Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Miatoa Kely Ange Ijerentsika ny Hafaliana ao Iran amin'izao Fotoana izao

Let's just stop and appreciate the happiness from #IranTalks.

Miatoa kely dia ankafizo ny fifaliana avy amin'ny #IranTalks.

Nanaraka ity tantara ity isa-minitra aho. Tsy hoe noho ny asako no nahatonga ahy hiraikitra amin'ny fanarahana itony fotoana itony, fa noho ny fitiavako an'i Iran. Tiako izy amin'ny kilemany rehetra, ny fanantenany rehetra, ny hakantony rehetra, ary ny fahadisoam-panantenany. Saingy ny vahoakany no tena itiavako azy. Ny fiainan'ny vahoaka iraniana vinavinaina hihakely ny teritery ara-toekarena ary ho tafiditra bebe kokoa amin'ny rafitra manerantany no antony itiavako mankalaza ity fifanarahana ara-nokleary ity.

Koa alohan'ny idirantsika amin'ny fandikàna ny hevitry ny lahatsoratra momba ny fifanarahana fototra ara-nokleary (izay tsy maintsy atao ary ilaina); ary alohan'ny iheverantsika fa maro ny zavatra mbola tokony vitaina ao Iran, eo amin'ny sehatry ny fifanarahana ara-nokleary, toa-karena, zon'olombelona, sns. (araka izay efa nasongadin'ny politisiana, mpanadihady ary mpikatroka maro)—alohan'ireo zavatra rehetra ireo, fotoana kely monja, tiako ny higoka ny onjam-pifaliana avy amin'ny vahoakan'i Iran.

Indreto ny sombiny tena ankafiziko amin'ny hafaliana nanenika an'i Iran halina. Ary mampanantena hanaovana fanehoan-kevitra tony kokoa aho rehefa midina ny hafanan'ny maro ao amin'ny Fifampiresahan'i Iran [#IranTalks]!

Araben'ny vahoakan'i Tehran mankalaza ny [fifampiresahan'i Iran], manantena ny hiakaran'ny sanjan'ny rial [vola iraniana]

Andiana Iraniana mivory eo an-tokotanin'i Minisiteran'ny Raharaham-Bahiny mankalaza ny vokatra avy amin'ny [fifampiresahan'i Iran]

Mbola anaty lanonana. Misotro ny olona (ho fankalazana ny) ireo fihodinana mandositra ivo [centrifuges]

Namako iray manongo ny takolak'i Obama noho ny hafaliana

Ifandraisana ao Tehran: “Hivoaka aho hankalaza.”

Mankalaza i Tehran

Mahsa Alimardani dia tonian'i Global Voices amin'ny teny Persiana. 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.