Nandritra ny tatitra momba ny fanafihana an'i Garissa [2]tao Kenya, nampiseho sarintany nanondro an'i Oganda ho Tanzania ny CNN ary nampiseho an'i Nairobi ho tanàna any Nizeria. Tsy dia mahazaka izany loatra ireo mpiserasera Afrikanina maro.
LRTs @CNN [3] is really disrespectful of Africa as a continent. Nairobi is in Nigeria and now Uganda is Tanzania. pic.twitter.com/qDHfXBeVbO [4]
— Rumbidzai Dube (@dubbydacious) April 4, 2015 [5]
Tena tsy manaja an'i Afrika amin'ny maha-kaontinanta azy ny CNN. Ao Nizeria i Nairobi ary ao Tanzania indray i Ouganda ankehitriny.
Patra, mpandrindra media sosialy ao amin'ny fahitalavitra NTV Oganda nilaza hoe:
Dear CNN, Uganda is not Tanzania pic.twitter.com/lp6Gg2zHM9 [6]
— Patu (@AyamPatra) April 3, 2015 [7]
Ry CNN, tsy Tanzania i Oganda
Namaly an'i Patra, nanolo-kevitra i Mollel:
@Steve_RF [8] @AyamPatra [9] I think someone doing this at CNN should go to a class of geography:had said Nigeria instead of Kenya and now this!
— Mollel (@jmollel) April 3, 2015 [10]
Mino aho fa tokony hianatra jeografia ny olona nanao izany tao amin'ny CNN: nilaza hoe Nizeria izy fa tsy Kenya dia ity indray!!
Biko Stephen nanamarika hoe:
@texasinafrica [11] @AyamPatra [9] CNN are an embarrassment. Just too many faux pas!
— Biko Stephen (@BikoIntellect) April 3, 2015 [12]
Maha-menatra ny ataon'ny CNN. Maro loatra ny fahadisoana!
Nanamafy ny fijerin'ny fampahalalam-baovao Amerikana ny zava-nitranga fa firenena iray i Afrika
Sometimes it feels like @CNN [3] are the only hardline Pan-Africanists left. They don't believe national borders or names mean anything!
— AFRICA IS A COUNTRY (@AfricasaCountry) April 3, 2015 [13]
Indraindray toa ny CNN no Panafrikanista hiringiriny sisa tavela. Tsy mino izy ireo fa misy dikany ny sisintanim-pirenena na ny anaram-pirenena!
Namely ny mpiasan'ny CNN i Giovanna Bunei :
Oi, people at @CNN [3], did anyone in the newsroom actually pass geography in school? @samirasawlani [14] @Ramah_Nyang [15] @OfwonoOpondo [16] @AfricasaCountry [17]
— Giovanna Bunei (@giobunei) April 3, 2015 [18]
Ry olona ao amin'ny CNN, nisy olona ao amin'ny efitra famoaham-baovao[nareo] ve nahay jeografia tany am-pianarana?
Mitohy ny fanehoan-kevitra :
“@MisLongLegs [19]: “@kollinsayz [20]: Dear @CNN [3] Africa is not a country!” Do they ever learn!?” do they even care?
— Kollin Rukundo T (@kollinsayz) April 3, 2015 [21]
Ry CNN, tsy firenena iray i Afrika! Mba nianatra ve aloha izy ireo? Mba miraharaha ve aloha izy ireo?
Chano8 naneho hevitra hoe [22]:
With such small mistakes made by one of the most respectable news networks all over the world, make one simple explanation. They are also human.
Amin'ireo fahadisoana kely maro avy amin'ny tambajotram-baovao manana ny maha-izy indrindra manerana izao tontolo izao, dia tsotra ny fanazavana. Mba olombelona ihany koa izy ireo.
Tao amin'ny Facebook, nilaza i [23]Wamoka Derricke fa tsy ny CNN no olana fa i Oganda no tsy dia malaza:
Its Not CNN's Mistake.
We Are The Onez Who Made A Mistake Bse They Dont Know Us.
THAT SIMPLY SHOWS THAT IN EASTAFRICA, UGANDA IS LESS KNOWN WORLDWIDE.
Tsy Fahadisoan'ny CNN izany.
Isika Ihany No Nanao Fahadisoana Satria Tsy FAntatr'izy Ireo Isika.
MAMPISEHO FOTSINY IZAO FA AO AFRIKA ATSINANANA, TSY DIA MALAZA MANERANTANY I OGANDA.
Dennis Ntume namaly hoe [24]:
How can you guys be saying they don't know about us when their grandfathers are the ones who demarcated our boarders? They know but are either complacent or, [it was] intended!
Ahoana no hilazanao ry namana fa tsy mahafantatra momba antsika izy ireo kanefa ny raiben'izy ireo no anisan'ireo namaritra ny sisintanintsika? Fantatr'izy ireo saingy na moramoraina na, niniana natao!