Misy ny milaza fa mbola eo an-dalana ny tantara. Misy ny milaza fa lalao diplaomatika goavana indrindra eo amin'ny raharaha iraisam-pirenena izy ity. Na izany na tsy izany, fifampiresahana goavana indrindra miaraka amin'ny tsirim-panantenana, ahiahy sy fanakianana miseho eo amin'i Iran sy Etazonia nanomboka tamin'ny Revolisiona Islamika 1979 izy ity.
Raha mbola mifamingampingana amin'ny vondrom-pirenena P5 + 1 (vondrona ahitana an'i Etazonia, Angletera, Rosia, Shina, Frantsa ampiana an'i Alemaina) amin'ny natioran'ny fandaharan'asa nokleariny sy ny fanesorana ny sazy iraisampirenena ireo mpifampiraharaha avy amin'ny Iraniana, dia mitafa an-tsioka izao tontolo izao. Raha mirongatra ny fandrakofana ny vaovao momba izany, dia efa mihoatra ny fe-potoana farany 31 Martsa ny fifampiresahana, indreto ny kaonty tsara arahina ary indraindray ahitana fitantarana manesoeso amin'izay mitranga ao ifotony ao Lausanne, Soisa.
Amin Khosroshahi, mpaka sary fanao an-gazety avy ao amin'ny Sampam-baovaon'ny Mpianatra Iraniana (ISNA) namoaka sary mahafinaritra ahitana matetika ny mpifampiraharaha Iraniana ao Lausanne. Hoy ny voalazan'ity sioka amin'ny sary ity ” fotoam-piasana mandritra ny andro fahafiton'ny fifampiraharahana ataon'ny delegasionina Iraniana.”
جلسه کاری هیات ایرانی در روز هفتم مذاکرات @araghchi @JZarif #IranTalks #IranDeal #IranTalksLausanne pic.twitter.com/mWZRQnDWGy
— Amin khosroshahi (@KhosroshahiAmin) April 1, 2015
Mpanoratra gazety ara-politika ivelany ao amin'ny Bloomberg i Indira Lakshmanan. Mnana loharanom-baovao tsara isa-minitra izy, ary manana fehezanteny mampihomehy koa indraindray.
Watching chimney of Beau Rivage in Lausanne for white smoke or black smoke. So far, just smoke & mirrors #IranTalks pic.twitter.com/8Pk49WyleM
— Indira Lakshmanan (@Indira_L) April 1, 2015
Mijery ny lalan-tsetroka ao amin'ny Beau Rivage ao Lausanne na setroka fotsy na setroka mainty. Hatramin'izao, setroka fotsiny sy fitaratra
Our latest: #IranTalks Resume Today With Lavrov Saying Deal at Hand: Araghchi says need “framework” on UN #sanctions http://t.co/Zrknh0Wt6f — Indira Lakshmanan (@Indira_L) April 1, 2015
Vaovao farany: #IranTalks Androany miaraka amin'ny Lavrov Milaza Fifampiraharahana eo am-pelatanana. Nilaza i Aragichi fa mila “rafitra” amin'ny sazin'ny Firenena Mikambana
Arash Azizi, mpanoratra gazety amin'ny teny Persiana ao amin'ny fahitalavitra Iraniana mandeha amin'ny zanabolana Manoto, nanome vaovao tamin'ny teny Persiana sy Anglisy. Nahitana vaovao mahatsikaiky koa tamin'izany.
Secretary Ernest Moniz just told us #IranTalks “are going” when we asked him how are they going. He didn't hear my hair challenge, I think. — Arash Azizi (@arash_tehran) March 31, 2015
Nilaza taminay fotsiny ny sekretera Ernest Moniz fa “mizotra tsara” ny #IranTalks raha nanontaniana mikasika ny fandehan'izany izy. Tsy nihaino ny fanambin'ny voloko izy, hoy ny eritreritro
Laura Rozen, mpanoratra gazety ao Afovoany Atsinanana ao amin'ny Al Monitor nanome vaovao mafonja tao amin'ny “Fantsona Mainty” Al Monitor amin'izay zava-mitranga nandritra ny fifampiraharahana. Mahafinaritra ny siokany amin'ny fandravahany izany hoe ahoana ny ao Lausanne:
Huddled in freezing cold luxury hotel room in Lausanne, thinking we may be stuck here in perpetuity
— Laura Rozen (@lrozen) April 1, 2015
Mitampify ao anatin'ny hotely mihaja mangatsiatsiaka ao Lausanne, mihevitra fa mety hiraikitra ao mandrakizay izahay
Sanam Shantyaei, mpanoratra gazety Britanika-Iraniana ao amin'ny France 24 nisioka sary kely mahafinaritra misy ireo diplaomaty nandeha teo alohany tao Lausanne, amin'ny fotoana “tsy takatry ny loha ao Lausanne” ity:
Asked minister Steinmeier whether he will b returning to Lausanne. Without hesitation, he responded: “ja”! #IranTalks pic.twitter.com/e4OKxcp1dO — Sanam Shantyaei (@sanamshantyaei) March 30, 2015
Nanontany ny minisitra Steinmeier raha mbola hiverina ao Lausanne izy. Tsy nisalasala izy namaly hoe “ja” [eny]
Mpitondra tenin'ny Departemantam-panjakana [Amerikana] amin'ny teny Persiana i Alan Eyre izay fantatra amin'ny famoahana fanadihadiana mikasika izay zava-mitranga ao amin'ny media Iraniana hoan'ny ekipa mpifampiraharaha Amerikana. Matetika ny Twitterany feno “retweet” [fampitana] izay fitantaran'ny olon-kafa, saingy misy ihany koa ny siokany manokana tahaka ity sary nalefany vao marainan'ny 31 Mars ity (manamarika ny tsy fahitana tory amin'ny alina iainan'ny maro mandritra ny fifampiresahana).
— Alan Eyre (@AlanEyre1) March 31, 2015