacobs hoe mety mifamatotra amin'ny habetsahan'ireo mpampiasa io :

Na izany azadia nametraka fitsipika lasalavitra kokoa i Iran mba hibahanana ireo OpenVPN, ny Tor ary ireo rindrambaiko hafa fandinganana sivana. Resaka ara-barotra io,tena marina. Tsy handeha handany vola be amin'ny fibahanana tranonkala iray voafaritra manokana tahaka izany ry zareo raha tsy hoe betsaka ny olona manomboka mampiasa teknika fandinganana sivana mba hidirana aminy.

 

Mila ny fanampianareo izahay!

Rahamisy olona any manana teknolojia afaka mijery ny fotoana nitrangan'ity fibahanana ity tao amin'ny tambajotra Iraniana, iangaviana mba hametraka fanehoankevitra etoana na hifandray aminay mba hahafahanay mamaritra ny daty miaraka amin'izay votoaty na tranga mety ho antony.

Fantaro bebe kokoa

Raha mila fanazavanaara-teknika bebe kokoa momba ny fanivanana nanjo ny Global Voices’, dia amporisihanay ianao hamaky ny lahatsoratra ao amin'ny bilaogin'i Jacobs, “Andran-tsira amin'ny fibahanana ny GlobalVoices ataon'i Iran [Eng].” Feno fitaovana fandinganana sivana maro ao izay afaka hanampy ny mpamaky hahita ny globalvoicesonline.org raha toa ryzareo ka mipetraka any aminà firenena mibahana ilay tranonkala. Sosokevitr'i Jacobs ny Tor miaraka amin'ny ScrambleSuit.

Fisaorana manokana ho an'i Frederic Jacobs noho ny fanadihadiana ara-teknika nataony sy ny nanoratany ity lohahevitra ity.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.