- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Miatoa Kely Ange Ijerentsika ny Hafaliana ao Iran amin'izao Fotoana izao

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Iràna, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Vaovao Mafana, Ny Tetezana - The Bridge
Let's just stop and appreciate the happiness from #IranTalks.

Miatoa kely dia ankafizo ny fifaliana avy amin'ny #IranTalks.

Nanaraka ity tantara ity isa-minitra aho. Tsy hoe noho ny asako no nahatonga ahy hiraikitra amin'ny fanarahana itony fotoana itony, fa noho ny fitiavako an'i Iran. Tiako izy amin'ny kilemany rehetra, ny fanantenany rehetra, ny hakantony rehetra, ary ny fahadisoam-panantenany. Saingy ny vahoakany no tena itiavako azy. Ny fiainan'ny vahoaka iraniana vinavinaina hihakely ny teritery ara-toekarena ary ho tafiditra bebe kokoa amin'ny rafitra manerantany no antony itiavako mankalaza ity fifanarahana ara-nokleary ity.

Koa alohan'ny idirantsika amin'ny fandikàna ny hevitry ny lahatsoratra momba ny fifanarahana fototra ara-nokleary [1] (izay tsy maintsy atao ary ilaina); ary alohan'ny iheverantsika fa maro ny zavatra mbola tokony vitaina ao Iran, eo amin'ny sehatry ny fifanarahana ara-nokleary, toa-karena, zon'olombelona, sns. (araka izay efa nasongadin'ny politisiana, mpanadihady ary mpikatroka maro)—alohan'ireo zavatra rehetra ireo, fotoana kely monja, tiako ny higoka ny onjam-pifaliana avy amin'ny vahoakan'i Iran.

Indreto ny sombiny tena ankafiziko amin'ny hafaliana nanenika an'i Iran halina. Ary mampanantena hanaovana fanehoan-kevitra tony kokoa aho rehefa midina ny hafanan'ny maro ao amin'ny Fifampiresahan'i Iran [#IranTalks]!

Araben'ny vahoakan'i Tehran mankalaza ny [fifampiresahan'i Iran], manantena ny hiakaran'ny sanjan'ny rial [vola iraniana]

Andiana Iraniana mivory eo an-tokotanin'i Minisiteran'ny Raharaham-Bahiny mankalaza ny vokatra avy amin'ny [fifampiresahan'i Iran]

Mbola anaty lanonana. Misotro ny olona (ho fankalazana ny) ireo fihodinana mandositra ivo [centrifuges]

Namako iray manongo ny takolak'i Obama noho ny hafaliana

Ifandraisana ao Tehran: “Hivoaka aho hankalaza.”

Mankalaza i Tehran

Mahsa Alimardani [17] dia tonian'i Global Voices amin'ny teny Persiana.